]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Anjozorobe. Raharaha Matthieu Rajaonarimampianina. Mbola tsy vita akory…

Anjozorobe. Raharaha Matthieu Rajaonarimampianina. Mbola tsy vita akory…

 

Tsimiondra Tomasy sy ny havany hafa tao aminy "La Rotonde" Besarety

Tamin’iny volana marsa 2016 lasa iny dia nivoaka an-gazety ny havan’i Mandignisoa, ilay tsy hita maty, tsy hita velona, nilaza fa "tomponandraikitra izay minia mbola miresaka io raharahan'i TOMPOKOLAHY Mandignisoa io", ary ho voasazy izay mbola miresaka momba iny raharaha mahavoarohirohy an’i Matthieu zanaky ny Filoha Hary Rajaonarimampianina sy Claudia vadiny talohan’i Voahangy. Ka asa izay hanjo an’i Tsimiondra Tomasy izay tsy iza fa dadatoan’ilay tovolahy tsy fantatra ny niafarany. Ary ireo fanambarana ireo dia tsy iza fa i Jean Yrmand, izay hita ny anarany etsy ambany. Fa nisy inona ry itony a!? Mazava fa nisy resaka volabe tao avy any amin'ny fitondrana, mba tsy ho lazaina hoe tany amin'ny filoha mihitsy fa aza ny vahoaka no hivarotana saka beloha isaky ny mipoitra ny masoandro.


Ka asa na nisy "zara-vilana" na nisy fahatsapana tao fa sady tsy ampy no tsy mety mihitsy izany eo anatrehan'ny razana fa dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 05 Avrily 2016, tao aminy « La Rotonde » etsy Besarety mantsy i Tsimiondra Tomasy. Tsy ho asiako resaka fa indro ireo taratasy mirakitra ny famelabelarany sy nozaraina an’ny mpanao gazety rehetra nanatrika. N’inona n’inona izano tenenina dia mbola tsy vita mihitsy akory ity, indrindra fa tsy afaka nilaza hoe taiza marina ny zanany tamin’io fotoana io, ny filoha Rajaonarimampianina fa ain’olona no nanjavona ka tsy vitan’ny hoe « tsy mpanao magie izy ka tsy afaka sady eto no ary ». Ka taiza marina ilay ETO?

Ny marina amin'ireto taratasy manaraka ireto dia toa ho tohizin'ny fianakaviana ny fitoriana izay nataony fa naato no ilay resaka "fampiantonana" ny raharaha... Ka asa aloha fa eto moa matetika miova loko daholo izay jerena, nanomboka tamin'ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity izay hahenoina fizarana vola ("mallettes") matetika loatra ihany koa...

Jeannot Ramambazafy – 06 Avrily 2016

***********************



Mis à jour ( Mercredi, 06 Avril 2016 02:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30