(...) Miara-mankalaza amin’izao tontolo izao ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy isika eto Madagasikara androany. Koa am-pifaliana no iarahabako ny vehivavy malagasy rehetra nahatratra izany. Ka ho mariky izany dia hiaraka anao lamako isika rehetra. Mahatsiaro manokana ihany koa ireo traboina aho, ary mankahery ireo fianakaviana tra-pahoriana noho ny rivo-doza izay nitondra takaitra tamin’ny Faritra maro teto amintsika. Koa miray fo tanteraka amin’izy ireo aho.
Ny 8 marsa dia fotoana iray ao anatin'ny taona handinihana, hanamafisana ny fanolorantena sy hanaovana asa mivaingana. Fanamarihana ihany anefa ny androany fa isika rehetra manatrika eto izao dia miara-mahalala fa isan’andro dia samy manana ny ady atrehany avokoa ny renim-pianakaviana sy ny vehivavy rehetra. Ho azy ireo no antony mahavory lanona antsika eto Mahajanga, Renivohitry ny Faritra Boeny androany.
Mankalaza ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy, manome voninahitra sy maneho fankasitrahana ny andraikitra lehibe sahanin'ny andriambavilanitra eo amin’ny fiarahamonina. Ny lohahevitra amin’ity taona ity, hoe «Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny Vehivavy sy ny tovovavy rehetra», dia manentana antsika :
- ho an’ireo zazavavy monina lavitry ny tanan-dehibe manonofy hanohy ny fianarany,
- ho an’ilay renim-pianakaviana miezaka mafy mba hamelomana sy hahatafita ny zanany,
- ho an’ireo izay miatrika ny eso-teny sy ny fandrabirabian’ny fiarahamonina,
- ho an’ireo izay mizaka ny vono sy ny latsa ao an-tokantrano,
- ho an'ireo vehivavy mpandraharaha mitady ny hevitra rehetra mba hampahomby ny sehatra misy azy.
Androany aho dia mitodika manokana amintsika vehivavy. Tsy amin’ny maha-vehivavy fotsiny ahy fa amin’ny maha-olona mahanfatatra sy mahatsapa hoe inona no iainanao.
Marobe sy mavesatra ny adidy, misy fotoana reraka ianao nefa mbola tsy maintsy mitraka, aleonao mangina na dia misy teny marobe tiana havoaka aza ao anatinao, manontany tena ianao hoe misy mahita ve ny ezaka ataoko ?
Androany dia tiako ny maneho fankasitrahana ho anao. Tiako ho fantatrao fa hita avokoa ny ezaka ataonao. Tsy misy tonga dia mafy izany vao tonga teto an-tany fa ireo dingana nolalovan’ny tsirairay avy no nanamafy antsika sy nahazoana tanjan-tsaina. Isika vehivavy rehetra manatrika ohatra eto dia ohatra mivaingana fa ny atao hoe matanjaka dia tsy midika akory fa tsy misy fisedrana fa ny zava-dehibe dia ny fahaizana miharina sy manarin-tena.
Eo anilan’ny lehilahy dia misy foana ny vehivavy : reny, vady, olon-tiana, zanakavavy, anabavy. Manaporofo izany fa manan-danja ny vehivavy, manan-kasina, tsy mora soloina, tsy mora adinoina.
Ny lehilahy sy ny vehivavy dia noforonina hiara-dalana, tsy hifanohitra fa hifanohana, tsy hifaninana fa hiara-handroso, ary izany indrindra no ilainay aminareo, ry lehilahy. Ilainay ny sorokareo hianteherana amin’ny sarotra, ilainay ny teny mamy avy aminareo raha sendra fahakiviana, ilainay ny fitiavanareo.
Isika rehetra miaraka no afaka manangana fiaraha-monina mirindra izay mametraka ny tsirairay amin’ny toerana sahaza azy.
Tsy kabary fotsiny ny fandraisan’andraikitra fa asa mivaingana. Nikarakara BOOTCAMP na «formation intensive» isika, izay nifantoka tamin’ny haitarika, ny fahaizana mitantana tetikasa, ary ny fandràharahana. Tovovavy miisa Dimanjato sy arivo avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no nisitraka izany. Hita sy tsapa fa tanora malagasy vonona, hilofo, hivoatra sy hiavotra izy ireo.
Nanatanteraka hetsika ho an'ny tontolo iainana ihany koa isika teto amin’ity toerana ity, nanadio ny « la plage », nanatsara ny Tanàna tamin’ny alalan’ireo « cocotiers ». Koa manentana antsika mba hitandro ny fahadiovana sy hikarakara ireo zavatra mahafinaritra napetraka ireo. Nanohy ny tetikasa fanarenana ny ala honko ihany koa isika, izay manampy amin’ny fiarovana ny nofon-tany sy ny rivo-doza. Loharanonkarena ho an’ny vehivavy sy ny fianakaviana maro izay mivelona amin’ny jono sy ny hazan-dranomasina ny ala honko. Miaro ny antsoina hoe: «biodiversité”» ary mitahiry «carbone», izay anisan’ny manatsara ny rivotra iainantsika mihoatra avo dimy heny noho ny ala fahitantsika. Izany rehetra izany dia mariky ny fandraisantsika Vehivavy andraikitra manoloana ny krizy ara-Tontolo iainana izay iainantsika.
Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny “Tranon'ny viavy mandroso” isika. “Toeran'ny fanantenana sy fanoitra ho an’ny ampitso tsy misy herisetra”, sehatra ahafahan'ny vehivavy mahazo torohevitra ara-psykolojika sy fampahafantarana ny zon’izy ireo.
Raha toa ka tany Antananarivo no niantombohan’ny fiarahamiasa tamin’ny Tetikasa HOPE dia anjaran’ireo ankizivavy mpianatra miisa telonjato (300) amin'ny kolejy sy lycea eto Mahajanga indray no nahazo fampiofanana. Ny lohahevitra nifampizarana dia ny hoe : “soratako ny hoaviko”.
- Nianatra ny fahatokisan-tena izy ireo, satria ny zazavavy iray mahatoky ny tenany dia afaka mamindra tendrombohitra
- Nampahafantarina azy ireo ny dingana afaka tanterahana satria mialoha ny hanatrarana ny nofinofy dia tokony ho fantatra ny zony
- Natoro azy ireo ihany koa ny fomba ahatongavana ho olom-pirenena mpandray anjara feno satria ilaina ny vehivavy sahy, miasa ary manana ny toerany eo amin'ny fiarahamonina
- Nomena torolalana momba ny fandraisana an-tanana ny safidy izy ireo, satria tsy tokony hisy vehivavy manaraka fotsiny ny fanapahan-kevitry ny hafa
- Namafisina tamin’izy ireo tsirairay avy fa azy ny vatany ka mila sahy mijoro ary mandà ny fanararaotana sy ny herisetra.
Nahaliana, nampihetsim-po, nafonja ary nanokatra ny sain’ireo mpiofana ny fifanakalozana.
Tompokovavy sy tompokolahy,
Mahafaly ahy manokana fa nasongadina ny ankizivavy tamin’ity taona ity.
Eny, ianao ry ankizivavy ! Ianao izay miaina ao anatin’ny tontolo feno fanamby sy sedra maro samihafa. Ianao izay matetika atao anjorom-bala nefa afaka mitondra fanovàna. Ianao izay manana faniriana mba hisy olona hanontany ny fihetsem-ponao, ny mba tena tianao. Nefa tsy omena safidy fa terena hanatanteraka fotsiny ny sitrapon’ny hafa.
Androany, dia tiako ny manamafy fa manana anjara toerana ianao, ry ankizivavy, manan-danja ny fanirianao, mendrika hotanterahina ny nofinofinao. Hatramin'izay dia noheverina ho haitraitra ny fanabeazana ny tovovavy. Marobe ireo voatery miala an-daharana an-tsekoly aloha loatra. Voafetra ho amin’ny andraikitra napetraky ny fiarahamonina ny hoaviny. Iarahantsika mahafantatra anefa fa mifanohitra amin'ny tokony ho izy izany ! Isika rehetra dia maniry ny ahita ny vehivavy sy ny ankizivavy Malagasy mitovy zo, mitovy vintana, mitovy hasina amin’ny lehilahy sy ny ankizilahy. Koa andao havadika ho asa ny teny ary hiaraka hanolo-tena amin’izany isika.
Ry Ray aman-dreny, Ianareo no tompon’ny lakile… Izao ankehitriny izao no anorenantsika ny hoavin'i Madagasikara, ary manomboka amin’ny fanabeazana ny zanantsika vavy izany. Tsy hitsahatra ny hanentana anareo aho hoe : « alefaso any an-tsekoly ny zanaka vavy ary tohano izy ho tafita hatramin’ny farany ».
Ny ankizivavy dia matsilo saina. Ary ireo mitàna ny laharana voalohany any am-pianarana matetika dia ny vehivavy. Izaho manokana dia resy lahatra sy manamafy fa ny ankizivavy nobeazina dia ho tonga :
- Vehivavy afaka mandrava ny sakana,
- Vehivavy mahaleo tena,
- Vehivavy mahay manoritra ny lalana hizorany,
- ary Vehivavy mitondra fampandrosoana ny Firenena iray manontolo.
Avelao hisokatra ho azy ireo ny varavaran’ny Hoaviny. Rehefa omenao azy ny fanalahidin’ny fahalalàna dia ho hitanao fa misokatra ho azy ny vavahadin'ny fampandrosoana. Aza terena hanambady aloha loatra izy. Aleo izy manova izao tontolo izao, toy izay hovain’izao tontolo izao amin’ny tsy rariny sy ny tsy fidiny…
Izany no hinoako, izany no handrandrain’i Madagasikara rahampitso.
Mankasitraka Tompokovavy, mankatelina Tompokolahy !
Mialy R. Rajoelina
Vadin’ny Filoham-pirenena malagasy
Filoha Mpanorina ny Association Fitia, 15 taona lasa izay
Nandray an-tsoratra ny feo : ekipan’ny madagate.org (Jeannot Ramambazafy sy Andry Rakotonirainy