TVM sy RNM, Alahady 20 Septambra 2020 alina. Ho an’ilay hoe « Collectif des Parlementaires pour la restauration de l’Etat de droit, de la démocratie et de la bonne gouvernance » (fanontaniana napetrak’i Miora Hariniaina, mpanao gazety) tarihin’ingahy Senatora Olivier Rakotovazaha sy ny Solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre izay nilaza fa tsy ara-dalana ny nananganan’ny Praiminisitra ilay « Commission mixte paritaire » dia naverin’ny Praiminisitra Christian Ntsay, ny voalazan’ny Lalampanorenan’ny Repoblika malagasy faha-4 ao amin’ny Andaniny faha-96 :
Ny volavolan-dalà na sy ny tolo-dalà na rehetra dia dinihin’ny Antenimiera nandray azy voalohany vao ampitaina any amin’ny Antenimiera ankilany. Ifandimbiasan’ny Antenimiera roa tonta ny ady hevitra mandra-pisian’ny fandaniana rijan-teny tokana.
Raha toa ka tsy mety lany ny volavolandalà na na tolo-dalà na iray rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indroa ka misy tsy fifanarahan-kevitra tamin’izy roa tonta, na rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indray mandeha rehefa nanambara ny fisian’ny hamehana ny Governemanta, dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny Praiminisitra hamory vaomiera ikambanana isasahana (TTF : io ilay « Commission mixte paritaire ») izay ampiandraiketina fanolorana rijan-teny momba ireo fepetra mbola iadiankevitra.
Ny rijan-teny novolavolan’io vaomiera ikambanana io dia azon’ny Governemanta atolotra ny Antenimiera roa tonta mba hankatoavina. Tsy misy fanitsiana azo raisina raha tsy nahazoana ny faneken’ny Governemanta.
Raha toa ka tsy afaka mandany rijan-teny tokana iombonana ny vaomiera na tsy nolaniana araka ireo fepetra voalaza ao amin’ny andalana etsy aloha ilay rijan-teny, dia ny Antenimierampirenena, amin’ny alà lan'ny latsabato iandanian’ny antsasamanilan’ny mpikambana ao aminy no manapa-kevitra farany./.
Mazava fa fanoherana bontolo sy tsy am-piheverana ny an-dry Olivier Rakotovazaha sy Fidèle Razara Pierre mpanambaka vahoaka ka sahy mamadika ny tena lazain’ny Lalampanorenana. Asa hitondra an-dry zareo hankaiza fa raha ny vahoaka malagasy aloha dia efa tsy hisy ho voajonony intsony, satria mibahana loatra ny fanaratsiana sy ny fankahalana fa tsy hanakona velively ny asa ataon’ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina manerana an’i Madagasikara.
Jeannot Ramambazafy