Elisabeth Borne dia mpanao politika frantsay teraka ny 18 Aprily 1961 tao Parisy ary notendrenâny Filoha Emmanuel Macron ho Praiminisitra nanomboka ny 16 May 2022. Fa iza moa i Ramatoa Borne ?
Injeniera jeneralin'ny Tetezana, ny Rano sy ny Ala, i Ramatoa Borne, nianatra sy nahazo diplaoma avy tao aminâny « Ăcole Polytechnique » fantatra aminâny hoe « lâX » sy tao aminâny ENPC (« Ăcole nationale des Ponts et ChaussĂ©es »). PrĂ©fet tao amin'ny faritr'i Poitou-Charentes nanomboka tamin'ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2014, avy eo dia Talen'ny Kabinetran'i SĂ©golĂšne Royal tao amin'ny Minisiteran'ny Ekolojia ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2015. Taorianâizay dia Filohan'ny RATP (« RĂ©gie autonome des transports parisiens ») ny taona 2015 ka hatramin'ny taona 2017 i Elisabeth Borne.
Rehefa mpikambana hatraminâny ela tao aminâny antoko sosialista (PS) frantsay i Elisabeth Borne, dia niditra tao aminâny antoko « La RĂ©publique en marche » (LREM) natsanganâi Emmanuel Macron. Tsy nahagaga izany raha voatendry ho Minisitry ny Fitanterana izy, ny volana may 2017, tao anatinâny Governemantanâny Praiminisitra Edouard Philippe voalohany, teo ambanâny fiadidianâny Filoha Emmanuel Macron.
Taminâny volana jolay 2019, lasa Minisitry ny Tetezamita ara-tontolo iainana sy Firaisan-kinana izy, nisolo toerana anâi François de Rugy, izay nametra-pialĂ na. Ny taona nanaraka dia voatendry ho Minisitry ny Asa, ny Fanananâasa ary ny Fiverenana aminâny Asa izy, tao amin'ny governemantanâny Praiminisitra Jean Castex. Niditra tao amin'ny antoko « Territoires du ProgrĂšs » izy io taona 2020 io.
Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, nahalany fanindroany anâi Emmanuel Macron, dia voatendrinâity farany ho Praiminisitra i Elisabeth Borne, ny 16 may 2022. Izy izany no vehivavy faharoa nitana io toerana io tao amin'ny governemanta frantsay, telopolo taona taorian'i Edith Cresson, tao aminâny governemanta fahatelonâny fotoam-piasana faharoanâny Filoha François Mitterrand. Izany dia nanomboka ny 15 may 1991 ka hatraminâny 2 avrily 1992.
Ny hatsiarovako anâi Edith Cresson mandrakizay dia ny teniny tao aminâny filazam-baovao tao aminâny Tf1, ny volana may 1991, rehefa nanontanianâny mpanao gazety Jean-Pierre Rondeau mikasika ny «Bourse» na Tsenam-bola. Izao no valinteninâny Praiminisitra Edith Cresson taminâizay: « La Bourse, je nâen ai rien Ă cirer ». Azo adika aminâny hoe : tsy misy rahariako anâizany Bourse izanyâŠ
Jeannot Ramambazafy - 17 May 2022