]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Olivier Mafahaly. Efa voatsara ianao tompokolahy fa tsy mahatapak’ahitra

Olivier Mafahaly. Efa voatsara ianao tompokolahy fa tsy mahatapak’ahitra

F’inona mihitsy ary no atao amin’ity fitondrana ity vao ho tonga saina e!? Raha ny tombontsoam-bahoaka marina no tadiavina dia tsy ingahy Olivier Mahafaly -izay avy nanary mafy ihany koa- no natao Praiminisitra. Nilaza izy hoe: « Tsarao amin’ny asako aho ». Efa voatsara ianao tompokolahy ary efa fantatra fa ny antoko sy ny filoha mianakavy no tompoinao fa tsy izahay vahoaka mihitsy. Vidéos roa ihany dia ampy ary haverimberiko foana satria toa sady jamba sy marenina ny ao an-dapa ao ka aleho izao tontolo izao ka no hitsara. Tsy maintsy hadikany ity lahatsoratra ity sao mihevitra inona eo.


1. Ny fihetsika dia toa zazakely rehefa faly niaro ny PM Jean Ravelonarivo tsy niongana, ary dia tsy matotra mihitsy ry zalahy mampiseho ny « tanjany » any ka nitanjaka imasom-bahoaka.


2. Nividy mpifidy ingahy minisitry ny Ati-tany Olivier Mahafaly saingy nisy tsy nanaiky ka io namoaka ny tena toetrany. Lasa PM izy izao. Tsy im-polo noho io fihetsika io no ho ataony?

Manginy fotsiny ireto manaraka ireto.

Nobaikonao, minisitry ny Ati-tany, ny famindrana ny volabe any amin'ny kaontin'i Claudine Razaimamonjy, ny 17 Desambra 2015. Sa soratra "namboarina" koa io, araka ny teny mahazatra an'ingahy Hery Vaovao?


Olona toa io no lasa Praiminisitra. Olona tsy itokisan'ny vahoaka, mpitarika vilam-bava toa ilay nisafidy azy ho Praminisitra ihany. Aza manantena fahagagana. Tsy hoe "gouvernement de combat" sy "Toérance zéro" mikasika ny trafikana andramena koa moa ny an'i Jean Ravelonarivo? Fa poa toa izay dia nilavo lefona. Dia toriho koa aho fa hoe "manala-baraka". Ianao no tsy mahay manajà tena manampatra fahefana. Tsy nisy nifidy anao anie ny vahoaka e, aza adino! Ny antony dia lazava be loatra: mahatoky fatratra sy mihevitra ry Rajaonarimampianina mianakavy fa io Olivier Mahafaly io sisa no any tsy hamadika azy ireo sady tena hanome alàlana anaovany tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ny ankoatra azy tsy misy itokisany na iray aza. Ho ratsy koa izany ny tohin’ny tantaran’i Rivo Rakotovao raha izao ny fandehan-javatra an !... Na dia hatao minisitry ny Vola aza. Alefa any aminy daholo ny rihatra rehetra dia avy eo tsofina toa ingahy Jean Ravelonarivo. Marihina fa samy ao aminy Rotary izy telolahy ireo miampy ny minisitry ny Fahasalamana (asa raha ho voatazona koa). Ny vahoaka? Miandry fa gasy e!


Dia hampanaovana inona koa izao ireto be kintana ara-baki-teny ireto? Tsy sambo ananàna, tsy roaplanina ananàna fa dia mandray karama be hanompo mpitondra fa tsy hanompo firenena. Aiza ilay « Ho an’ny Tanindrazana » amin’izany no mipetraka? Ao anaty « salon » ao e! Soa izany fa misy ilay Jeneraly iray, Florens Rakotomahanina misahana ny asana Lietenà mpamoritra ny vahoka mba maneho ny heviny…

Ny fehiny dia tsotra. Mampiady ny samy Malagasy ingahy Hery Martial Rajaonarimampianina toa nataon’i Gallieni tamin’ny fotoan’androny. Zarazarainy anjakany. Dia iny tokoa i Avoko Rakotoarijaona fa niditra amin’ny makarakaran'ny « fampitandremana » (ETO). Marina tokoa ilay fiteny frantsay hoe: « l’argent n’a pas d’odeur » na dia efa vola masiso no lolohavina. Soa fa tsy ny Malagasy miisa 23 tapitrisa amin’izao taona 2016 izao no adalam-bola na dia mahantra aza.

Ny an-dry avara-pianarana isany moa dia ampy ny eo am-pelatànany ka tsy mahataitra azy izao tranga izao fa mety aminy. Mihevitra mihitsy ry zareo ireo fa na eo i Rajao mianakavy na tsy ho eo intsony, dia tsy hiova ny fari-piainany. Izany an?

Jeannot Ramambazafy – 14 Avrily 2016

Mis à jour ( Jeudi, 14 Avril 2016 08:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...