Eto anatrehin’Andriamanitra sy ny Vahoaka malagasy, miniana aho fa hanatanteraka ny andraikitra maha minisitra ahy amin’ny asa fampandrosoana ny Firenena, am-pahamarinana sy ampamendrehana.
Tsy hikatsaka hafa tsy ny tombontsoa ambonin’ny Firenena sy ny Vahoaka malagasy. Hanao ny ezaka rehetra hanasoa ny vahoaka ary hitondra vokatra aingana sy azo tsapain-tà nana ao amin’ny departemanta izay sahaniko.
Ary raha tsy tanteraka ny asa sy ny fanamby nankinina amiko dia hametra-pialà na avy hatrany aho. Tsy hanao kolikoly ary manaiky fa ho enjehina sy ho ahitsy araky ny lalà na manan-kery raha sanatria manao izany.