Ity mihitsy ilay ohatra amin’ilay fitenenana hoe « mamo miantso polisy ». Izy mpitsara voaraoka nandositra ao Frantsa indray no miseho manome lesona amin’izao fotoana izao ! Efa tsy to-teny intsony fa e e e ! Ny « camouflage » (fa tsy « maquillage » intsony) no atao bobaka be dia miseho azy ho virginy. Ireto ary misy fampahatsiahivina. Toa adino fa « le temps n’effacera jamais les crimes commis ». Fa tsy atao mahagaga raha mbola misy mihaino sy mino azy hatrany satria izay ilay toe-tsain-dRaolombelona malagasy : tsy ny fiainany no atao izay mahatsara azy fa ny an’ny olona hatrany no hidirana. TSIAHY.
Arak’ilay fitenenana hoe : « ela notoratorahana ka nahavoa mason’angatra ». Niampy ny ahy izany ny fitoriana an’i Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara teo aloha na SMM. Satria tokoa dia nitory azy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka taorian’ireo fanambarana tena mahamenatra sady mahatofoka nataony teo Mahamasina, ny 30 Oktobra 2018. Maro dia maro no nahita ary, indrindra indrindra, nandre fa toa mandeha ho azy ohatry ny karatr’i Naivo ny rediredin’ity mpitsara mba nanana ny naha izy azy ihany teo aloha teo. Tena tompon’ny tenany tokoa ve izy iny ?...
Mbola tsy azo natao n’inona n’inona aloha izy satria « kandida filoham-pirenena ». Fa rehefa vita ny fifidianana, any isika mahita azy, hoy Jaojoby izay. Tsiahivina fa nitsangana ihany koa ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Filankevitra ambon’ny Mpitsara na CSM (« Conseil Supérieur de la Magistrature »). Hiala tsiny ? Hifona ? Mety ho tsara fa ho tara daholo izany. Ireo ary ny fanambaran’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny an’ny Ministeran’ny Fitsarana ary ny an’ny CSM. Tsia, tsy mampalahelo velively izy fa manafintohina. Rehefa nanozona tsy niambahamba ary nihantsy ny mpitandro filamina dia tsotra ny amin’ity mpitsara may vava loatra ity: « Malheur à celle par qui le scandale arrive ».
Vita ary ny fifidianana fiodinana voalohany tamin’ny 7 Novambra 2018
00,28% no isan-bato azon’ny kandida Fanirisoa Ernaivo, tamin’ny anaran’ny ZAMA-PATRAM (ZAnak’i MAdagasikara-Parti. TRAvailliste Malagasy) tsy fantatra hoe taiza hatramin’izay, ary tsy hita n’aiza n’aiza intsony amin’izao fotoana izao. Marihina fa 36 no isan’ny kandida tamin’io fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018 io.
Ny volana novambra 2019, rehefa nandinika ny momba ny teny navoakan’ny vavany tao Mahamasina, ny 30 oktobra 2018, dia nanapakevitra ny Filan-kevitra ambon’ny Mpitsara (CSM) fa tsy isan’ny Mpitsara malagasy intsony i Fanirisoa Ernaivo manomboka io fotoana io. Ireo ny porofo rehetra fa izaho tsy toa azy mpamoron-dainga sy mpanompa sy mpanozona olona toa azy mandrakizay.
Ireto ny teny navoakan’ny vavany tsy voafehy. Mody nifona izy fa avy eo lasa nitsoaka any France. Manantena hahazo zo ana mpialokaloka ara-politika (« réfugiée politique »). Nefa ompa sy ozona ny mpitandro filaminana malagasy no nataony fa TSY NISY FANJAKANA NANENJIKA AZY MIHITSY ARY TAMIN’NY FITONDRAN’NY FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA IZANY. Koa inona no mahatonga azy manompa an’ny Filoha Andry Rajoelina raha vao mihiratra ny masony ? Vakio tsara, miampy io video ambony io. Fa tsy afa-bela amin’ny Tantara ikalakely maivana be ity :
« Ianareo mpitandro filaminana ireo, ekeko fa dia hoe baiko ny anareo fa misainà ihany, tena marina. Aiza ianareo no tsy vonovonoan’ny olona. Saika nalahelo ihany aho nahita an’ireo polisy notontan’ny olona « moëllons », mampitehiteny hoe : tsara ho azy izay. Tena marina e ! Mbola hahazo anareo rehetra izany. OZONOKO MIHITSY. Tena marina izany. Izaho tena nalahelo nahita ireo polisy telolahy nozeran’olona « moëllons ». Fa inona no nahatonga izany ? Izao ataonareo izao. Mampahatezitra olona ny zavatra ataon’ny miaramila, polisy, « gendarmes ». REHEFA TSY FALY, TONGAVA ETO DIA SAMBORY AHO ! Fa mbola ho hitanareo izany. Mbola telo iny no tratra. Fa raha tratran’ny olona ianareo NA NY FATINAREO HALEVINA AZA TSY HO HISY. Izaho tsy te-hahalala izany fa sambory aho raha mahasahy. Sady tsy azo hitondrana vehivavy any Tsiafahy. SSSsssss. Mahatsiravina a ! (Dia mbola nihomehy ihany izy) »./.
Tohizo hatrany aza manantena ho afa-bela. « On peut pardonner mais l’Histoire n’oubliera JAMAIS ! ».
Dossier : Jeannot RAMAMBAZAFY