]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Antananarivo. Tena marary mafin’ny… Asa ny Praiminisitra Christian Ntsay

Antananarivo. Tena marary mafin’ny… Asa ny Praiminisitra Christian Ntsay

O ry zareo a ! Tehirizo tsara mihitsy ny horonam-peon-dry tranon-dainga ao amin’ilay fandaharana nalain-tahaka, “Miara-manonja”, mikasika ny Praiminisitra Christian Ntsay nolazaina fa marary mafy any La Réunion ka efa misy solony ao ambony ao… Ilaina ireo atsy ho atsy satria tena mba misy fetrany ihany anie ny fandaingana sy ny fanelezana vaovao tsy marina e ! Ny sefon’izany mpandrebireby ny saim-bahoaka izany moa dia tsy iza fa ry Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre ary Vonison Andrianjato Razafindambo (ATO ny ho avin’izy ireo).

Raha ny marina anie dia tena mararin’ny… asa ny Praiminisitra Christian Ntsay. Androany Sabotsy 06 Febroary 2021 maraina ary dia nitsidika ny toby lehibe famatsian-drano (“Station de traitement d’eau”) eny Anosizato izy. Ny anton’io fitsidihana io dia ny fijerena ifotony ny fandehan’ny asa rehetra momba ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra ho amin’ny famatsiana rano madio an’Antananarivo.


Hamokatra rano hatramin’ny 100 m3 isan’ora ity toby lehibe ity, ary hamatsy ny sinibendrano ao Ambatondratrimo Ampitatafika; hanampy amin’ny famahàna ny olan’ny famatsiana rano amin’ny lafiny andrefan’Antananarivo, amin’ny faritra atsimondrano. Efa eo andalam-pahavitàna ny toby, ary heverina fa ho vonona tanteraka ao anatin’ny telo herinandro. Hoy indrindra ny Praiminisitra Christian Ntsay : “Miasa ho amin’ny tombontsoa iombonana, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, ny fitondram-panjakàna ary mitady vahaolana hatrany. Ahatsapàna izao zavatra hita izao hoe tsy mijanona fotsiny amin’ny vahaolana vonjimaika, fa miroso amin’ny vahaolana maharitra. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanjakàna amin’izao fotoana izao ny hanomezana rano ny Faritra rehetra eto Madagasikara, ka hijerena vahaolana mifandray amin’izany olan’ny famatsian-drano izany avokoa ny distrika miisa 119”.

Nomarihin’ny Lehiben’ny Governemanta fa ho an’Antananarivo manokana dia mahatratra 100.000 m3 isan’andro ny tsy fahampian-drano. Eo anatrehan’izany dia vahaolana telo (03) no nentin’ny fitondram-panjakàna : ny voalohany dia ny nanamboarana toby famatsian-drano lehibe faharoa ao Mandroseza, izay mamatsy rano hatramin’ny 40.000 m3 isan’andro; ny faharoa dia ny fanorenana toby famatsian-drano lehibe toy io ao Anosizato io amina faritra miisa 8 eto andrenivohitra, ary tsy ho ela dia handrakotra famatsiana ny faritra rehetra eto Antananarivo izany ; ny vahaolana fahatelo kosa dia ny fametrahana lava-drano manaraka fenitra ara-teknika (“forage”) amina fokontany maro, ka eo amin’ny 46 isa eo ny lava-drano efa vita.

Ny anton’izany fepetra izany, hoy ihany ny Praiminisitra Ntsay, dia ny hanatrarana ny fahataràna nohon’ny fihitaran’ny tanàna tao anatin’ny taona maro nifanesy, satria an-taonany maro no tsy nisy ny fanorenana fotodrafitrasa toy izao atao izao.

Jeannot Ramambazafy

Nanome ny vaovao sy ny sary: Seraseran’ny Primatiora ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo

 

Mis à jour ( Dimanche, 07 Février 2021 10:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...