]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une RAHARAHA BOEING 777 MIISA 5 TONGA TANY IRAN. INONA MARINA NO ATAO HOE FBI MALAZA MANERAN-TANY ?

RAHARAHA BOEING 777 MIISA 5 TONGA TANY IRAN. INONA MARINA NO ATAO HOE FBI MALAZA MANERAN-TANY ?

Misy dia tena mirediredy mihitsy ao amin’ny facebook ao, ka heverin-dry zareo fa mitovy amin’ilay “sĂ©rie FBI International” ny FBI, ka mampidi-kizo ny fahalalana ho an’ny maro an’isa ny tsy fahampiany fahalalany mifototra amin’ny fankahalana ny Filoha Andry Rajoelina. Ho avy ny Karma ry zareo fa tohizo foana aloha ny rediredinareo ! Izaho kosa hanazava ny marina momban’io FBI io.

Ny FBI, izay midika hoe Birao Federaly misahana ny Fanadihadiana amin’ny teny malagasy, dia Foibem-panadihadiana fototra an'ny governemantan'i Etazonia. Izy io dia azo atao hoe “zanaky” ny BOI (“Bureau of investigation” na Biraon'ny Fanadihadiana) izay nahorin’i Charles Joseph Bonaparte (izay Tonia mpampanoa lalàna tany Etazonia ary zafikelin'ny Emperaora Napoleon Bonaparte, tao Frantsa), tamin’ny taona 1908.

Ny taona 1935, ny BOI dia novana ho FBI fanta-tsika amin’izao fotoana izao. Ny teny filamatry ny FBI dia Fidelity (Tsy fivadihana), Bravery (Fananana herim-po), Integrity (Fahitsim-po sy saina).

Ny "FBI" dia Foibem-panadihadiana fototra an'ny governemanta federalin’ny Etazonia. Ny FBI dia sady sampana iray an’ny polisy ara-pitsarana (“Police judiciaire”) amerikana no sampana fitsikilovana anatiny (mitovy amin’ny CIS -“Central Intelligence Service” nisolo ny DGID eto Madagasikara- sy ny DGIS -“ Direction gĂ©nĂ©rale de la SĂ©curitĂ© intĂ©rieure”- ao Frantsa) natao hiady amin’ny heloka bevava voarindra, fampihorohoroana, fitsikilovana ary fandikan-dalĂ na federaly hafa.

Izany hoe any Etazonia ny FBI no tena “miasa”. Saingy nohon’ny resaka fampihorohoroana (“terrorisme”) indrindra tao aorian’ny fandaroana ny tranobe kambana roa ("Tours jumelles") “World Trade Center” tao New-York, ny 11 septambra 2001. Io taona io ihany dia nivoaka ny Lalàna atao hoe “USA PATRIOT Act”. Izy io dia manamafy ny fahefana mpampihatra lalàna amin'ny fanaraha-maso sy ny ady amin'ny fampihorohoroana IVELAN’NY Etazonia. Izany hoe io “USA PATRIOT Act” dia manitatra be ny fahefana manara-maso sy manadihady ny fampiharana ny lalàna, ka mitily, mikaroka ary manakana sy manasazy ny fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra.

IRAN SY ETAZONIA

Ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia sy Iran dia tsy nitsahatra niaratsy, indrindra hatramin'ny Revolisiona Iraniana tamin'ny taona 1979, izay nanaisotra an'i Shah Mohammad Reza Pahlavi, mpanjaka izay mpiara-miasa akaiky tamin'ny Etazonia. Taorian’izay revolisiona notarihan'ny Ayatollah Khomeini izay no nananganana ny Iran ho Repoblika Islamika teokratika, fantatra amin'izao fotoana izao amin'ny hoe Repoblika Islamikan’ Iran.

Nanomboka io taona 1979 io dia nosazian’ny Etazonia ny Iran. Ny antony ? Nisy ny natao hoe « krizin'ny takalon'aina Iraniana » nanjary fifanolanana iraisam-pirenena teo amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy Iran. Izy io dia niseho nanomboka ny 4 Novambra 1979 ka hatramin'ny 20 Janoary 1981. Inona no nitranga ?

Ny 4 Novambra 1979 hatramin'ny 20 Janoary 1981, izany hoe nandritran’ny 444 andro, nisy diplaomaty sy sivily amerikana roa amby dimampolo no natao takalon'aina tao amin'ny Masoivohon'i Etazonia tao Teheran. Mpianatra Iraniana no nanao izany fakan'ankeriny ("prise d'otages") izany.

Raha ny marina dia tsy azon‘ny vavon’ny mpitondra amerikana ity resaka « Repoblika islamika » ity. Any ka efa tamin’io taona 1979 io no nanomboka ny sazy amerikana momba ny fivezivezan'ny fiaramanidina sivily Iraniana, ary nohamafisina hatramin'izay. Ireo sazy ireo dia mikendry ny hamerana ny fidirana any Iran ireo kojakoja sy ny teknolojia ilaina amin'ny fikojakojana sy fanavaozana ny fiaramanidina sivily any. Tafiditra amin'izany ny fividianana raoplanina toa ny Boeing sy ny Airbus.

Nisy moa iny resaka Boeing 777-200 ER tonga tao Iran niala tany Shina iny, tamin’ny alalan’ny laharana malagasy (ER) vonjimaika nomen’ny ACM (“Aviation Civile de Madagascar”). Nibitaka ry mpahay tantara valamaty fa “hanasazy an’i Madagasikara ny Filoha Donald Trump !”. Tena tsy mahalala marina ny tena anton’asan’ny FBI. Rediredy re izao !

Matoa ny Praiministra Ntsay Christian nanambara f’efa misy mpanao “enquĂȘte” avy ao amin’ny FBI tonga eto Madagasikara dia satria nanaraka ny lamina izy. Izany hoe, tsy miditra fahatany amina firenena ivelan’ny Etazonia olon’ny FBI fa tsy maintsy manao izao manaraka izao :

Mila -ary tsy maintsy- manao fangatahana ara-pomba ofisialy amin'ny governemanta federaly amerikana, ny governemanta ana firenena ivelan’ny Etazonia. Rehefa ekeny dia fiaraha-miasa amin’ny sampana mifandray amin’ny “enquĂȘtes” (fanadihadiana) ataon’ny FBI no asa atao.

Izao no voalaza mazava, ataoko amin’ny teny frantsay vao hadikako teny malagasy :

Le FBI peut mener des enquĂȘtes dans des pays Ă©trangers, mais gĂ©nĂ©ralement, cela se fait en coordination avec les autoritĂ©s locales et sur invitation du pays hĂŽte. Le FBI a des pouvoirs et des lois qui lui permettent d'enquĂȘter sur des activitĂ©s criminelles et terroristes extraterritoriales, mais son action Ă  l'Ă©tranger est limitĂ©e par des considĂ©rations diplomatiques et la souverainetĂ© des autres nations. (Source : FBI).

Dikan-teny : Ny FBI dia afaka hanao fanadihadiana any amina firenena vahiny, saingy amin'ny ankapobeny, izany fanadihadiana izany dia atao miaraka amin'ny manampahefana eo an-toerana sy aorian'ny fanasan'ny firenena mpampiantrano. Ny FBI dia manana fahefana sy lalàna mamela azy hanao fanadihadiana momba ny heloka bevava sy ny asa fampihorohoroana ivelan'ny Etazonia, saingy ny hetsika any ivelany dia voafetra amin'ny fiheverana ara-diplaomatika sy ny fiandrianam-pirenen'ny firenena hafa.

Ary ny CIA ?

Ny CIA (Central Intelligence Agency), izay naorin'ny “NATIONAL SECURITY Act”, tamin'ny 18 septembra 1947, dia SAMPAM-PITSIKILOVANA amerikana, misahana ny fanangonana vaovao sy famakafakana momba ny firenena vahiny amin'ny anaran'ny governemanta amerikana. Ny CIA dia tomponantoka amin’ny ankamaroan'ny hetsika an-tsokosoko atao any ivelan'i Etazonia.

Raha tsorina : fantatry ny CIA daholo ny tranga rehetra misy maneran-tany satria raitra dia raitra ny fitaovany... Raha marina daholo ny rediredy navoakan’ireo mpankahala na ho any na tsia, efa ela ny Filoha Trump no “nanasazy" an’i Madagasikara.

Miandry ny vokatr’ireo fanadihaniana mbola ataon’ny FBI sy ny fanjakana Malagasy isika rehetra. Avelao hanoranoram-poana sy hirediredy hatrany ireo izay miseho lalin-tsaina. Fa mamorona, mandainga sy manompa olona ihany no tena kapaokan’izy ireo, tsy vavy tsy lahy. Avy eo miady an-trano...

Jeannot RAMAMBAZAFY

Antananarivo, 12 Aogositra 2025

Mis Ă  jour ( Mardi, 12 AoĂ»t 2025 16:32 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63Ú édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa CĂ©line Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financiÚres au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses ObsĂšques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30