]
Les quotidiens du 30 Jun 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Ampanihy, 14 May 2024. Natombok'i Rtoa Mialy R. Rajoelina ny fanaovam-baksiny faobe hamongorana ny lefakozatra

Ampanihy, 14 May 2024. Natombok'i Rtoa Mialy R. Rajoelina ny fanaovam-baksiny faobe hamongorana ny lefakozatra

VIDEO

" (...) Ny aretina poliomyélite dia tena mampitondra takaitra ary mety hitarika hatramin'ny fahafatesana. Mifindra amin'ny alàlan'ny piti-drora, ny fifampikasoana amina olona mitondra ny tsimok'aretina, ny atsembohona, ny diky, ny fihinana sakafo tsy voaaro... Ora vitsy monja aorian'ny fidiran'ny aretina ao anatin'ny rafi-pitatitra na ny "système nerveux", dia tratry ny fahalemena tsy azo sitranina, "paralysie irréversible",  ny zaza na ny olon-dehibe izay tafiditry ny polyo-virus.


Tsy ny fahalemena ihany fa miteraka olana eo amin'ny taova pisefoana, "problèmes respiratoires", sy fainain-tainan'ny hozatra, "douleurs musculaires" ihany koa ny aretina polyomiélite. Ary mety ho voan'ny lefakozatra ihany koa na ny ankizy na ny lehibe ary tsy misy fitsaboana mahasitrana azy, hatreto, fa ny fiarovana no lalan-tokana hiadina aminy, dia tsy inona izany fa ny vaksiny irery ihany.


Voaporofo ihany koa fa ny famerenena ny vaksiny, na ny "rappel", mandritra ny fahazazana, dia ampy hiaro ny ankizy amin'ny androm-piainany ka azo antoka fa tsy ho voan'ny polyomiélite izy.


Tsara ny manamarika fa azo atao vaksinin'ny polyomiélite foana ny zaza mandritra ny hetsika faobe, na dia ireo efa nahazo izany tamin'ny vaksiny tany aloha aza.


Ao anatin'izao hetsika vaksiny faobe atombontsika androany izao, dia ho amafisina ny fanatanterahana izany eo anivon'ireo CSB sy any an-tsekoly. Tsapa ary fantatra ihany koa fa matetika ianareo dia voatery mandeha tongotra lavitra vao mahita toeranam- pitsaboana. Ka noho izany, dia nosafidian-tsika ny nitondra ny vaksiny manàtona ny vahoaka anamorana ny fankasitrahan'ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka vaksiny.


Koa mamporisika ny ray aman-dreny rehetra aho mba hahay andray ny tombontsoa avy amin'izany fanakekezan'ny mpiasan'ny fahasalamana eto aminareo izany. Entano ny mpiara-monina sy ny manodidina ary ampahafantaro azy ireo fa hitondra soa sy hitsinjo ny fahasalaman'ny zanan-tsika no atongavan'ireo mpanao vaksiny.


Hitsan-tsika mijoro manolohana antsika eto, ry zareo mpanao vaksiny. Maro ireo faritra eto Madagasikara efa nahavita namongotra ny polyomiélite. Ho antsika eto Ampanihy kosa, dia mila amafisina ny ezaka ary mampirisika sy mampahery ireo mpanabe rehetra ny tenako, tsy hikely soroka amin'ny fanatanterahana ny fanaovanam-baksiny any an-tsekoly.


Manentana ny ray aman-dreny ihany koa aho, hanaraka an-tsakany sy an-davany ny tetiandro voafaritra anaovana ny vaksiny (...)"
.

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

 

Mis à jour ( Mercredi, 15 Mai 2024 19:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...