]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Rajaonarimampianina mianakavy tany aminy Vatican

Rajaonarimampianina mianakavy tany aminy Vatican

Izao izany ny hoe « delegasiona ofisialy » nandaniana ny volam-bahoaka a ? Rajaonarimampianina mianakavy ireo, miampy ny minisitra Rivo Rakotovao, Filohan’ny antoko Hvm (fahatelo ankavia) sy VĂ©ronique Resaka, « chargĂ©e d’Affaires » malagasy ao amin’ny Masoivoho ao Parisy, any Frantsa (ankavanana indrindra)


Dia mbola fitaka indray no nataon’ny ao amin’ny fitondrana malagasy e ! Ny 26 Jona teo dia nalefa ny fampilazana ho an’ny mpanao gazety fa voaasa ara-pomba ofisialy ny Filoha Rajaonarimampianina hihaona amin’ny Papa Ray Masina François, any Vatican. Tampotampoka teo izany. Ka na dia nisy maty sy naratra aza teny Mahamasina, ny folak’andro, dia lasa ihany izy mianakavy, tsy nampilaza toa ny mpanao ratsy mitsaoka.

Tonga tany anefa izy rehetra, inona no teo ? Nambaran’ny Radio Vatican mazava fa fitsidiana manokana (« audience privĂ©e ») sy ara-pianakaviana (« familiale ») no nalehan’ilay Filoha malagasy tany, ny asabotsy maraina 28 Jona. Io sary io ambony io no porofo mivaingana tsy azo ivalozana ! Izany hoe tsy fitsidiana ara-pomba ofisialy na ilay hoe « visite d’Etat » akory. Raha ny marina izany dia tokony ny volany manokana no nandoavana ny saran’izy mianakavy nandehana tany Roma fa tsy ny volam-bahoaka mihitsy no nanaovana kĂ poky ny tsy miala vola. Sady amin’izay efa mihaotra ny folo ny « delegasiona » nanaraka izy mivady.


Ny tao aminy Tvm moa dia natao toa tena fandraisana makotrokotroka ny fisehoan’ilay fitsidiana. Tena manozon-tena mihitsy anie ity Filoha vaovoa ity e ! Aiza ka : namely mafy ny rivo-doza Hellen tany avaratra tany. Lasa izy nandeha ho any Bruxelles. Noravana ny trano etsy Ankadimbahoaka, lasa ihany izy nandeha tany IsraĂ«l. Tsy nisy teny fampiononana mitaratra ny maha-Malagasy avy any aminy mivantana mihitsy. Ary koa aminy maha ray aman-drenin'ny Malagasy tsy vaky volo azy.

Fa dia mihevitra mihitsy ve ity filoha vaovao ity, amin’izao andron’ny fifandraisana eo no eo izao fa ho takona ny tena zava-misy marina ataony ? Afa ny zavatra mivoaka ny vavany ary afa ny zavatra ataony. F’angaha dia laharam-pahamehana io fitsidiana ara-mpianakaviana ny Papa François io ? Samia miheritreritra lalina isika Malagasy rehetra fa ho ratsy ny tohin’ny tantara... Manao izay tiany atao ilay filoha vaovao satria voafidim-bahoaka. Ary na dia izaho manokana aza re fa dia tadiavina hanaovana antsojay. Satria matahotra ny marina ve e ? Tsotra ny teniko : aza manambĂ ny tena amin’izany fa hahitsio dieny izao ny famindra. Zafy albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana. Tsisy izay tsy mahalala ahy ireo Filoha ireo. Tsy nisy na iray aza nitady biby kely taty amiko satria ny marina marina ihany. I Didier Ratsiraka aza nanome baiko hamoahana ahy taminy izaho tratra sambo-belona tany Diego. Sa hanao fisamborana « vaovao » ianareo ao ambony ao satria anisan'ny "mpanatsatso" ny tenako ? Eo isika mahita azy, hoy i Jaojoby izay.

Jeannot Ramambazafy – 28 Jona 2014

Mis Ă  jour ( Mardi, 01 Juillet 2014 20:28 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...