]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mahajanga I, Mahavoky avaratra. Ny Filoha Rajoelina sy ny Fitsaran’i Sôlômôna

Mahajanga I, Mahavoky avaratra. Ny Filoha Rajoelina sy ny Fitsaran’i Sôlômôna

ETO RAHA HIJERY NY VIDEO

Raha 18 taona aho tamin’ny 13 Mey 1972 dia mazava f’efa tanora ampy taona aho no nanomboka nandray anjara tamin’ny tolom-bahoaka rehetra nisy teto Madagasikara, teo ambanin’ny fitondran’ny Filoham-pirenena rehetra voafidy sy Filohan’ny tetezamita (« transition ») rehetra nifandimby, teo anelanelan’ny Filoha Philibert Tsiranana sy ny Filoha Andry Rajoelina. Fa ity farany, hatreto no nahavita namaha olana eo amin’ny fiarahamonina tsy hafahan’ireo olom-bitsy hasahy hilaza fa nanao « werawera » na koa nanao propagandy « alohan’ny fotoana ». Tany Mahajanga no niseho ny tranga mbola tsy nanam-paharoa ary tena ao anatin’ny hoe « sosialim-bahoaka » mivantana. Mamakia ary mitadiava hevitra hafahanareo mahita ilay vidéo.


Ny atao hoe didim-pitsaran’i Sôlômôna na koa ny Fitsaran’i Sôlômôna dia fanapahan-kevitra na tsoa-kevitra naroso avy amin’ny Tantara ao amin’ny Baiboly hebreo. Tantara milaza fa i Sôlômôna, nitarika ny fanjakan’ny Israely, dia nanapa-kevitra tamim-pahendrena ny fifandirana teo amin’ny vehivavy roa, izay samy milaza ho renin’ny zaza iray ihany.

Ny Bokin’ny Mpanjaka Voalohany (3, 16-28) dia mitantara ny fifandirana nisy teo amina vehivavy roa izay samy niteraka, fa ny zaza iray tsy azo fa sempotra. Dia ilay zaza iray velona no lasa niadivan’izy roa avy eo.

Mba handaminana io fifandirana io, dia nangataka sabatra, na antsy lava, i Sôlômôna ary nanome baiko hoe: “ Zarao roa ny zaza velona, ​​ka omeo ny iray ny antsasany, ary ny antsasany ho an’ny faharoa”.

Nanambara ary ny iray tamin’ireo vehivavy fa aleony manome ilay zaza toy izay mahita azy ho faty. Tamin’izany no nahafantaran’i Sôlômôna ny tena renin’ilay zaza. Nomeny ilay vehivavy iray ilay zaza ka voavonjy ny ain’ity farany.

Ny lesona manan-danja lehibe azo tsoahina amin'ity Fitsaran’i Sôlômôna ity dia ny nahatongavana tamina fanapahan-kevitra toa mahafam-po ny rehetra ka tsy adino anefa ny fitadiavana ny rariny marina.

Ny famakafakana ny fihetseham-po nitarika ny fifandirana (fialonana ho an'ny tsy reny, ny maha-reny ho an'ny tena reny) dia nanan-danja kokoa noho ny famantarana ara-materialy.

Ny fampitoniana ny andaniny sy ny ankilany, vokatry ny fahamarinana tena marina, dia nandinika ny fihetseham-po ao anaty nisy teo amin’ilay tena reny : niverina taminy ny zanany fa voasazy kosa ilay reny iray saro-piaro : resy ny fikasan-dratsy, nahazo valisoa kosa ny fitiavana.

Ity fanoharana ity dia azo ampiasaina ho fanoharana ny didy hoe tsy voatery rariny ny rariny ("JUSTICE N'EST PAS EQUITE ".)

Ny andraikitry ny mpitsara teto toa tsy nitovy amin’izay mety ho tokony maha mpitsara azy. Toa nihoatra noho ny maha “Vavan’ny lalàna” (« Voix de la loi ») azy izy : lasa mpandray anjara tamin’ilay fifandirana izy kanefa nahatafavoaka didim-pitsarana mafonja ary, indrindra indrindra, nahafa-po ny rehetra.

Hitantsika eto fa ny anjara asan'ny mpitsara dia noraisina kokoa ho toy ny fanehoana ny fahendrena, ny fahalalany ny olombelona, ​​fa tsy ny fahaizana mifehy ("expertise r-glementaire").



Raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ny sabotsy 11 Febroary 2023, tao amina fokontany iray ao Mahajanga, dia misy hofandraisana tanteraka tamin’ny Didin’i Sôlômôna io, noho fanapahan-kevitra noraisiny. Inona ilay fifandirana ? TANY. Ataoko fa 80% maherin’ny raharaha misy eny amin’ny tribonaly manerana an’i Madagasikara dia io resaka tany io hatrany. Ho anareo izay mbola tsy afaka mijery -ary indrindra mihaino- ilay vidéo nalaina tany amin’io fokontany io –FA ILAINA JERENA HATRANY AMIN’NY VOALOHANY KA HATRANY AMIN’NY FARANY ILAY VIDEO -, dia ho fitiniko ilay disadisa.

Fokontany Mahavoky avaratra ao Mahajanga I no misy ilay tany ifandirana. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Kamisy, tamin’ny taona 1984, izany hoe 39 taona lasa, dia nisy fianakaviana napetraka tamina tany tsy misy tompony, ao Mahavoky avaratra, Mahajanga I izany.


Tamin’ny herinandron’ny 6-10 Febroary 2023, dia nisy nilaza ho tompon’ny tany ary nandrara ireo fianakaviana tafakatra 28 tafo, hiditra ao amin’ilay faritra misy ny trano fonenany, ary ny zoma 10 Febroary dia nitondra bulldozer mihitsy nandrava izay trano nitsangana teny. Ny sabotsy 11 Febroary 2023 dia nidina teny an-toerana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ary nihaino ny andaniny sy ny ankilany. Samy nanana ny filazany moa ka dia izao ny fanazavan’ny Filoha Rajoelina sy ny vahaolana hitany ka ho tontosaina faran’izay aingana :

« Nisy cyclone, izay izany ilay tantara, dia notadiavana trano ilay vahoaka izay tra-boina, dia napetraka teto amin’ity toerana ity. Rehefa napetraka teto amin’ity toerana ity, dia tsara fanta-tsika izany, hoe : Ramose ato miteny fa an’ny Mamany ity tany ity. Izay izany no zava-misy. Dia rehefa nipetraka teto izany ianareo vahoaka tamin’izany dia nanajary ny tany, dia nanao trano. Dia ny zavatra tiako ho fantatra dia hoe : tamin’ny 1984-1986 iza no tompon’ny tany ? Izay izany ny fanontaniako voalohany. Hita ao anatin’ny titra anie izany e.


Ny olana misy, izay hitan-tsika eto dia olana misy manerana an’i Madagasikara : RESAKA ADY TANY. Ny mpiray tam-po, na mpiara-monina, dia misy ny ady tany. Ny fahafantarako ilay izy dia izao : tonga ny cyclone dia napetraka teto ianareo. Dia efa nisy nangataka ilay tany. Ianareo (TTF : zanak’ilay Madame Denise) nangataka 7 ares, azo jerena amin’ny titre izany. Ianareo taminy 1985 no nipetraka teto (TTF : ireo vahoaka 28 tafo) dia nisy nangataka ny tany mirefy 7 ares. Dia nandeha ny taona dia nisy nanao reconnaissances dia hoe nisy nangataka 28 ares 59 centiares. Izay no zavatra nisy.

Dia izao no olana misy araka ny fahafantarako izany : tamin’ny 2006 no titré taminareo ny tany. Ny olana misy dia izao, ary tena olana be mihitsy ity zavatra resahan-tsika ity, iadivan’ny… miala tsiny aho miteny ity fa izay no marina : OLANA IADIVAN’NY MAHAY TARATASY SY NY TSY MAHAY TARATASY.

Satria, ry zareo, tamin’ny nangataka dia nahazo titra tamin’ny 2006 ary tsy 7 ares intsony tamin’izany taona izany fa 28 ares 59 centiares. Izay no ao anaty titra. Henoy tsara : amin’izao isika miteny izao izany, izao no zavatra marina sy misy erak’i Madagasikara : Raha ny zavatra ARA-DALANA dia an’i Ramose ato ny tany. Izay no izy. Andraso aloha, aza mbola mitehaka. Fa raha ARA-DRARINY dia izay nanazary teto no tompon’ny tany. Izany hoe ianareo 28 tafo no tompon’ny tany.


Dia izao no zavatra misy : rehefa tonga any amin’ny tribonaly ny raharaha, dia ny tribonaly mijery hoe iza no manana titra. Azonareo ilay izy ? Dia izay no mahatonga ny tribonaly hoe miala eo ianareo satria ry zareo no manana titra. Izay izany ilay zavatra marina teneniko anareo. Ny olana dia izao : ianareo tsy nangataka fa raha nangataka ianareo efa azonareo ny tany. Izay izany no zavatra misy amin’izao isika miteny izao. Ny olana misy dia, raha tokony ho izy, raha Fanjakana mijoro sy manara-dalàna dia tokony izay nanajary ny tany no omena ny tany. Izay izany no tokony ho izy. 38 taona ianareo no nipetraka teto, nanajary ny tany, dia tokony ianareo mipetraka eto no manana ny tany. Ny olana anefa rehefa jerena ny titra dia tonga any amin’ny tribonaly izay ny taratasy no jereny dia lasa tonga amin’izao olan’ny fiarahamonina izao izany isika, amin’izao miteny izao.

Matoa aho tonga eto, dia izaho mihaino vahoaka. Ny ranomasonareo no henoko. Satria ny ramatoa iray ity nitomany ; misy olona manana fahasembanana, misy ray aman-dreny efa manana zafikely teto, nipetraka teto ny taranaka iray manontolo. Nojereko ny tomany fa tomany avy any amin’ny fo, tsy tomany setro-dranomaso fa tomany avy any amin’ny fo no nataonareo. Noho izany, tonga eto ahy, hijery vahaolana isika. Hijery vahaolana ho anareo, hijery vahaolana ho antsika rehetra.

Ny fahitako azy dia izao : ho jerentsika akaiky aloha ny mikasika ilay titra. Ny nampalaheho ahy, satria nanontany anareo aho hoe : nangataka ny tany ve ianareo ? Marina lazaina ahy (Valiny : nisy nangataka toa ny zanak’ i Madame Thérèse hita sy re ao anaty VIDEO).


Izay nangataka, raha ohatra ianao nangataka dia ho jerena ny fangatahanao. Azonareo ilay izy ? Oviana ianareo no nangataka ? Izay ilay noteneniko anareo hoe : raha ny tena izy -satria ianareo niantrana no nipetrahanareo teto- raha amin’ny ara-dalàna, dia izay misoratra ao anatin’ny titra no tompony. Izay ilay noteneniko teo.

Fa raha amin’ny ara-drariny, ny lalàna eto Madagasikara, ny Lalampanorenana, ny lalàna mihitsy dia miteny fa : IZAY MANAJARY NY TANY NO TOMPON’NY TANY.

Eo izany no ho jeren-tsika hoe inona no vahaolana ? Fa tsy maintsy mijery vahaolana isika androany.


Reko tsara mihitsy ny hevitrareo tsirairay avy mikasika ity tany izay misy eto Mahavoky avaratra ity, Cité Kamisy. Araka ny notenenin’i Monsieur le Député teo, izay solombavambahoaka, misolo tena ny vahoaka -misy Députés anankiroa eto-, dia izao izany ny zavatra hitako sy fanapahan-kevitra ho raisin-tsika :

Voalohany aloha, ho raisiko ilay dossier avy ato amin’ny Papan’i Elisa. Dia ho raisiko koa ny dossier an-dry zareo izay manana titra ato. Izay no zavatra misy. Ianareo izay nanao fangatahana : iza avy no nantagaka ? Taiza avy no nangataka ? Izay izany ny zavatra iray.

Ry zareo ireto izany (TTF : zanak’i Madame Denise) dia nangataka 7 ares, fa rehefa natao bornes ilay izy, ilay fangatahana taty aoriana, tamin’ny 2006, dia lasa 28 ares 59 centiares. Voaraiko izay. Iza no nangataka taorian’izay ? Omeo ahy ny lisitr’ireo 28 tafo. Ho jerena aingana io miaraka amin’ny ao anivon’ny fitsarana…


Izao no ataon-tsika : ny zavatra tian-tsika apetraka eto amin’ny firenena dia Fitsarana mandala ny rariny, miaro ny vahoaka, mitsinjo ny vahoaka. Ho jeren-tsika amin’ny ankapobeny ary tena mahitsy ny fijery : miaro anareo rehetra aho : miaro ny ara-dalàna fa miaro koa ny ara-drariny. Izay no zavatra atao.

Ka ny ataontsika -ny ray aman-dreny tato moa niteny fa tsy misy toerana ipetrahana intsony izao- dia zarain-tsika roa ilay izy. Ianareo izay tsy manan-kialofana aloha, satria izany tribonaly izany ela dia ela -fa ezahako ny mijery an’io-, OMENA TANY IANAREO REHETRA. Efa misy tany izay hoe hanaovana tanàna vaovao ao Amparihy mahitsy. Rahampitso dia homena tany any ianareo. Homeko fanampiana ihany koa ianareo, hafahanareo manangana ny zavatra tokona ataonareo. Ny dossiers mikasika anareo ao Amparihy mahitsy tonga dia amboarina. Mba tsy hisian’izay resaka izay intsony tonga dia ho titrés-na amin’ny anaranareo. TONGA DIA MAHAZO TITRA IANAREO.

HO ANAREO ILAY TANY ! Fa ny tantaran’ny tany eto tsy mijanona hatreo an ! Fa ho jereko ny dossiers, ary mahatokisa ahy ianareo fa rehefa manana ny rariny ianareo dia miverina aminareo ny rariny. Raha manana ny rariny ny ato (TTF : zanak’i Madame Denise), azy ny rariny. Ampahitsina no anaovana izay zavatra izay. Fa izaho izao miteny izao, hanampy anareo ahy. Hitanareo izao an : ny olona matoa nomen’Andriamanitra fahefana –fa teo nisy nanaka ahy tsy ho aty : aza mankany ianao Président ! Tsy mety raha mankany ianao.- Dia hoy aho : izao an, matoa nomen’Andriamanitra fahefana, dia hitsinjo ny madinika, hiaro ny madinika. Ary raha tsy nandeha aty aho, tsy ho zakako ny alahelonareo. Izay no nankanesako taty. Tsy ho zakako ny fijalianareo…


Dia izao no zavatra ho atao : rahampitso ihany, hampiantso ny minisitry ny fanaovana tanàna vaovao (TTF : Sekreteram-panjakana Gérard Andriamanohisoa). Any misy tanàna efa ho zaraina. Tokony hamidy fa ny anareo tsy amidy fa tonga dia homena daholo ianareo. Hanampiana anareo, hasiako parc solaire, mba hampisy jiro anareo ; hanao ihany koa forage dia mba mahazo rano koa ianareo.


Mba tsy hisian’ny olana ohatran’izao intsony, tonga dia homena titra daholo ianareo. Misaotra antsika rehetra fa rehefa misy ny olana tsy maintsy misy ny vahaolana…

Misaotra antsika rehetra dia samia ho tahian’Andriamanitra daholo./.

Nanome ohatra tsara arahina ny Filoha Andry Rajoelina. Saingy tototry ny olona ratsy fanahy sy tia tena ao amin'ny fitsarana ao, toa tsy manan-kavana izy ireo, toa tsy Malagasy. Jereo tsara anie ny trano ipetrahan'ireny "olona" ireny eny amin’ny fiarahamonina e ! Ny loza amin'atambo dia mifampiaro ny mpanao ratsy sy ny mpanararaotra eto Madagasikara. Ka na ovana aza ny lalàna dia toa io "Haute Cour de Justice" io : tsy maintsy mandalo ao amin'ny Antenimierampirenena izay vao afaka enjehina ny mpitondra nanao na manao ratsy. Tena marina fa adin'ny mahay taratasy sy ny tsy mahay taratasy io resaka tany io eto Madagasikara. Fa adin'ny mpanambola sy ny tsy manambola ihany koa. Midadasika ity Nosy ity fa ny an'ny hafa hatrany no ezahin'ny sasany angalarina. Manozona taranaka daholo e.

Sary sy fandikana ny ampahan’ny fanambaranan’ny Filoha Andry Rajoelina hita sy re ao anatin’ilay vidéo :

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Mardi, 14 Février 2023 11:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024