]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Lola Rasoamaharo. Tsy mampigadra intsony akory ny asa fanaovan-gazety. Ka asa…

Lola Rasoamaharo. Tsy mampigadra intsony akory ny asa fanaovan-gazety. Ka asa…

Roland Hubert Rasoamaharo fantatry ny rehetra amin’ny anarambositra hoe Lola, tao an-tranony ao Ivandry

Araka ny vaovao niely nanomboka omaly sabotsy 25 marsa 2023 tao amin’ireo tambazotran-tserasera, indrindra fa ny Facebook dia nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora i Roland Hubert Rasoamaharo fantatry ny rehetra amin’ny anarambositra hoe Lola. Izany dia rehefa avy nanaovana fanadiadiana tao amin’ny Fitsarana ao Anosy Antananarivo.

Efa imbetsaka ihany i Lola no voantso fa hatramin’izay dia teny amin’ny biraon’ny « Cybercriminalité » hatrany. Tamin’io omaly io anefa, avy hatrany dia niakatra tribonaly (« comparution immédiate ») ary nampidirina fonja vonjy maika (« placé sous mandat de dépôt ») mandra-piandry ny fitsarana azy.


Inona no antony ? Izay fanontaniana izay no eo am-bavan’ny ankamaroan’ny olona. Amin’ny maha mpanao gazety efa 40 taona mahery ahy dia afaka milaza fa tsy resaka fanaovan-gazety mihitsy no antony, indrindra f’efa miatrà nanomboka ny taona 2020 ilay Lalàna mikasika ny « Code la Communication médiatisée » noavaozina. Manahirana indraindray ny teny malagasy fa izao no tena anarany : « Loi n° 2020-006 portant modification de certaines dispositions de la Loi n° 2016-029 du 24 août 2016 portant Code de la Communication Médiatisée ». Izany hoe Lalàna 2022-006 manova ny andin’ny sasan-tsasany ao amin’ilay Lalàna 2016-029 natao hoe Làlana Andrianjato na « Code de la Communication liberticide » mihitsy tamin’ny fotoan’androny… Ny mpanao gazety matihanina no mahalala tsara ny antony…

Vita hatreo ny jadona tamin'ny andron'ingahy Rivo Rakotovao sy i Vonison Andrianjato, minisitry ny Serasera tamin'ny fitondra Hvm tena nanao fitaovana politika io asan-gazety masina io tokoa. Ny zava-baovao koa ankehitriny dia tsy ny ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera intsony no misahana ny tontolon'ny fanaovan-gazety eto Madagasikara fa ny Holafitry ny Mpanao gazety fantatra amin'ny hoe OJM. Mbola misy "mpanao gazety" minia tsy mahalala izany...

Ao amin’ny andininy faha-20 noavaozina ao anatin’io Lalàna 2020-006 tokoa mantsy dia mazava fa tsy misy intsony ny fanagadrana mpanao gazety fa lamandy no saziny raha toa izy ka voamarina eny amin’ny Tribonaly fa nanao fahadisoana ao anatin’ny asany. Io ilay atao hoe « délit de presse ».

Ny vontoatin'ny andininy faha-32 tamin'ny Lalàna teo aloha dia milaza fa eo anatrehan’izany « délit de presse » izany dia tsy ny tompon’ny gazety mihitsy no voatondro ho tomponandraikitra mivantana fa ny « Directeur de la publication », na ny « Rédacteur en chef », na ny « auteur » izany hoe ilay nanoratra ny lahatsoratra voatondro ho « délit de presse ». Ny dikany dia tsy tokony i Lola Rasoamaharo mihitsy, amin’ny maha tompon-gazety azy no nampanantsoina. Tadidio tsara fa ny taona 2014 dia i Jean-Luc Rahaga (« Directeur de la Publication ») sy Itompokolahy Didier Ramanoelina no nogadrain’ingahy « Ministre d’Etat », Rivo Rakotovao, fa tsy ny tompon’ny gazety « Madagascar Tribune » mihitsy. Fa mbola miatrà ireo fepetra ireo hatramin'izao

Mbola miatra ireo fepetra ireo fa tsy misy intsony izany fanagadrana mpanao gazety izany rehefa voaporofo fa "délit de presse" no nataony ka lamandy hatrany no sazy hampiarina

Matoa izany i Lola nentin’ny mpitandro filaminana any amin’ny tribonaly avy hatrany, dia io ilay hoe « comparution directe » mitovy ny any an'ny zanak’Itompokolahy Manandafy Rakotonirina, satria resaka ivelan’ny fanaovan-gazety no antony. Io ilay hoe « délit na infraction de droit commun ». Io amin’ny teny frantsay io no manazava azy tsara : « Une infraction de droit commun désigne un acte interdit par un texte législatif ou réglementaire quelconque. Ce type de délit peut ainsi être considéré comme une infraction pénale. On peut ainsi dire qu'une personne ayant violé certaines règles est en infraction de droit commun ».

Izany hoe tsy ny « Code de la Communication médiatisée » intsony no lalàna mifehy eto fa ny « Code pénal » izay mifehy ny heloka bevava miisa telo dia : «Contraventions, délits ary crimes ».

Ka mitodika amin’ny rehetra aho : aoka samy miandry izay ho tohiny fa tsy mamorom-porona zavatra tsy voaporofo satria misy tokoa ireo lalàna manaraka eo ambany ireo, mikasika ny "délit de droit commun". Tsy misy afaka milaza hoe : izaho tsy nahalala. Satria tsy misy olona tokony tsy hahalana ny Lalàna velona ary tokony hajain'ny tsirairay. Manam-potoana daholo izany ny rehetra handika ireo andininy ireo, izay manankery avy hatrany. Ary eto aho dia mankahery an'i Lola satria tsy mora izany hoe "trano maizina" izany ara-baki-teny, ary mankahery ihany koa an'i Niry Andriamampianina, vadin'i Lola : feno sedra ity tany fandalovana ity fa mila mijoro hatrany.


Jeannot Ramambazafy – 26 marsa 2023

Mis à jour ( Dimanche, 26 Mars 2023 10:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...