]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Shina. Iza no tompon’antoka amin’ny fampijaliana ny mpianatra malagasy any?

Shina. Iza no tompon’antoka amin’ny fampijaliana ny mpianatra malagasy any?

Tsy izy, hono, ny tompon’antoka. Ianao aloha no eo r’ingahy ity a! Ary nandritra ny tetezamita izay kianinao toa olona ho faty rahampitso dia minisitry ny Vola nandritra ny 5 taona ianao. Tsy izany ny hoe mandrora mitsilany? Raha tety ivelany ianao dia tena marina daholo ny voalazanao. Saingy indrisy. Sady mbola Filohan’ny Filan-kevitry ny fitantanàna tao aminy Air Madagascar koa anie ianao e! Aza mihevitra ny vahoaka malagasy ho dondrona sy kentrina daholo, aza fady


Mba manandratra avo ny kolontsaina Malagasy anie ireto ankizy ireto, na dia mafy aza ny manjo azy e!

Fitarainana avy aminy mpianatra Malagasy hiantohan’ny fanjakana Malagasy aty Shina.

Taminy taona lasa 2015 dia nandefa vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra aty Shina ny fanajakana Malagasy. Vola mitentina 5,252,734,960.04 Ariary (izay hazavain’ny mailaka nalefan’ny Masoivoho Malagasy tamin’ny mpianatra) no nalefa mba handohavan’ny mpianatra ny ampahan’ny trosany manoloana ny Oniversite misy azy avy. Nomena ny mpianatra nandritra ny fotoana samihafa io vola io arakaraka ny ampaham-bola voarain’ny masoivoho Malagasy aty Shina. Toy izao manaraka izao ny fitsinjarany.

Tamin’ny volana:

- Novambra: 1,382,237,864.54 ariary;

- Decembra: 1,382,237,864.54 ariary;

- Martsa: 1,086,044,036.4242 ariary

Fitambaran’izay efa voaray = 3,850,519,765.5052 ariary

Ambiny tsy mbola voaray = 5,252,734,960.04 ꟷ 3,850,519,765.5052

= 1,402,215,194.5358 ariary (izay tsy hita )

Efa hifarana ity ny taom-pianarana 2015-2016, ka dia nanontany ny tompon’andraikitra tao amin’ny masoivoho izahay mpianatra momba anio ambim-bola io ary nilaza izy fa tsy mbola tonga aty amin’ny Masoivoho io vola io.

Mailaka nalefan'ny Masoivoho ho an'ireo mpianatra any Shina

Nanontany ny tompon’andraikitra tao aminy ministeran’ny Fampianarana ambony ihany koa izahay ary nilaza ny ministera fa tsy mahafantatra momba anio ambim-bola io. Nilaza anefa ny CONABEX izay misahana ny mpianatra mianatra aty ivelany fa efa tokony any aminy Masoivoho Malagasy any Shina io vola io. Ny Masoivoho Malagasy aty Shina anefa milaza fa tsisy an’izany vola izany aty.

Gaga sady sahirana izahay mpianatra aty manoloana ny zava-misy. Lasa aiza ary ilay ambim-bola 1,402,215,194.5358 ariary?? Sahirana mafy izahay manoloana ny trosanay aminy Oniversite Sinoa ka dia manao antso avo aminy mpitondra fanjakana mahefa izahay mba hijery an’izao toe-java-misy izao.

Mankasitra indrindra tompoko!

Talata faha 31 May 2016

Mpianatra Malagasy aty Shina

Ka raha 90% ny tahan'ny fahantrana tamin'ny fotoan'ny nandraisanao ny fitondrana dia firy izy izao roa taona aty aoriana? Vola sy antontam-taratasim-bola no nikirakirainao mivantana nandritra ny dimy taona be izao, nafahanao nividy io trano be ao Tsimbazaza io e! Tsy misy dikany io volan'ny mpianatra malagasy any Shina raha oharina amin'ny vidin'io trano be io. Be karama kosa ianao tamin'izany ô? Ka asa: Andry Rajoelina daholo no nahatonga izao fanaovana an-kilabao ny tanora malagasy mpianatra any Shina ary manan-jo amina vatsim-pianaram-panjakana, amin'izao taona 2016?


Ekena fa lehilahy mahasaky tokoa ianao fa dia jamba koa izany Andriamanitra an-tampin-doha io. Rehefa tsy andrinao intsony, handrasan'ny vahoaka maro an'isa maha firenena ny firenena foana rangaha ity a! Misy farany ny zava-drehetra eto amin'ity tany fandalovana ity. Ary filoha mandalo fotsiny ihany ianao ka tsy hitondra anao mankaiza io volabenao io (ETO mamisavisa)

Jeannot Ramambazafy - 05 Jona 2016

Mis à jour ( Dimanche, 05 Juin 2016 11:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30