]
Les quotidiens du 25 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Parisy. Fihoanamben’ny Frankôfônina faha-19. Ny tsara ho fantatra

Parisy. Fihoanamben’ny Frankôfônina faha-19. Ny tsara ho fantatra

Ny volana mey 2019 no nihaona voalohany, tao amin’ny Foiben’ny OIT (« Organisation Internationale de la Francophonie »), ao Parisy, ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa Louise Mushikiwabo, Sekretera jenaralin’ny OIF

Ity Fihaonamben’ny Frankôfônina taona 2024 ao Parisy ity (4-5 Oktobra), izay fantatra ihany koa amin'ny hoe « Sommet de Villers-Cotterêts », dia ho fotoana ahafahan'ireo firenena mpikambana ao hamaritra indray ny stratejia ao amin'ny Frankôfônia sy hifandinika momba ireo olana samihafa misy ankehitriny, eo amin’ny lafin’ny Fanatontoloana, ny Demokrasia, ny Filaminana ankapobeny, ny Fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpikambana ary ny Fanabeazana. Anisan'ny tanjona lehibe amin'ity Vovonana ity ny resaka Fiteny, Tontolo nomerika, jeopolitika ary ekonomika.


Fa ny tena zava-dehibe izay mampifantoka ny sain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny OIF ankehitriny dia ny anjara andraikitry ny teny frantsay eo amin’ny Kolontsaina, ny Fanabeazana, ny Demokrasia, ny fomba Fitantanàna (« gouvernance »), ny Fampandrosoana maharitra ary ny fametrahana ny Fandriampahalemana, ny Filaminana ary ny Fanjakana tan-dalàna ao amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OIF.

Mandray anjara amin’io Fihaonam-ben’ny Frankôfônina faha-19 io ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, izay efa any an-toerana, miaraka amin’ny Ramatoa Mialy vadiny sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny governemanta malagasy ary mpiasa ao amin’ny Prezidansy sy ireo mpanao gazety hanaraka ny fizotran’izany Fivoriam-be izany.

Ny lohahevitr’ity Fihaonamben’ny Frankôfônina faha-19 ity moa dia : « Créer, innover et entreprendre en français » azo adika hoe : « Mamorona, manavao ary manatanteraka amin'ny teny frantsay ».

Jeannot Ramambazafy

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA