]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Onitiana Realy Nanohitra ny fihetsika sy fitenin’ingahy filoha Rajaonarimampianina

Onitiana Realy Nanohitra ny fihetsika sy fitenin’ingahy filoha Rajaonarimampianina

Nalaza ary niely eran-tany izy nitomany teo ampikabariana. Toa variana tamin’io ny rehetra fa adino ny tena vaovao marina. Tsy iza no nitomany imasom-bahoaka izany fa i Onitiana Realy Vohariniaina, mpanao gazety nanentana ny fandaharana « L’invité du Zoma » tao aminy Tv Plus. Ny zavatra mitranga rehetra eo anivon’ity fitondrana ity dia efa voatsikerany daholo. Indrisy fa rehefa voatendry ho minisitra izy dia nangina tanteraka ary ny any mba fialany bàla dia izany « solidarité gouvernementale » izany. Adikao aza fady fa toa maharomotra ilay izy satria rehefa tsy mifanaraka amin’ny fomba fijerinao, tompoko, ny zava-misy sy atao dia miàla ny mety. Aiza tokoa moa ilay « honnêteté intellectuelle » nodradradraina mandritra ny taona maro?

Tonga anefa ny fahagagana tany Ambovombe tany. Eny: toa nifoha tamin’ny torimasony ity minisitra efa nahalala izany Kere izany fony izy mbola zazakely. Izy koa moa avy any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Raha nanaraka toa kofehy manara-panjaitra izy hatramin’izy minisitra -na dia be finiavana aza tam-boalohany-, ny 19 Febroary 2016 lasa teo dia nivantana tany amin’ingahy filoha Rajaonarimampianina mihitsy ilay teniny hoe : « aza mandany isika, na iray segondra fotsiny ary, amin’ fifanomezan-tsiny ». Izay ilay hoe: ny marina, izay tokana ihany, dia mipoitra ao anatina fotoana sy ora tsy ampoizina. Ary nasian'ny mpiara-miasa amin'i Ramatoa minisitra tsipika mihitsy tao anatin’ilay PDF (ETO) nalefany ho an’ny mpanao gazety. Satria tokoa mantsy, izao ny tenin’io filoha io tamin’izy nidina tao Beloha Androy, toa azon-javatra tsy tompon’ny tenany mihitsy, taorian’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina:


« Olona efa mba nitondra ihany; olona efa mba tao anatin’ny fitondram-panjakana ihany, fa inona no nataon’ireny? Tsy misy nataon’ireny! Mivezivezy fotsiny! Mitondra vola kely, mitondra eau Vive, hoy ny Chef de région teo. Tsy izany no ilainareo aty amin’ny faritra androy. Misy ny mamendrofendro anareo; misy ny mihazakazaka sahady any aloha any amina zavatra tokony tsy iazakazahana. Fa izahay dia tsy hamindra fo fa hiaraka hanohitra izany, Tompokolahy sy Tompokovavy ». Ndry!? F'iza moa ny minisitry ny Vola nitondra nandritra ny dimy taona be izao (2009-2014)? Izaho sy ny ekipan'ny madagate.org lazaina fa mamoaka « sary namboarina » sa ianao mampandainga masera?

Mbola nampian'i Onitiana Realy koa moa fa « hafa ny iainantsika any ambony latabatra any Antananarivo any. Avy any isika matetika no be filaza, dia milaza fa izao no vahaolana ho an’ny faritra Androy ».


Ny mahavariana koa dia ity. Efa tao Ambovombe izy ny voalohan’ny volana Febroary 2016. Ary ampitsikana tanteraka no nanomezany fanampiana ny olona tany. Efa fantany fa misy io Kere io. Tao amin’ny Tvm moa dia nilaza mihitsy izy fa izy no tany « talohan’ny sasany ». Anisan’izany « sasany » izany ingahy filoha feno fankahalàna…

Tsipihina eto koa fa tsy nisy nanatrika io atrik’asa any Ambovombe io na ny filoham-pirenena na ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo (vakio koa ato). Dia aiza amin’izay koa ary ilay « solidarité gouvernementale »? Ka ranomasom-beloma ve ny an’ity minisitra ity sa tena avy any amin’ny fony ka avelao ho avy izay ho avy? Mipetraka ny fanontaniana satria be ambo-po diso tafahoatra anie ity filoha ity sy ireo manodidina azy akaiky e!

 

Mba niseho tany ihany aloha ingahy minisitrim-panjakana, Rivo Rakotovao, fa toa ny maha filohan'ny antoko Hvm no nibahana tany Ambovombe tany, ivelan'ilay atrik'asa

Tsy fantatr'ireo tokony hanompo vahoaka ireo izany hoe fanetrehan-tena izany na dia kely aza. Ho fanta-tsika tsy ho ela ny valiny fa ity manaraka ity ny kabary manontolo nataon’ny minisitry ny mponina tao Ambovombe Androy (jereo ny sary hafa ato).

Jeannot Ramambazafy

********************************

LAHATENIN-dRAMATOA ONITIANA REALY MINISITRY NY MPONINA


Kabary fanokafana ny Fihaonambem-pirenena fitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny any Atsimo. Ambovombe Androy, 19 Febroary 2016.

Miarahaba antsika rehetra izay tonga eto. Feno ny efi-trano amin’ity andro anio ity. Zava-dehibe izany, mampiseho ny fahavononantsika hitady ny vahaolana tokoa ho an’ity faritra atsimon’ny Nosy ity. Marobe ny mpikambana ao amin’ny governemanta izay tonga eto androany. Tsy mitsangatsangana no ahatongavan’izy zareo eto. Manana ny andraikiny tsirairay avy ireo minisitra tonga eto ireo amin’ny fitadiavana ny vahaolana amin’ny olana mianjady amin’ity faritra atsimon’ny Nosy ity. Tsy vao izao fa efa nandritra ny taona maro.

Mangataka aho anefa androany, mandritra ny fotoana izay anaovantsika an’izao fikaonan-doha itadiavana vahaolana izao: aza mandany isika, na iray segondra fotsiny ary, amin’ fifanomezan-tsiny. Aza manome tsiny an’ireo izay nitondra antsika tamin’ny lasa fa andao isika hitodika any amin’ny ho avy. Fiaingana, “départ” vaovao no andrasantsika avy eto amin’ity fihaonana eto Ambovombe Androy ity. Efa mijaly loatra ny mpiara-belona amintsika. Misy ny asa maika ary efa manao an’izany isika rehetra. Ny eo anivon’ny governemanta efa nanao izay rehetra azo atao ho fanampiana ny mpiara-belona amintsika aty amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Eo koa ireo mpiara-miombona antoka amintsika (PTF) izay efa manao izay azony atao ihany koa. Ary eo ireo mpiara-belona amintsika, izay tonga aty amin’ny initiatives-ny manokana. Isaorana izany rehetra izany fa ny zavatra misy dia izao: voalohany aloha, mila apetratsika mandritra ity atrik’asa tanterahina eto ity ny isian’ny fandrindrana tokoa amin’ny fanampiana ny mpiara-belona amintsika aty amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, indrindra eto amin’ny faritra Androy.

Raha ny teti-bola fanampiana ity faritra ity no jerena, dia mampanontany tena hoe: fa maninona no mbola tsy mandroso ity faritra ity. Izay no mila jerentsika! Mety niparitaka loatra ve ny asa rehetra ka mety mahatonga izany olana izany? Izay no mila jerentsika fa tsy sanatria tsy hifanome tsiny? Izay no noteneniko teo hoe: andao isika hitodika amin’ny ho avy, tena mba hitondra ny vahaolana maharitra tokoa ho an’ity faritra ity.

Araka ny fantatsika : ity taona 2016 ity no taona voalohany fampiharana ny antsoina hoe ODD (Objectif du développement durable) na ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra: izany hoe tsy tara isika fa tafiditra tanteraka ao anatin’izany fanatanterahana ny ODD izany, na ataoko hoe androany aza isika vao hanomboka.

Ho antsika mpandray anjara: mangataka antsika hifantoka amin’ny olana tena manahirana ny mponina. Aoka tsy ho lany andro amin’ny ady hevitra isan-karazany izay misavoana isika fa ny tena mahakasika ny olana iainan’ny mponina no jerentsika. Voalohany amin’ izany, resahantsika foana ny resaka rano. Inona no tolo-kevitra avy amintsika Malagasy: izay no tena zava-dehibe.

Matoa notanterahantsika aty Ambovombe izao fihaonana izao, fa tsy hoe natao tany Antananarivo - dia any anatin’ny hotely tsara be isika no mitady vahaolana - fa nentina aty mihitsy, dia mba hahita ny zavatra ety ifotony. Mety nisy tsy fahalavorariana teo, tamin’ny fandaminana rehetra fa izany rehetra izany, tsara hitan’ny masontsika koa hoe: izao anie no “réalité”, izao anie no zava-misy aty ifotony aty. Fa hafa ny iainantsika any ambony latabatra any Antananarivo any. Avy any isika matetika no be filaza, dia milaza fa izao no vahaolana ho an’ny faritra Androy.

Ka hofaranako ny teniko Tompokolahy sy Tompokovavy. Miangavy antsika tsirairay avy: aza laniana amin’ ady hevitra amin’ny « définition »: kere sa tsy kere ny any Androy? Aoka isika tsy handany andro amin’izany. Fa inona no vahaolana entitsika. Manana adidy isika androany satria andrasan’ny olona hoe “ohatrinona indray ny vola lany tamin’ny fanatanterahana an’io fihaonana tany Ambovombe io. Dia lany andro nivorivory tao izy rehetra dia nifampijerijery”. Fa inona no vahaolana entitsika?

Manana adidy amin’izany isika tsirairay avy. Izay ilay hoe OBLIGATION DE RESULTATS. Mivoaka eto isika rahampitso dia tokony mitondra vahaolana isika hoe izao ny zavatra nivaingana, navoakan’ny Malagasy. Nilaza teo ny solotenan’ny Mpiara-miombon’antoka - Ramatoa solontena maharitry ny Unicef eto Madagasikara – fa vonona hiara-hiasa amintsika. Mangataka amintsika aho, tena miangavy: efa mafy loatra Tompokolahy sy Tompokovavy, ny iainan’ny vahoaka Malagasy (…) Andao isika hitady vahaolana. Misaotra Tompokolahy sy Tompokovavy.

Onitiana Realy,
Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy
Ambovombe Androy, 19 febroary 2016

Mis à jour ( Dimanche, 21 Février 2016 09:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024