]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Asa iombonana ity fanaovan-gazety ity, fa ambonin’izany dia Tanindrazana iombonana ihany koa i Madagasikara. Mila mahafantatra ny Malagasy rehetra, na ny eto an-toerana, na ny any ivelany (ka mbola mahay mamaky teny malagasy) fa misy tsy milamina mihitsy « ao ambony ao », nanomboka taminy nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Izao mantsy: tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany notarihiny, ny 05 Febroary 2014, dia enjana tokoa izy nilaza fa: « tena hiady mafy amin’ny trafikan’andramena ». Navelom-bolo ny rehetra. Saingy, indrisy... Io ambany io ny nosoratan’ny namana ao amin'ny Midi Madagasikara, amin’ny teny frantsay, ny ampitsony 06 Febroary.


Roa taona mahery katroka ary dia nipoitra ny didim-pitsaranan'ny tribonaly mikasika io andramena io. Ny marina kokoa dia haverina ilay fitsarana any Singapour efa natao ny 25 Oktobra 2015. Nanantena ny sasany fa ho tafavoaka ny ala. Kinanjo. Nadikan’ny gazety namana « Ao Raha » amin’ny teny malagasy ny ampahany be an’ilay didim-pitsarana navoakan’ilay tribonaly tany Singapour, ny volana Oktobra 2014 iny.

Nataonay adidy eto aminy madagate.org ny mamoaka azy eto koa satria, averiko: Tanindrana iombonana ity Madagasikara ity. Tsy resaka « copiĂ©-collé » akory izy ity fa fampitĂ na vaova ("relais d'information") fiarovana ny tany hilevenana. Ary tsy maintsy sarotiny. Ka dia ireo ary ka mahaiza mamaky tsara fa mbola tsy vita amin’io akory ny ady amin’ny fandrobana ataon’ny olona sasany «ao ambony ao » izay sahy milaza fa «fahavalon’ny fandrosoana ny tia tanindrazana sy ny mpanohitra». Odoie e!

Mitohy ary hitohy foana ny tolonay mpanao gazety -tena mpanao gazety an!- rehefa mbola tsy manĂ ja ny lalĂ na sy izahay vahoaka sy olom-pirenena ianareo izay mandalo fotsiny ihany. Satria izahay koa no mandoa ny karamanareo, aoka hazava ny resaka! Mpiasanay ianareo fa adala izay miseho manompo anareo. Hafa ny fanajĂ na sy ny fifanajĂ na ary hafa ny manao olona ho andriamanitra kely. Ny olona tsy mahay manaja ny tenany -na iza na iza- tsy mendrika hajaina.

Jeannot Ramambazafy – 26 fĂ©vrier 2016

Mis Ă  jour ( Vendredi, 26 FĂ©vrier 2016 17:54 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...