Tsy hiverenako intsony ny momban’ity ramatoa efa hananinka ny 44 taona tsy gasy tsy vazaha ity fa nandositra ny firenena malagasy rehefa nanompa ny mpitandro filaminan’i Madagasikara (Dago), tamin’ny fitondrana HVM…
Izany sisa no ho tadidin’ny vahoaka malagasy maro an’isa izay manaraka tsara ny voalazan’ny Ohabolana 14 : 15 ao amin’ny Baibolin’ny Krisitiana tsy ankanavaka : « Ny kely saina mino ny teny rehetra ; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany ». Ndao ary.
Ny zom-pirenena dia iray amin'ireo singa mandrafitra ny satan'ny olona iray, izay ametrahan'ny Lalà na torohevitra eo anatrehany. Indrindra indrindra momban’ny zo hanajana ny fiainana manokana (« vie privée ») izay mila arovana amin'ny fidiran'ny olon-kafa ao amin'ny sehatry ny tsiambaratelon'ny tsirairay.
Noho izany, ny fifampidinihana sy ny fampitam-baovao momba ny angon-drakitra manokana dia tsy maintsy hamarinina fa ho an’ny tombontsoan’ny daholobe marina, ary ampiharina amin'ny fomba sahaza sy mifanaraka amin'izay tanjona izay.
Amin'izao zava-misy izao, dia manan-jo ve isika – ara-bakiteny sy ara-panoharana – hanontany tena raha marina tokoa fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka ny famoahana amin'ny tambajotra sosialy ny zom-pirenena roa ananan'Andriamatoa Andry Rajoelina ? Tena mahasoa ny vahoaka ve izany sa mifanohitra amin'izany, ka tombontsoa manokana na/sy ara-politika mihitsy aza no mibaiko ny lalin-tsaina nanao izany ?
Ary izany, volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ka mahatonga ny sasany mazoto amin’ny fanilikilihana ny Filoha amin’izao fotoana izao ? Ka dia adika vilana ny andininy faha-46 ao amin’ny Lalà mpanorenana malagasy izay milaza fa “izay kandidà rehetra misahana ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy (…)”. Tsy misy filazana mihitsy ao fa hoe zom-pirenena malagasy IRERY IHANY.
Ary dia arosy koa ny voalazan’ny andininy faha-42, Lohateny faha-3, toko voalohany amin’ny didim-panjakana laharana faha-60-064 tamin’ny 22 jolay 1960, mikasika ny fizakana zom-pirenena malagasy : “Very zom-pirenena Malagasy, ny Malagasy ampy taona izay mangataka zom-pirenena vahiny an-tsitrapo”.
Io fepetra noraisina taoriana kelin'ny fiveranan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara io anefa dia zara raha nampiharina, hany ka tsy nampiasaina intsony mihitsy aza ka lasa toa haingon-dalà na sisa. Ary tsy eto Madagasikara ihany. Iangaviako ianareo mpamaky tia fahamarinana hitodika amin’ny lalà nan’ny zom-pirenena any Espagne, Allemagne ary Belgique. Ao amin’ity firenena farany ity dia izao no voalazan’ny fehezan-dalà na momba ny zom-pirenena Belze ao amin'ny andininy faha-22, andalana 1, 1° : "Izay Belze rehetra tonga eo amin’ny faha 18 taona, ka mangataka zom-pirenena vahiny an-tsitrapo, dia manary ny maha Belze azy". Torak’izany ny any Espagne sy Allemagne, kanefa tsy nampiarina mihitsy izany tany fa lasa haingon-dalà na fotsiny ihany.
Mazava ho azy fa saika “copié-collé” amin’ny lalà na malagasy ireo, fa tsy misy mahafantatra hoe iza marina no nandika nitovy an’iza.
Na izany na tsy izany, ny ankamaroan'ny Fanjakana eto amin'izao tontolo izao dia manaiky ny fanà nana zom-pirenena roa na mihoatra ao aminy. Eny, na dia tsy mbola nisy fiovana mazava aza ny lalà nan’izy ireo. Ary ny zom-pirenena roa na mihoatra dia tsy mametraka olana intsony eo amin'ny lafin'ny lalà na iraisam-pirenena sy mikasika ny filaminana anatiny ao amin'ny firenena tsirairay.
Anisan’izany isika eto Madagasikara hatramin’izay, raha tsy mikasika an’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa (13 avrily 1906 - 09 may 1979) izay nandimby ny Filoha Philibert Tsiranana, ny taona 1972. Tsy vitan’ny hoe nanambady frantsay vavy izy fa sady nizaka zom-pirenena frantsay sy malagasy izy. Mbola tsy teraka i Fanirisoa Ernaivo tamin’izany. Sa nataony nahita « niaraka tamin’ny vava » koa raha teo izy ? Eto Madagasikara dia tsy misy mihitsy lalà na manery ny olom-pirenena hanao fanambarana amin’ny sata sivily (« Etat-civil ») fa manana zom-pirenena hafa izy, ka hafahana milaza fa « manao fanambarana diso » na « fandikan-dalà na amin’ny fanadinoina ninia natao ».
Marina fa ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany dia afaka manome ny atao hoe : « Certificat de nationalité malagasy ». Fa tsy voarakitra ao anatin’ny lalà na malagasy kosa anefa ny mikasika ny zom-pirenena roa na mihoatra izany. Tsy misy ihany koa ny taratasy manamarina (« Certificat ») izany.
Tena lalà na marina ve no nianaran-dry Fanirisoa Ernaivo sy Eric Rafidison ? Mampanontany tena tokoa an !... Fantatr’izy ireo ve, ohatra, fa ny Lalà na frantsay dia tsy manery olom-pirenena hafa lasa nizaka zomp-pirenena frantsay, hanary ny zom-pirenena niaviany ? (« La loi française n'exige pas qu'un étranger devenu Français renonce à sa nationalité d'origine »). Mazava be izany fa tsy voatery miaro ny tombontsoan’i Lafrantsa mihitsy ny Filoha Andry Rajoelina. Mafy ilay lainga fa ravan’ny Fahamarinana hatrany.
Tokony ho fantan-dry Faniry sy Eric kosa aloha fa misokatra ho an'ny mpanao lalà na, ary amin'ny fotoana rehetra, ny fanovana ny voarakitra teo aloha, na fanafoanana azy ireo mihitsy aza, raha ilaina, ka soloina amina fepetra hafa mifanaraka amin’izao vaninandro misy izao. Ary tsy misy manakana ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona tsy hizotra amin’izany mihitsy.
Izany dia tafiditra amin’ilay hoe « parallélisme des formes » azo adika amin’ny hoe fitovian’ny endri-dalà na. Ka na didy iray aza dia ampy hanitsiana mazava ny didy tamin'ny 1960, izay sady tsy niasa no tsy nampiarina mihitsy nandritra izay 63 taona izay. Fa tampoka teo dia indro ry « lalin-tsaina manam-pahaizana fara-tampony » fa nitsangana ka dia nanandrana toe-javatra tsy ho voafehiny mihitsy satria loza foana ho an’ireo niavihan’ny fanafintohinana (« malheur à ceux par qui le scandale arrive »). Nalefa daholo ny tsaho sy lainga rehetra azo atao handavoana an’i zandry kely ! Ny marina anefa marina ihany ary tokana tsy azo forononina.
Andriamatoa Macron : homeo azy ny zom-pirenena frantsay andrandrainy efa ela ihany, na dia tsy mendrika izany izy, fa mba « niady » ihany e ! Ho an’iza anefa ? Raha tsy izany kosa anie ho lasa « apatride » izy e ! Angaha ho sahy hiverina eto Madagasikara moa ? Mafy anie ireto izany enjehin’ny eritreritra izany e ! Mahavita ny tsy fanao mihitsy. Dia io i Fanirisoa Ernaivo porofo velona. Ny mba any isaorana azy ? Dia ny nandavoany an’i tompon’ny hotely A&C, Claudine Razaimamonjy, tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina. Fa dia naninona azy loatra re ny Filoha Andry Rajoelina e ?
Samia ela velona isika rehetra hahalana ny tena anton’izany lova ratsy apetrany ho an’ny taranany tsy ho gasy tsy ho vazaha raha izao no mitohy.
Jeannot Ramambazafy – 1 Jolay 2023