Kigali 07 Avrily 2024. Io daty io dia nanamarika ny fanombohan'ny Kwibuka 30, izay fahatsiarovana ny faha-30 taonan'ny Fandripahana Tutsi, izay nanomboka tamin'ny 07 Avrily 1994. Ny Fahatsiarovana (Kwibuka) io Fandripahana ara-poko tao Kigali.
Ao Kigali -Renivohitr'i Rwanda- sy ny manodidina amin'io fotoana io dia hisy fahatsiarovana maro hatao hanamarihana ny fandripahana sy ny hetsika samihafa izay nitranga nandritra ny herinandro voalohany indrindra. Ny trano fisotroana, klioba ary trano fialamboly ho an'ny daholobe dia mihidy mandritra ny herinandro. Ny fisaonana manerana ny Rwanda kosa dia haharitra 100 andro.
Fa taorian’ny fampirehetana ny lelafo ao amin’ny Kigali Memorial Genocide ao Guisozi nataon’ny Filoha Paul Kagame mivady ary natrehin’ireo vahiny avy ivelany dia nanao kabary tao amin’ny BK Arena, ny Filoha Kagame. Mila fantatry ny Malagasy ny vontoatin’izany kabary izany, izay amin’ny teny anglisy. Iray ihany anefa ny fomba hahatongavana amin’izany. Koa dia nataoko adidy ho an’ny taranaka ny nandika io kabary io iray manontolo amin’ny teny malagasy. Ny tena tanjoko ? Vakio tsara aloha ity kabary ity. Avy eo sokafy ny adihevitra fa tsy hamelabelatra hevitra taingina ho ana tombontsoa manokana. Ndao aloha hamaky izay nolazain’ny Filoha Paul Kagame.
BK ARENA, ALAHADY 07 AVRILY 2024
KABARIN’NY FILOHA PAUL KAGAME
Ankehitriny dia feno alahelo sy fankasitrahana mitovy lanja ny fontsika. Mahatsiaro ireo namohy ny ainy isika kanefa feno fankasitrahana raha mijery ny fivoaran’ny Rwanda amin’izao fotoana izao.
Isika mbola velona amin'izao fotoana izao dia raiki-trosa aminareo (namohy aina).
Niangavy anareo izahay mba hanao izay azo atao rehetra amin’ny fitondrana ny enta-mavesatry ny fampihavanana eo an-tsorokareo. Ary manohy manao izany ho an'ny firenentsika isan'andro ianareo, ka toloranay fisaorana anareo.
Ao anatin’ny fifandimbiasan’ny taona, ny taranaky ny mbola velona dia miady mafy amin'ny faniriana mangina amin’ny mba hihaona amin'ireo havana izay tsy mba nifanerasera taminy mihitsy, na ireo izay tsy mba nanana ny vintana hoe mba niaina ve na tsia ny havany.
Mieritreritra anareo koa izahay androany. Ny ranomasonay dia mikoriana ao anaty, fa toa fianakaviana iray, manohy ny tolona izahay.
Tera-tany Rwandais tsy tambo isaina ihany koa no nanohitra ny antso ho amin'ny fandripahana ara-poko. Ny sasany tamin’izy ireo dia nandoa ny vidiny farany tamin'izany fahasahiana izany -ny fahafatesana izany-, ary manome voninahitra ny fahatsiarovana azy ireo isika.
Lavitra sy sarotra ny dianay. Voakasik’izany tanteraka ny Rwanda noho ny akadirin’ny voina, ary voasokitra ao anaty rà ny lesona voarainay.
Hita mibaribary anefa ny fandrosoan’ny firenentsika, izay vokatry ny safidintsika niarahana nitady ny fomba rehetra nanangana indray ny firenentsika.
Ny fototry ny zava-rehetra dia ny Firaisankina, ny Fitambarana ho iray.
Io no safidy voalohany: mino ny hevitry ny hoe Rwanda tafatambatra ho iray ary miaina mifanaraka amin'izany.
Ny safidy faharoa dia ny namadiana ny zana-tsipìkan'ny andraikitra, izay nanondro any ivelany, any ivelan'ny sisin-tanintsika.
Ankehitriny izahay, alohan’ny zava-drehetra, dia samy tompon'andraikitra daholo eo amin'ny tsirairay.
Fa ny tena zava-dehibe kokoa dia ny nisafidianay ny hieritreritra mihoatra ny faravodilanitra misy ny loza sy voina, ka ho lasa olom-pirenena manana hoavy izahay.
Anio koa dia misaotra manokana ireo namana sy solontena rehetra manerana izao tontolo izao izay manatrika eto, miaraka amintsika. Omem-boninahitra lalina ianareo noho ny fanatrehanao eo anilanay amin'izao andro mavesatra dia mavesatra izao. Ny fandraisana anjara nataonareo tamin'ny fanavaozana ny Rwanda dia lehibe ary nanampy anay ho tonga amin'izao misy anay izao.
Tiako ampahatsiahivina ny vitsivitsy amin'izy ireo, ary mangataka famelan-keloka noho ny tsy fahafahako manonona ny anaran’ireo rehetra mendrika indrindra.
Ao, Ohatra, ny Ogandà , izay nitondra ny vesatry ny olà na anatin’ny Rwanda nandritra ny taona maro, kanefa nomen’ny sasany tsiny mihitsy no setriny.
Nanampy anay nanomboka ny fanorenanay ny mpitondra sy ny vahoakan’i Etiopia sy Eritrea tamin’izany fotoana izany. Raha ny marina, ny Praiminisitra Abiy Ahmed, izay eto, dia mbola tanora dia tanora tamin’izany ary anisan’ireo « Casques Bleus »-ny Firenenana Mikambana misahana ny fandriampahalemana taorian'ny fandripahana ara-poko.
Ny Kenya, ny Burundi ary ny Repoblika Demaokratikan'i Congo dia nandray mpitsoa-ponenana avy aty Rwanda maro be ary nanolotra trano fitoerana maimaim-poana ho azy ireo.
Nanao toy izany koa ny Tanzania ary nitana anjara toerana tsy manam-paharoa ihany koa tamin'ny fotoan-tsarotra maro, anisan'izany ny fampiantranoana sy ny fanamorana ny fizotry ny fandriampahalemana Arusha (« Processus de paix d’Arusha »). Ary eto dia tsy maintsy manonona ny Filoha teo aloha Julius Nyerere aho, izay naneho ny toe-tsaina nametrahana ireo fototry ny fivoaranay ireo.
Ny Repoblikan'i Congo dia mpiara-miombon'antoka namokatra tamin'ny fanorenana sy ny fanorenana ary ny maro hafa tsy voatanisa ihany koa.
Firenena maro voasolo tena eto ankehitriny koa no nandefa ny zanany lahy sy vavy ho miaramilan’ny fandriampahalemana mpampihavana aty Rwanda. Tsy namela irery ny Rwanda ireo miaramila ireo. Ny Fianakaviambe iraisam-pirenena no nandao anay, tsy niraharaha anay, noho ny fanamavoana izany na noho ny fahakanosana.
Amin'ireo miaraka amintsika anio, dia miarahaba ny mananotena sy zanakavavin'ny Kapiteny Mbaye Diagne avy any Sénégal aho, miaramila izay mahery fo maty teo hampanavotana teratany Rwandais maro tamin'ny fahafatesana.
Tao amin’ny Filan-kevitry ny Fiarovana ao amin’ny Firenena Mikambana, tamin’ny 1994, dia avy any Nizeria, Repoblika Tseky ary Nouvelle-Zélande mihitsy aza ny fahazavana ara-moraly.
Nanam-pahasahiana ny masoivohon’ireo firenena ireo nanonona mazava ilay fandripahana ara-poko amin’izany anarany marina sy ara-drariny izany, ka nanohitra mafy ny fanerena ara-politika avy amin’ireo firenena miseho matanjaka kokoa ka te-hanafina ny fahamarinana. Ny masoivoho Ibrahim Gambari avy any Nizeria sy ny masoivoho Czech Karel Kovanda dia miaraka amintsika anio ary miarahaba sy mankatelina anareo izahay.
Na dia any amin'ireo firenena izay diso eo anatrehin’ny Tantara noho ny politikan'ny governemantany nandà ny zava-nisy, na nandritra ny fandripahana ara-poko na taorian'izay, dia nisy hatrany olona nisongadina sy nitsangana tamin'ny fahamarinany sy ny maha-olombelona azy. Hankasitraka azy ireo mandrakariva isika.
Ankasitrahanay ihany koa ny fanohanana mivaingana azonay avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka any an-dafin'ny kaontinay nandritra ny telopolo taona lasa : ny tany Eoropa, Etazonia, Azia ary ireo fikambanana sy mpanao asa soa iraisam-pirenena maro tsy tambo isaina.
Ohatra iray -amin’ny maro- miavaka amin'ny firaisankina aminay dia niala avy ao Afrika Atsimo. Eny tokoa, ny fanantenan’ny kaontinanta manontolo sy ny fanahiana dia hita tao anatin’ireo volana vitsivitsy tamin’ny taona 1994. Raha namarana ny Apartheid (politikan’ny fanavakahana ara-bolo koditra) i Afrika Atsimo sy nifidy an’i Nelson Mandela ho Filoham-pirenena, dia niaina ny fandripahana ara-po farany tamin’ny taonjato faha-XX ny taty Rwanda.
Ny Afrika Atsimo vaovao dia namatsy vola ireo dokotera Kiobà na mba hanampy anay Rwandais amin'ny fanarenana ny rafi-pahasalamanay efa rava ary nanokatra ny anjerimanontolo ho an'ny mpianatra rwandais, ka tsy nanpandoavina afa-tsy ny saram-pianarana eo an-toerana ihany.
Anisan’ireo mpianatra an-jatony izay nandray soa tamin’ny fahalalahan-tà nan’ny Afrika Atsimo, dia nisy kamboty tsy maty tamin’ny fandripahana ara-po ; ny sasany dia zanaky ny mpanafika; ary maro no sady tsy kamboty no tsy zanaka mpanafika. Fa ny ankamaroan’ireo mpianatra ireo dia lasa mpitarika eto Rwanda eo amin’ny sehatra maro samihafa.
Ankehitriny dia miaina fiainana vaovao tanteraka izy ireo.
Inona no tena lesona marina voaray eo amin’ny anton’iny fandripahana ara-poko iny sy momban’ny hasarobidin’ny aina?
Te-hizara tantara manokana aho, izay tazoniko ho ahy manokana hatramin’izay.
Ny zanak'olo-mpiray tam-po amiko, izay anabaviko ihany, Florence, dia niasa tao amin'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana taty Rwanda nandritra ny dimy ambin'ny folo taona mahery. Taorian'ny nanombohan'ilay fandripahana ara-poko, dia nihitsoka tao an-tranony teo akaikin'ny tobin'ny miaramila tao amin'ny Camp Kigali izy, niaraka tamin'ny zanak'anabaviny sy ny ankizy hafa ary ny mpiara-monina aminy, olona am-polony ny fitambarany.
Mbola niasa ny telefaona an-tranon'i Florence ary niantso azy imbetsaka tamin'ny telefaoniko satelita aho. Isaky ny niresaka izahay, dia vao mainka kivy izy satria tsy afaka tonga teny an-toerana mihitsy ny miaramilanay.
Rehefa nitsidika ahy tany amin’ny toerana nisy ahy ny komandin’ny iraky ny Firenena Mikambana momban’ny fandriampahalemana, ny Jeneraly Dallaire, tany Mulindi, dia nangataka azy aho mba hamonjy an’i Florence. Nilaza izy fa hanandrana.
Tamin’ny fotoana farany niresahako tamin’i Florence dia nanontany azy aho raha nisy olona tonga. Tsy niteny izy ary nanomboka nitomany. Avy eo dia hoy izy: « Paul a, tsy tokony hanavotra anay intsony ianao. Na izany na tsy izany, tsy te ho velona intsony izahay ». Dia nampiato ny fiantsoana izy.
Natanjaka be ny foko tamin’izany vanin-potoana. Somary nalemy anefa izy, satria azoko tsara izay tiany ho lazaina tamiko.
Ny marainan'ny 16 May, taorian'ny fampijaliana naharitra iray volana, dia novonoina avokoa izy rehetra, afa-tsy zanak'anabavy iray izay afaka nandositra noho ny fanampian’ny mpiara-monina tsara fanahy iray.Taty aoriana dia nipoitra fa nisy Rwandais, niasa ao amin'ny PNUD, nanolotra ireo Tutsi mpiara-miasa taminy tamin'ireo mpamono olona.
Tsaroan'ny vavolombelona tsy maty fa nankalaza ny famonoana an'i Florence izy ny alina taorian'ny fanafihana. Nanohy ny asany tao amin'ny Firenena Mikambana nandritra ny taona maro izy, na dia taorian'ny nipoiran'ny porofo momba azy aza. Mbola olona afaka izy izao ary monina any Frantsa ankehitriny.
Nanontany ny Jeneraly Dallaire ny zava-nitranga aho. Nilaza izy fa nifanena tamina sakana milisy teo akaikin'ilay trano ny miaramilany ka niverina izy ireo, izay ihany.
Nandritra izany fotoana izany, nampita tamiko izy ny baiko avy amin'ny masoivohon'i Etazonia mba hiarovana amin'ny fanafihan'ny milisy, ireo diplaomaty vahiny sy sivily mandao ny Rwanda miazo ny là lana mankany Burundi. Niara-niseho ireo tranga roa ireo. Tsy nilaiko akory ny fangatahana ahy anao zavatra niharihary toa tafika an-tanà na. Fantatro ny tokony hataoko.
*Fanazavana : I Paul Kagame dia lehiben’ny FPR (« Front patriotique rwandais ») izay nolazain’ny firenena sasany fa « milice mpanongam-panjakana ». Dia izy anefa teo no nasaina hiaro ireo diplaomaty vahiny sy sivily handao ny Rwanda tamin’izany fotoana izany.
Tsy manome tsiny ny Jeneraly Dallaire aho. Lehilahy tsara fanahy nanao izay fara heriny tao anatin’ny toe-javatra ratsy indrindra azo eritreretina izy, ary nitory ny fahamarinana foana, na dia teo aza ny vidim-piainana tsy maintsy nafoiny.
Na izany aza, amin'ny fifanoherana eo amin'ireo tranga roa ireo, dia nanamarika ny sanda mifatotra amin'ny karazam-piovana samihafa eo amin'ny fiainana aho.
Tamin’ny 1994, dia noheverina fa tokony efa fongotra tanteraka ny Tutsi rehetra, satria tsy tanteraka ny fandripahana izay nanery ahy sy ny olon-kafa an’hetsiny nanao sesitany telopolo taona talohan’izay. Izany no antony namonoana na dia ny zazakely aza, mba tsy ho lasa mpiady.
Tsy ho azon'ny Rwandais mihitsy hoe nahoana ny firenena iray no minia manjavozavo, miankanankana momba ny hoe iza no lasibatry ny famonoana olona. Tsy azoko izany. Ny tsy mazava toy izany raha ny marina dia endrika fandavana, izay heloka bevava mihitsy, ary i Rwanda dia hanohitra izany hatrany.
Rehefa nandositra nankany Zaïre, izay antsoina ankehitriny hoe Repoblika Demokratikan’i Congo, ny tafika mpamono olona, ​​tamin’ny volana Jolay 1994, niaraka tamin’ny fanohanan’ireo mpanohana azy avy any ivelany, dia nivoady ny handamina indray izy ireo ary hiverina hamita ilay fandripahana ara-poko.
Nanao fanafihana fampihorohoroana an-jatony eny amin’ny sisintany anatin’ny Rwanda izy ireo nandritra ny dimy taona manaraka. Tsy Ireo sisa velona ihany no nokendrena fa ireo Rwandais hafa tsy nety nanao sesitany ihany koa, ka an'arivony no maty indray tamin’izany.
Ny sisa tavela amin'ireo hery ireo dia mbola any amin'ny faritra atsinanan'i Congo amin'izao fotoana izao, izay mahazo ny fanohanan'ny fanjakana ao, ary eo ambanin’ny mason’ny miaramila miazona ny fandriampahalemana ao amin'ny Firenena Mikambana. Tsy niova ny tanjon'izy ireo, ary ny hany antony tsy nandravana ity vondrona ity, izay fantatra amin'ny anarana hoe FDLR, dia satria miaro tombontsoa manokana ny fitohizan'ny fisiany.
* Fanazavana : ny « Forces Démocratiques de Libération du Rwanda » na FDLR dia vondrona mitam-basy natsangan’ireo nanao ny fandripahana ara-poko tao Rwanda ka nandositra tany RDC (« République démocratique du Congo »). Tao izy ireo no nanangana ny FLDR ny 30 Septambra 2000. Ny tanjony : ny hazoan’ny foko Hutu fahefana pokitika ao Rwanda. Eo anelanelan’ny 6.000 sy 22.000 ny isan’izy ireo ao RDC. Ignace Murwanashyaka (sehatra politika) sy Sylvestre Mudacumura (sehatra ara-miaramila Abacunguzi) no mpitarika io FDLR io.
Vokany : Congolais Tutsi mpitsoa-ponenana avy ao RDC an'hetsiny no mipetraka eto Rwanda sy any ivelany. Adino tanteraka izy ireo, tsy misy drafitr'asa ho an'ny fiverenany soa aman-tsara tsy misy ahiahy ao RDC.
Tena naka lesona tokoa ve isika?
Mahita mpiantsehatra maro loatra isika, eny fa na dia ny Afrikana sasany aza, mandray anjara mivantana. Lasa maka toerana miovaova tsy misy farany ny politikan'ny foko, kanefa, etsy andaniny, toa voaomana sy ampiarina ny fanadiovana ara-poko.
Inona no nanjo antsika? Izany ve no Afrika tiantsika honenana? Izany ve ny tontolo iainana tadiavintsika?
Fampitandremana ny loza niatra teto Rwanda. Satria mety hitranga na aiza na aiza ny dingana mankany amin’ny fisaratsarahana sy ny « extrêmisme » (fanaovana vy very ny aina) izay mitarika any amin'ny fandripahana ara-poko raha tsy voafehy.
Nandritra ny fizotran’ny Tantara, ireo tafavoaka velona tamina habibiana faobe tsy roa aman-tany miatra aina olombelona, dia ampoizina foana fa hangina, hanivana ny tenany, na ho voafafa ny momba azy ary omena tsiny mihitsy aza noho ny fahoriany babeny. Fa ny fijoroana vavolombelona ataon'izy ireo dia porofo velona fa nisy ary misy firaisana tsikombakomba ary manakorontana ny tantara foronina izay mampionona ny tsy maka sarotra, ny tsy mandalina sy ny mpijery fotsiny.
Arakaraky ny andraisan'i Rwanda andraikitra feno amin'ny fiarovan-tenany sy ny fahamendrehany manokana, no vao mainka mitombo ny fanontaniana feno ahiahy mikasika iny fandripahana ara-poko.
Arakaraka ny fandehanan’ny fotoana, dia atao toy ny olon-dratsy ireo niharam-boina ao amin’ny haino aman-jery fehezin’ireo « matanjaka » sy « mahery » eto amin’izao tontolo izao, ary na dia izao fotoana fahatsiarovana io indrindra aza dia esoina hoe tetika ara-politika fotsiny ihany.
Tsy izany ary tsy mbola nisy izany.
Ny fihetsikay eo anatrehin’izany fihatsarambelatsihy izany dia rikoriko tanteraka.
Mahatsiaro isika satria zava-dehibe manan-danja aminay loatra ireo fiainana najanona tamina fomba feno habibiana ireo.
Tsy afaka mijanona ho tsy miraharaha ny fototry ny fandripahana ny Rwandais. Hifantoka tsara hatrany isika, na dia irery aza. Fa ny tadiavinay dia ny firaisankina sy ny fiaraha-miombon'antoka mba hamantarana sy hiatrehana ireo fandrahonana ireo miaraka, amin'ny maha-vondrona iraisam-pirenena antsika.
Misy Tantara hafa indray no hotantaraiko aminareo.
Indray alina, tamin’ireo andro farany nisian’ny fandripahana ara-poko, dia tonga nitsika ahy tampoka Jeneraly Dallaire, taorian’ny misasakalina. Nitondra hafatra an-tsoratra izy, izay mbola ananako ny dika mitovy, avy amin’ny Jeneraly frantsay mibaiko ny hery izay vao nalefan’i Frantsa tany andrefan’ny firenenay, dia ny « Opération Turquoise » izany.
* Fanazavana. Ny Jeneraly Jean-Claude Lafourcade no nitarika ny « Opération Turquoise » tany Rwanda fa tsy ny Jeneraly François Lecointre (Chef d’Etat-major des armées françaises, 2017-2021), Capitaine de l'infanterie de marine tao anatin’ilay « Opération Turquoise ».
Ilay hafatra dia nilaza fa havesatra ny fahavoazanay raha sahy hanandrana haka ny tanà nan’i Butare, any atsimon’ny Rwanda ny miaramilanay.
Nanome ahy torohevitra fanampiny ny Jeneraly Dallaire. Raha ny marina, nampitandrina ahy izy fa ny Frantsay dia manana helikoptera mpanafika sy karazana fitaovam-piadiana mahery vaika rehetra azo eritreretina, ka noho izany dia vonona ny hampiasa azy ireo hamelezana anay raha tsy manaraka ny votoatin'ny hafatra.
Nanontany an’i Dallaire aho raha mandeha ra toa anay ny miaramila frantsay; ary misy rà ve ao amin’ny tenanay ?
Dia nisaotra azy aho ary nilaza taminy fa tokony handeha haka aina sy hatory fotsiny izy, rehefa avy nampandre ny frantsay fa hanaraka eo ihany ny valin-teninay.
Ary izay no zava-nitranga.
Nalefako tamin’ny radio avy hatrany ny komandin’ny tafika nanananay tao amin’io faritra io, Fred Ibingira no anarany, ary nilaza taminy aho mba hiomana hifindra. Hifindra hiady.
Naka ary voafehinay ny tanan’ny Butare vao mangiran-dratsy.
Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, dia voafehinay tanteraka ny firenena manontolo ary nanomboka nanorina indray izahay. Tsy nanana basy nitovy amin’ny an’ireo nandrahona izahay, fa namampahatsiahy ny mponina fa tanintsika ity, tanindrazantsika ity. Ireo izay mandeha rà dia handeha rà eo amboniny.
Tsy nisy tahotra intsony ao aminay. Ny fanamby rehetra na ny fanalam-baraka dia vao mainka aza nahatonga anay ho matanjaka kokoa.
Taorian’ny fandripahana ara-poko dia niatrika olana izahay : ny amin’ny fomba hisorohana izany tsy hiverenany intsony. Ary dia naka lesona telo lehibe izahay avy amin'ny zavatra niainanay :
Voalohany : isika Rwandana sy Afrikana ihany no afaka manome lanja ny fiainantsika. Rehefa dinihina tokoa, tsy afaka mangataka amin'ny hafa hanome lanja ny fiainan’ny Afrikana mihoatra noho isika. Fototry ny adidintsika ny mitahiry fahatsiarovana sy mitantara ny tantarantsika rehefa niaina izany isika.
Faharoa : aza miandry fanampiana na mangataka alalana hanao izay tsara hiarovana ny olona. Izany no mahatonga ny sasany zary lasa manao vazivazy rehefa mandrahona anaya amin'ny zavatra rehetra, tsy fantany marina izay lazainy. Na izany na tsy izany, izany no mahatonga ny Rwanda amin'izao fotoana izao handray anjara amim-pireharehana amin'ny hetsika fiarovana ny fandriampahalemana ary koa manome fanampiana amin’ny fifanarahana amina firenena hafa (« assistance bilatérale ») ho an'ireo rahalahy sy anabavy Afrikana rehefa angatahina izany.
Fahatelo : tohero mafy ny politikan'ny rorono an-taviny na « populisme » ara-poko amin'ny endriny rehetra. Ny fandripahana ara-poko dia « populisme » amin'ny endriny voadio. Satria politika ny antony, tsy maintsy misy ihany koa ny fanafodiny. Izany no mahatonga ny politikantsika tsy mifototra araka-poko na ara-pinoana, ary tsy hisy intsony mihitsy izany.
Ny fiainan'ny taranako (« génération » na mitovitovy taona) dia fihodinana miverimberina amin'ny herisetra sy fandripahana ara-foko nandritra ny telopolo taona, nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1960 ka hatramin'ny 1994, ka hatramin'ireo famantarana hitantsika ankehitriny, ao amin'ny faritra misy antsika, amin'izao taona 2024 izao.
Tanora taranaka vaovao ihany no afaka manavao sy manavotra firenena aorian'ny fandripahana ara-poko. Ny andraikitray dia ny nanome azy ireo ny toerana sy ny fitaovana hanapaka ny tsingerina.
Dia nanao izany izy ireo ary vitany.
Ny manome fanantenana sy fahatokisana anay dia ireo ankizy hitanay tamin’ny seho teo aloha, na ireo tanora namorona ny fomban-drazana amin’ny Diabe ho Tadidina, izay hotanterahina any aoriana any, anio.
Ankehitriny, efa ho ny telo ampahefatry (3/4) ny Rwandais dia latsaky ny 35 taona. Na izy ireo izany tsy manana fahatsiarovana ny fandripahana ara-pok, na mbola tsy teraka tamin’izany.
Mpiambina ny hoavinay sy fototry ny firaisankinantsika ny tanoranay, manana toe-tsaina hafa tanteraka amin’ny taranaka teo aloha.
Ankehitriny, efa nandresy ny tahotra ny Rwandais rehetra. Tsy misy zavatra ratsy kokoa noho izay efa niainantsika. Firenena misy mponina 14 tapitrisa ny Rwanda, vonona ny hiatrika ny fikasana hanosika antsika hiverina.
Asehon'ny tantaran'ny Rwanda hoe hatraiza ny herin'ny olombelona ao anatin'ny tenany ao. Na inona na inona fahefana anananao, dia aleo ampiasaina hilazana ny marina sy hanaovana ny marina sy ny tsara.
Nandritra ny fandripahana ara-poko, ny olona, indraindray, dia nanana safidy handoa fahafatesana tsy dia maharary. Misy tantara iray hafa henoko tamin'izany izay mbola mipetaka ao an-tsaiko, dia ny momba ny vehivavy iray teo amin'ny sakana, tamin'ny fotoana farany niainany teto an-tany.
Namela lesona tokony harahin'ny Afrikana rehetra izy.Tsy havela ho faty intsony ny vahoakantsika – ary ny tiako holazaina dia tsy havela ho toa ny efa maty.
Rehefa nanontanian’ireo mpamono azy hoe amin’ny fomba ahoana no tiany ho faty, dia nobanjiny tsara ny mason’ireo mpamono olona ary nororany ny tarehin’izy ireo. Amin'izao fotoana izao, noho ny vintana ho mbola velona, ​​ny hany safidy azontsika atao dia ny hanana fiainana tiantsika hiainana. Misaotra anareo indrindra.
Nandika tamin’ny teny anglisy : Jeannot RAMAMBAZAFY
*Fanazavana : avy amin'ny fikaroako ireo fanazavana ireo fa tsy ny Filoha Kagame akory no nanome azy ireo
Antananarivo, 10 Avrily 2024