]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Filoha Andry Rajoelina nitsidika ny atleta tao amin’ny «Village Olympique » ao Paris

Filoha Andry Rajoelina nitsidika ny atleta tao amin’ny «Village Olympique » ao Paris

Ny Filoha Rajoelina, ny Atleta miisa 7 ; ireo Filoha ana taranja sy teknisianina mandrafitra ny delegasiona malagasy ; Rtoa Rosa Rakotozafy avy ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena, ny Masoivohin’i Madagasikara ao Frantsa ; Atoa Rija Rajohnson sy ny vadiny ; ny Minisitry ny Fanatanjahantena misolo toerana, Atoa Ramonjavelo Valery

PARIS, ALAHADY 28 JOLAY 2024. Tonga nitsidika ny atleta sy ny delegasiona malagasy tao amin’ny « Village des Jeux Olympiques et Paralympiques », ny Filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, notronin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa mivady.

Fantaro kely ny momban’io « Village des J.O. Paris 2024 ».

Toa izao ny fivelaran’ny Village des J.O. Paris 2024

52 hektara ny fivelarany ao anaty kaominina telo dia Saint-Denis, Saint-Ouen-Sur-Seine sy Ile-Saint-Denis. Atleta miisa 14.500 miampy ireo mambran’ny delegasiona avy no hipetraka ao, ary koa atleta manana fahasembanana miisa 9.000 handray anjara amin’ny « Jeux Olympiques ».

Misy « Polyclinique » tsy handoavam-bola ao ho an’ny atleta rehetra ary misokatra 7/7 andro sy 24/24 ora. Misy mantsy ny fiteny latina hoe : « men sana in corpore sano » midika hoe saina matsilo ao anaty vatana tomady.

Efitra goavana fanaovana fizaran-tena

Ao tsara ny sainam-pirenena malagasy !

Fa tsy adino ny sainam-pirenena grika, Firenena nipoiran’ny Lalao olympika tao Olympie ; ny sainan’ny Fivondronana Eoropenana misy an’ny Frantsa ary ny sainam-pirenena Frantsay satria ao Paris, Renivohiny no atao ny Lalao Olympika 2024. ALEFA RANKIZA A !

Ny Filoha Rahoelina sy ireo atleta malagasy miisa 7 nahatratra ny « minima » nafahany mandray anjara amin’ny J.O. Paris 2024. Resaka isan’ny fandresena nasionaly sy iraisam-pirenena ary fotoana tsara indrindra izany « minima » izany. Tsy ny komity olympika nasionalin’ny firenena iray mihitsy no misafidy izay hisolotena ilay firenena na koa misy resaka fiaviana. Ireo dia tokony hisy fanazavana goavana ao amin’ny TVM fa mbola misy ny Malagasy tery saina. ALEFA RANKIZA A !

Ny Filoha Rajoelina sy ny atleta ary ny filoha ana taranja efatra avy aty Madagasikara

Ny Filoha Rajoelina, ny Atleta miisa 7 ; ireo Filoha ana taranja sy teknisianina mandrafitra ny delegasiona malagasy ; Rtoa Rosa Rakotozafy avy ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena, ny Masoivohin’i Madagasikara ao Frantsa ; Atoa Rija Rajohnson sy ny vadiny ; ny Minisitry ny Fanatanjahantena misolo toerana, Atoa Ramonjavelo Valery

Nomarihin’ny Filoha Andry Rajoelina fa nandalo tao amin’ny Village des J.O. PARIS 2024 izy ny Alahady 28 Jolay 2024. ALEFA RANKIZY A !

Eny na dia efa raraka aza i Jonhatan (lomano) sy Fabio (tennis de table).


Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Lundi, 29 Juillet 2024 10:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30