]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Rajaonarimampianina mianakavy tany aminy Vatican

Rajaonarimampianina mianakavy tany aminy Vatican

Izao izany ny hoe « delegasiona ofisialy » nandaniana ny volam-bahoaka a ? Rajaonarimampianina mianakavy ireo, miampy ny minisitra Rivo Rakotovao, Filohan’ny antoko Hvm (fahatelo ankavia) sy Véronique Resaka, « chargée d’Affaires » malagasy ao amin’ny Masoivoho ao Parisy, any Frantsa (ankavanana indrindra)


Dia mbola fitaka indray no nataon’ny ao amin’ny fitondrana malagasy e ! Ny 26 Jona teo dia nalefa ny fampilazana ho an’ny mpanao gazety fa voaasa ara-pomba ofisialy ny Filoha Rajaonarimampianina hihaona amin’ny Papa Ray Masina François, any Vatican. Tampotampoka teo izany. Ka na dia nisy maty sy naratra aza teny Mahamasina, ny folak’andro, dia lasa ihany izy mianakavy, tsy nampilaza toa ny mpanao ratsy mitsaoka.

Tonga tany anefa izy rehetra, inona no teo ? Nambaran’ny Radio Vatican mazava fa fitsidiana manokana (« audience privée ») sy ara-pianakaviana (« familiale ») no nalehan’ilay Filoha malagasy tany, ny asabotsy maraina 28 Jona. Io sary io ambony io no porofo mivaingana tsy azo ivalozana ! Izany hoe tsy fitsidiana ara-pomba ofisialy na ilay hoe « visite d’Etat » akory. Raha ny marina izany dia tokony ny volany manokana no nandoavana ny saran’izy mianakavy nandehana tany Roma fa tsy ny volam-bahoaka mihitsy no nanaovana kàpoky ny tsy miala vola. Sady amin’izay efa mihaotra ny folo ny « delegasiona » nanaraka izy mivady.


Ny tao aminy Tvm moa dia natao toa tena fandraisana makotrokotroka ny fisehoan’ilay fitsidiana. Tena manozon-tena mihitsy anie ity Filoha vaovoa ity e ! Aiza ka : namely mafy ny rivo-doza Hellen tany avaratra tany. Lasa izy nandeha ho any Bruxelles. Noravana ny trano etsy Ankadimbahoaka, lasa ihany izy nandeha tany Israël. Tsy nisy teny fampiononana mitaratra ny maha-Malagasy avy any aminy mivantana mihitsy. Ary koa aminy maha ray aman-drenin'ny Malagasy tsy vaky volo azy.

Fa dia mihevitra mihitsy ve ity filoha vaovao ity, amin’izao andron’ny fifandraisana eo no eo izao fa ho takona ny tena zava-misy marina ataony ? Afa ny zavatra mivoaka ny vavany ary afa ny zavatra ataony. F’angaha dia laharam-pahamehana io fitsidiana ara-mpianakaviana ny Papa François io ? Samia miheritreritra lalina isika Malagasy rehetra fa ho ratsy ny tohin’ny tantara... Manao izay tiany atao ilay filoha vaovao satria voafidim-bahoaka. Ary na dia izaho manokana aza re fa dia tadiavina hanaovana antsojay. Satria matahotra ny marina ve e ? Tsotra ny teniko : aza manambàny tena amin’izany fa hahitsio dieny izao ny famindra. Zafy albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana. Tsisy izay tsy mahalala ahy ireo Filoha ireo. Tsy nisy na iray aza nitady biby kely taty amiko satria ny marina marina ihany. I Didier Ratsiraka aza nanome baiko hamoahana ahy taminy izaho tratra sambo-belona tany Diego. Sa hanao fisamborana « vaovao » ianareo ao ambony ao satria anisan'ny "mpanatsatso" ny tenako ? Eo isika mahita azy, hoy i Jaojoby izay.

Jeannot Ramambazafy – 28 Jona 2014

Mis Ă  jour ( Mardi, 01 Juillet 2014 20:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30