]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Parisy. Fihoanamben’ny Frankôfônina faha-19. Ny tsara ho fantatra

Parisy. Fihoanamben’ny Frankôfônina faha-19. Ny tsara ho fantatra

Ny volana mey 2019 no nihaona voalohany, tao amin’ny Foiben’ny OIT (« Organisation Internationale de la Francophonie »), ao Parisy, ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa Louise Mushikiwabo, Sekretera jenaralin’ny OIF

Ity Fihaonamben’ny Frankôfônina taona 2024 ao Parisy ity (4-5 Oktobra), izay fantatra ihany koa amin'ny hoe « Sommet de Villers-Cotterêts », dia ho fotoana ahafahan'ireo firenena mpikambana ao hamaritra indray ny stratejia ao amin'ny Frankôfônia sy hifandinika momba ireo olana samihafa misy ankehitriny, eo amin’ny lafin’ny Fanatontoloana, ny Demokrasia, ny Filaminana ankapobeny, ny Fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpikambana ary ny Fanabeazana. Anisan'ny tanjona lehibe amin'ity Vovonana ity ny resaka Fiteny, Tontolo nomerika, jeopolitika ary ekonomika.


Fa ny tena zava-dehibe izay mampifantoka ny sain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny OIF ankehitriny dia ny anjara andraikitry ny teny frantsay eo amin’ny Kolontsaina, ny Fanabeazana, ny Demokrasia, ny fomba Fitantanàna (« gouvernance »), ny Fampandrosoana maharitra ary ny fametrahana ny Fandriampahalemana, ny Filaminana ary ny Fanjakana tan-dalàna ao amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OIF.

Mandray anjara amin’io Fihaonam-ben’ny Frankôfônina faha-19 io ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, izay efa any an-toerana, miaraka amin’ny Ramatoa Mialy vadiny sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny governemanta malagasy ary mpiasa ao amin’ny Prezidansy sy ireo mpanao gazety hanaraka ny fizotran’izany Fivoriam-be izany.

Ny lohahevitr’ity Fihaonamben’ny Frankôfônina faha-19 ity moa dia : « Créer, innover et entreprendre en français » azo adika hoe : « Mamorona, manavao ary manatanteraka amin'ny teny frantsay ».

Jeannot Ramambazafy

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30