« Malagasy miara-mientana amin’ny Fitiavan-Tanindrazana ». Io no tara-kevitrin'ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy izay natomboka tamin'ny fomba ofisialy, teo amin'ny Parvis eo alohan’ny Lapan’ny Tanà nan’Antananarivo ao Analakely.
Lanonana fananganan-tsaina izay notarihan'ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa Christian Ntsay, izay nisolo tena ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, no nanokafana izany ny Zoma 07 Jona 2024 maraina.
Nanotrona izany lanonana izany teny an-toerana ireo mpikambana ao anatin'ny Governemanta, sy ireo tompon'andraikitra ambony, miaramila sy sivily.
Anisan'izany ny Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanà nan'Antananarivo (PDS), Andriamatoa Richard Ramanambitana izay nanambara fa tokony iray fo ny olom-pirenena malagasy rehetra, amin’ny fankalazana miaraka sy am-pifaliana ity faha-64 taona niverenan’ny Falaheovantena.
Â
Ankoatra ny fananganan-tsaina sy ny dihy nataon'ireo tanora solontenan'ny lafivalon'ny Nosy dia nisokatra ihany koa ny fampirantiana momban'ny tantaran'ny Foloalindahy Malagasy izay tsy hifarana raha tsy amin'ny faha-25 jona 2024.
Jeannot Ramambazafy sy Andry Rakotonirainy