]
Les quotidiens du 15 Oct 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara Herinaratra sy Rano. Miodikodina ny resaka satria miady irery ny Filoha Rajoelina, any ka…

Madagasikara Herinaratra sy Rano. Miodikodina ny resaka satria miady irery ny Filoha Rajoelina, any ka…

Manahirana mihitsy ireto miseho « manome lesona » ireto kanefa niaina sy nanana andraikitra teo amin’ny fitondrana ny Firenena malagasy ihany. Indrindra moa ireo izay mitovitovy taona amiko na ny mihoatra koa aza.

Tsy hiditra amin’ny lalina aho, tsy hamoaka anarana aho eto -fantatrareo hatrany izy ireo sy ireo tanora tarihiny ka lasa ratsy taiza- fa kosa hampiseho amin’ny alàlan’ny antontan’isa sy porofo an-tsary sy an-tsoratra mivaingana fa tsy hitovy na oviana na oviana ny tany aloha (hafa ny hoe taloha) sy ny ankehitriny. Diniho fotsiny ary aloha ny isan’ny mponina teto Madagasikara.

Fitondrana TSIRANANA

1960 : 5.073.342 no isan’ny olona monina teto Madagasikara

1970 : 6.639.751

Fitondrana RATSIKARA 1

1975 : 7.720.859

1990 : 11.882.762

FITONDRANA ZAFY

1993 : 13.020.100

1996 : 14.317.454

Fitondrana RATSIRAKA 2

1997 : 14.778.903

2001 : 16.709.665

FITONDRANA RAVALOMANANA

2002 : 17.211.934

2009 : 19.924.958

FITONDRANA TETEZAMITA ANDRY RAJOELINA

2010 : 21.731.053

2013 : 23.588.073

FITONDRANA RAJAONARIMAMPIANINA

2014 : 24.215.976

2018 : 26.846.541

FITONDRANA RAJOELINA 1

2019 : 27.733.134

2023 : 30.325.732

Mbola am-perinasa ny Filoha Rajoelina izao taona 2024 izao.


Raha resaka solika fotsiny no asiako teny kely dia izao : iza no nivarotra ny SOLIMA, hatramin’ny Raffinerie ao Toamasina ? Raha nofehezin’ny fanjakana io farany io tsy afaka nanao « monopole » mihitsy ireo mpivarotra solika vahiny ireo. Ny vokany ? Bokan’ny trosa mihaom-pampana ny JIRAMA izay anarany fotsiny hoe « orinasam-panjakana ». Raha notazomin’ny fanjakana malagasy io « raffinerie » io dia afaka nanafatra solika mivainga avy atsy Angola, ohatra, ary nodiovina tao ka ao ireo mpivarotra vahiny no afaka nividy. Tsy revin-gadra izany. Saingy ilay toe-tsainan’ny mpitondra tamin’izany mihitsy no tsy… izy. Tsy nandinika mihitsy fa hitombo anie ny isan’ny mponina e ! Hiova ny toe-trandro noho ny afitsoky ny zanak’olombelona e ! Tsy mitombona intsony, ohatra, ilay fiteny hoe: « Na ho ritra aza ala atsinanana  » (izany hoe noheverina fa tranga tsy hiseho mihitsy). Indrisy. Taloha tokoa izany.

Ao anatin’izay 64 taona lasa izay dia izao no nisy ny fotodrafitrasa efa teo tamin’ny fanjanahantany ary nisy no natsangana taty aoriana ka hatramin’izao. Tsy asiako resabe fa jereo kely ny tabilao, hoy ny mpitia fanatanjahantena :

HERINARATRA


Isaorana wikipedia tena mitahirin'ny arsivan'izao tontolo izao

Andekaleka ihany no zava-baovao naorin’ny fanjakana nanomboka ny taona 1978 ary nisokatra ny taona 1982. 142,1 tapitrisa dôlara no teti-bola nanangana azy tamin’izany vaninandro izany. Ny 22 Janoary 2022 dia nisy nirehitra tao ary nitarika fahasimbana goavana fa vaovonjy aingana. Marihina fa toho-drano na « centrale hydraulique » no ao Andekaleka, mamadika ny herin’ny rano ho angovo amin’ny alàlan'ny masinina telo atao hoe « turbines ». Saingy mandeha solika io fitaovana io. Lafo be noho ny antony nazavaiko eo ambony. Ary dia nanomboka bokan’ny trosa ny fanjakana miahy ny Jirama satria tsy nitsahatra nisondrotra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsenam-pirenena. Raha mba midina 20 ariary ohatra, dia vetivety dia miakatra 100 ariary. Ary rehefa alahady hatrany ka tsy ankiteniteny. « Vérité des prix », hono e ! Mitombo anefa ny trosa satria mbola "groupes" mandeha solika no ampiasain'ny any amin'ny faritra maro any. Iza no tompon'ireo ? Tsy ny fanjakana aloha...

Ny « centrales hydrauliques » ao Antelomita sy ao Mandroseza ary ao Mandraka dia tamin’ny fanjanahantany no namboarina. Ny any amin’ny faritra moa, araka ny efa voalazako eo ambony, dia migalabona izay manana « groupes électrogènes » goavana ka mampanofa izany amin’ny Jirama izay fanjakana ihany. Tsingerina helo na « cycle infernal » na koa « cercle vicieux » no misy. Ireo no zava-misy ara-bakiteny eto Madagasikara. Fitaovana no resahiko. Fa dia Bezoro Madame Koulkoul !

Ary hatreto dia mbola tsy nisy tomponandraikitra nandray ny andraikiny, dia ny minisitra notendren’ny Filoha izany. Vakio tsara ny manaraka.

Saika adinoko : nisy koa ny atao hoe "GRID". Inona moa izany ?

Alohan'ny hanazavako azy amin'ny teny malagasy dia izao ny fanazavana amin'ny teny frantsay : Un système photovoltaïque en réseau (ou “On-grid”) est communément appelé système connecté au réseau (« grid-tied »). Ce système nécessite une connexion au réseau électrique et fonctionne en synchronisation avec le service public. En cas de coupure de courant, ce système s'arrête de fonctionner.

Raha tsotsorinarafitra dia rafitra sy fitaovana mampiasa ny herin'ny masoandro mifandray amin'ny tambazotra elektrika. Raha tapaka ny jiron'ny Jirama, avy hatrany dia mandimby azy ireo "Grid" io.

Tsy hita eo amin'io sehatra io mihitsy ny fanjakana malagasy hatreto. Inona no antony ? Resaka rafitra io na "système". Adino ilay hoe : "gouverner, c'est prévoir" (ny fitantanana dia fanomanana hatrany).


Nidiran'ny AXIAN tanteraka ny sehatry ny angovo azo avy amin'ny masoandro. Ary dia hivarotra io amin'ny Colas izy mandritra ny 7 taona. Colas izay tsy niandry fa nanangana ny azy koa, roa taona lasa izay.


Tsara ilay valim-panontaniany, saingy tsy namaly izany fanamby ara-tsosialy sy tontolo iainana ny "groupe malgache AXIAN" eto Madagasikara

Ary mba aiza moa ny tohin'ireo fitaovana notazomin'ny seranantsambo ao Toamasina dia avy eo navoaka ka nanaovana famoahana nipoapoaka toa ny mahazatra ?

RANO


Raha mikasika ny rano indray no resahina dia iaraha-mahalala aloha fa mora iharan’ny rivodoza sy ny hain-tany ary ny tondra-drano ny Nosin-tsika, izay manimba ny foto-drafitrasa nisy sy misy. Ny fiovaovan'ny toetr'andro koa dia mahatonga ireo tranga ireo matetika miverimberina, izay mahatonga ny loharanon-drano sarobidy ho sarotra kokoa ny hiarovana. Inona avy moa ireo loharanon-drano ireo ? Aza adino fa ny rano fisotro (« eau potable ») no vontoatin-dresaka eto.

Mba firy moa ny Malagasy no mahalala ny fisian'ireo, indrindra ny toerana misy azy ireo ? Ny teny Ambohidempona izao no nasehon'ny fahitalavitra ary nitana angady mihitsy ny Tale Jeneralin'ny Jirama, Andriamatoa Ron Weiss, nanarina ny jiro sy rano tany Rwanda. Saingy mifanehitra amina toetra tsy mahazatra azy rehefa tonga aty Madagasikara...


Anjarana’ny JIRAMA no misahana izany rano azo sotroina izany. Noho izany manana toby fanadiovana miisa 67 izy misahana toerana fangalana rano miisa 80 manerana an’i Madagasikaraka. Fa aleho ny mkasika an’Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara ihany no resahina eto. 

Nitombo anefa ny filana, satria nitombo ny isan’ny mponina ao Antananarivo sy ny manodidina. Raha 2.904.000 tamin’ny taona 2017, dia 4.049.000 ny olona monina ao Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimon-drano, Antananarivo Avara-drano, amin’izao taona 2024 izao.


Mazava io ambony io fa tsentsina sy/na arafesina ka tsy mandeha efa ela ireo toerana fizarana ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina, eny na hatreny Ivato seranana… Fa very tsy mandeha any amin’izay tokony alehany ny rano aman-tapitrisany litatra fa very any ambany any fotsiny. Jerem-potsiny. Tsy misy izay tsy mahalala ny afitsoky ny Jirama rehefa « hanamboatra » : mandavaka n’aiza n’aiza, avy eo totofany kely fotsiny. Ilay namboarina tsy nety dia iny ilay rano fa mipatrika manimba ny làlana. Mila andro maro vao tonga ry zalahy satria toa tsy manao ny asany fanairana ny ao amin’ny Fokontany.

Hivereno jerena  ny tablio momban’ny rano eto Antananarivo. Afaka nosoloina daholo ny kojakoja simba na tsy mandeha. Fa dia navela ho lo tao daholo. fa ny "Oui, Monsieur le Président" hatrany no manakoako ao an-dapa ao. Iandrasana azy daholo fa tsy misy "sahy" mandray ny andraikiny fa toa tena miandry baiko hatrany. Ary mitohy io fomba ratsy dia ratsy io. Satria tena mikatso ny raharaham-pirenena rehefa tsy eo ny Filoham-pirenena. 

Tadidiko fa nisy "projet" ana "forage" niarahana tamin'ny Association Fitia ary Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra no minisitry ny rano tamin'izany

Nisy ity "projet" ity koa, ho an'i Madagasikara manontolo, fa dia tsy hita izay tohiny

Tsy mahagaga raha toa ka natsahatra tsy ho minisitry ny Rano intsony ingahy Ravokatra izay tsy dia nahomby loatra koa fony izy minisitry ny Angovo sy ny Harena an-kibon’ny tany… Nisy mihitsy fandaharana niarahana tamin’ny Association Fitia hanaovana « forages » ana rano. Ny mampalahelo dia mitsotsotra izy izao toa adino fa maro koa anie ireo « scandales » niseho fony izy ministry ny Angovo sy Harena an-kibon-tany e ! Ny IGM ("Institut malagasy de Gemmologie") moa dia vitany no nandrava azy tanteraka. Efa nanaovako lahatsoratra io (ETO) fa tsy nisy taitra e ! "Mahay", hono e ! « Nous sommes à Madagascar », hoy ilay namako izay…

Dia izao hilaza fa hifandrimbona « hiady mafy » daholo ny minisitra rehetra, mikasika io herinaratra sy rano io. « Toa tamin’ny Covid », hoy ilay minisitry ny Rano nandimby an’ingahy Ravokatra. O leiretsy a ! Mbola diso lalàna indray ary dia tsy miteny indray ny Filoha amin’izany. Izany ve no hitondrana ity firenena ity ? Izany ve ny ho tsaraina ireo 100 andro ? Tsy ho baranahina ny eny amin’ny minisitera tsy hisy minisitra izay lasa « experts en énergie » daholo tampoka ? SSssss…

Izany rehetra izany eo ihany fa misy koa lafiny iray tsy mba lazaina amin’ny vahoaka satria fantatry ny vahiny loatra ilay toe-tsaina tsy milamina misy eo amin’ny Malagasy samy Malagasy…

Inona no manakana ny Fanjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina hanery ireo vahiny monina eto Madagasikara ireo hanampy amin’ny fanafainganana ny fametrahana ny fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro sy rivotra (« énergies solaires et éolienne ») ? Manao anie ry zareo ary hamidy ny azy e ! Jereo ireto manaraka ireto. Teny frantsay fa misy notsipihiko menamena ny tokony ho fantatry ny Filoha sao kosa tsy misy mampahalala izy. Iza no mahita ?...

Enjana, araky ny fiteny ny tanora ankehitriny ity AXIAN ity. Satria dia any amin'ny firenen'ny Filoha Kagame izy no nividy toby mpamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro.

Mazava fa hivarotra herinaratra ny groupe « malgache » AXIAN an’i Hassanein Hiridjee. Ary tsy ho an'i Colas Madagascar ihany. An’ny rehetra tokoa ny masoandro. Fa na dia izany aza. Eto Madagasikara isika. Fa tsy eto ihany ny Groupe AXIAN no mahay mitady vola... ho azy. Mazava io ambony io : novidian’ny Axian Energy, sampanan’ny vondrona MALAGASY Axian, ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro « Gigawatt Global Rwanda -Agahozo-Shalom Youth Village » (ASYV) any… Rwanda.

Hiomehy sa hitomany ? Ity misy ny teny farany nataon’i Steve Jobs, milliardera namorona ny Apple, nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany. Ataoko teny frantsay dia hadikako teny malagasy.


Steve Jobs est mort des suites d’un cancer du pancréas à l’âge de 56 ans. Il était milliardaire avec une fortune de 7 milliards de dollars. Voici quelques-unes de ses paroles avant de quitter cette Terre de passage :

Allongé sur mon lit, malade, en repensant a toute ma vie, j‘ai réalisé que toutes les reconnaissances et la richesse sont insignifiantes face à la mort imminente.

En vieillissant, on devient plus sage et on comprend doucement qu’une montre à 30$ ou à 30.000$ indique la même heure ; que l’on conduise une voiture à 100.000 $ ou une à 2.000 $, on arrivera à la même destination.

Voici donc 5 vérités indéniables :

1. N’éduque pas tes enfants pour qu’ils soient riches ; éduques-les pour qu’ils soient heureux. Ainsi, en grandissant, ils comprendront la valeur des choses et non leur prix.

2. Mange ta nourriture comme un médicament, sinon tu devras manger des médicaments comme de la nourriture.

3. Ceux qui t’aiment ne t’abandonneront jamais, même s’il y a 100 raisons de renoncer, ils en trouveront une pour continuer.

4. Il y a une grande différence entre être un humain et être humain.

5. Si tu veux juste marcher vite, marche seul ; mais si tu veux aller loin, marche accompagné.


Steve Jobs dia maty noho ny homamiadan'ny pancreas teo amin'ny faha-56 taonany. Miliardera izy ary tafiakatra 7 miliara dolara amerikana ny harena manokana navelany tety an-tany. Ireto ny sasany amin'ireo teniny talohan'ny nandaozany ity Tany fandalovana ity:

Nandry eto am-pandriako aho, narary, nieritreritra ny fiainako manontolo, dia tsapako fa tsy misy dikany ny fankasitrahana sy ny harena rehetra manoloana ny fahafatesana mananontanona.

Ireto misy fahamarinana 5 tsy azo lavina :

1. Aza manabe ny zanakao hanan-karena; ampianaro ho sambatra izy ireo. Noho izany, rehefa mihalehibe izy ireo, dia ho takany ny lanjan'ny zavatra fa tsy ny vidiny.

2. Hano ny sakafonao toy ny fanafody, raha tsy izany dia tsy maintsy hihinana fanafody toy ny sakafo ianao.

3. Izay tia anao dia tsy hahafoy anao na oviana na oviana, na dia misy antony 100 ahafoizany anao aza, dia hahita antony iray foana ireo tia anao hanohy hitia anao.

4. Misy fahasamihafana lehibe eo amin'ny maha-olombelona sy ny maha-olona

5. Raha te handeha haingana ianao, mandehana irery; fa raha te-handeha lavitra ianao dia miaraha amin’olon-kafa.

Ankoatra izay dia misy resaka tena mahazendana ihany mikasika ny Firenena sy ny Banky iraisam-pirenena, mikasika ny Angovo. IZA marina no tsy nanatontosa ny asa nankinina taminy, nahatonga izao olana goavana eo amin’ny famatsiana ny jiro sy ny rano, indrindra eto Antananarivo Renivohitra ?


Tsy izany mantsy f’efa tamin’ny 17 Jona 2022 no nankatoavina sy nosoniavin’ny governemantan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena ny « Tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano fisotro eto Madagasikara » (PAAEP), mitetina 220 tapitrisa dolara. Io ampahan'ny "communiqué" -mitondra ny laharana : COMMUNIQUE DE PRESSE N° 2022/086/AFE- io ambony io nivoaka kosa ny 20 Jona 2022, ao amin'ny tranonkalan'ny Banky Iraisam-pirenena. Ny Tanjon’ity tetikasa ity ny hampitombo ny fahazoana rano amin’ny faritra Antananarivo Renivohitra sy amin’ny tanàna lehibe sasany ary hanatsarana ny asan’ny orinasan-drano sy jiron'ny JIRAMA.


Ho fanampin'izany, satria tratran'ny rivodoza nifanesy i Madagasikara tamin'ny fiandohan'ity taona ity, ity tetikasa ity dia novatsian'ny IDA « Crisis Response Window ». Ity famatsiam-bola ity ihany koa dia hanohana ny fanarenana taorian'ny rivodoza ary hanatsara ny faharetan'ny fotodrafitrasa sy ny fiomanana amin'ny andrim-panjakana misahana ny rano. Notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fanaovan-tsonia io Tetikasa io.

« Napetraky ny Fanjakana Malagasy ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro manerana ny Firenena. Ity tetikasa ity dia mifanaraka amin’ny vina ataonay ka ahafahana miantoka ny famokarana sy ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny tanàna manodidina », hoy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. « Misaotra ny Banky iraisam-pirenena isika, izay naneho indray ny fahavononany ho eo anilantsika amin’ny alalan’ny fanohanana sarobidy sy tsy tapaka amin’ny fiatrehana ireo fanamby maro atrehantsika amin’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara ».

Tokony samy mieritreritra lalina ny tsirairay manodidina ny Filoha izay tsy mikely aina hitady vahaolana, saingy misy tsy filaminana mihitsy eo amin’ny fitantan-draharahan’ny tsirairay. Aza adino fa raha be loatra ny Kapiteny manome baiko dia rendrika ny sambo no hiafarany. Ary rehefa mifanilika andraikitra dia ny tsy mahay no mahazo maka ka rendika ihany ny sambo. Olona tena mahay no ilaina fa tsy olona mody mahay. Amiko, tsy ny diplaoma no zava-dehibe fa ny toetra ara-panahy, satria mampiova anie io fahefana io e ! ary efa mandeha mihitsy ny "copinage" any ho any... Izany ve no hoe "hiady amin'ny kolikoly SSSSssss !

Hamaranako ity lahatsoratra haharomotra izay te-ho romotra (« qui se sent morveux se mouche »), ankoatra ny Filoha Andry Rajoelina, izay toa voafitaka matetika loatra (ary mitohy), dia nindramiko ny sarin'ilay mpanao sarimihetsika anglisy, Sir Anthony Hopkins, nandravahako io voasoratra ambany io :


“ When the person is bigger than the position, you will find them humble, helpful, and productive. When the position is bigger than the person, you will find them arrogant, conceited, and harmful.”

Lorsque la personne est plus grande que le poste, vous la trouverez humble, serviable et productive. Lorsque le poste est plus important que la personne, vous la trouverez arrogante, vaniteuse et nuisible.

Azo adika amin’ireto manaraka ireto koa izany :

Rehefa lehibe noho ny toerana ilay olona dia ho hitanao fa manetry tena sy manampy ary mamokatra izy. Rehefa lehibe kokoa noho ilay olona ilay toerana, dia ho hitanao fa hiavonavona, hanambany ny hafa, zava-poana no ho ataony ka hanimba ny tontolon’ny manodidina ny asa nampiandraiketrana azy ilay olona.

Marina sa tsia ? Asa f'efa maro izay ohatra ratsy niseho izay teto amin'ny firenena. Jereo, manomboka izao, ny manodidina anareo e!...

Dossier de Jeannot RAMAMBAZAFY – Dimanche 13 octobre 2024

Mis à jour ( Lundi, 14 Octobre 2024 04:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS