***********************
Miverina mihetsika indray ankehitriny ny mpampianatra mpikaroka eny anivonâny anjerimanontolo na ny SECES. Mbola takianâizy ireo mandraka ankehitriny ireo tamby samihafa izay zonâizy ireo ka tsy mbola nahazahoany valiny avy aminâny mpitondra.
Nitatitra ary Andriamatoa Ravelonirina Gregoire, Filohanâny SECES sampana Antananarivo, fa noho ny tsy fanatanterahanâny fanjakana mahefa ny lĂ lana velona eto Madagasikara, izay anisanâizany ny didim-panjakana laharana 1214-2009 mamaritra ny hanomezana ny tambinâny hofatrano sy ny tamby ny fikarohana ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hatraminâizao, dia tsy nisy nampiĂ tra io didy io.
Nisy ihany koa anefa ny fifanarahana izay natao teny Mahazoarivo ny 10 Septembra 2015, izay nanambara fa ny LFR (« Loi des Finances rectificative ») 2017 no handoavana ny ambinâireo zo rehetra ireo. Tsy voahaja anefa izany fifanarahana izany, ary tsy nitazona ny teny nomeny ny fitondram-panjakana.
Noho izany dia nampaneno lakolosy fanairana izy ireo mpikambana ao aminâny SECES ireo. Manahy ry zareo fa tsy ho anisanâny tafiditra aminâio LFR 2017 io izay zonâizy ireo. Ary tsy hanaiky izany ry zareo.
TSY HO HISY TAOM-PIANARANA ONIVERSITERA AMINâITY TAONA ITY RAHA TOA KA âŠ
Fitakiana izay tsy mila fampatsiahivana intsony izany araka ny fanazavanâizy ireo ary tokony ho tanterahina sy ampidirina ao aminâny tetim-bolam-pankana 2017. Matetika re isakinâny misy fitakiana toy izao fa tsy misy vola ny fanjakana, na koa tsy ampy ny eo am-pelatanĂ na.
Ny mahagaga anefa vao tsy ela dia efa nisy filankevitry ny Minisitra izay nampiakatra ny tambikaramanâireo olom-boafidy eto amintsika, izay raha tombanana dia tena midangana tokoa. Eo koa ny fandrenesana eny anivonâny lalan-tsaranâny Antenimiera ny momba ny fanomezana fiara tsy matahon-dĂ lana ho anâireo solombavambahoaka.
Fanontaniana mipetraka dia hoe : vola avy aiza ary no hanatanterahana ny fandoavana ireo voalaza tery ambony ireo? Raha milaza fa tsy misy vola ny fanjakana, tsy izany anefa ny zava-misy. Fa eo koa ny momba ny «grille indiciaire» anâny mpiasam-panjakana izay nilazanâny Minisitra ny Asa, Maharante Jean Dieu, mihitsy moa fa rariny ny fampiharana io «grille indiciaire» io. Saingy tsy mbola izao izany satria tsy misy vola ny fanjakana.
Noho izany indrindra no nahatonga ireo ao aminâny SECES nanambara fa rehefa tsy ho tanteraka ny fitakiana dia hikatso tanteraka ny fampianarana ambony manerana ny Nosy. Mazava loatra fa dia ny ankizy mpianatra indray izany no hizaka ny tsy eranâny aina vokatrâizany.
Tsy ireo ihany no takianâny ireto mpampianatra mpikaroka ireto fa eo koa ny fangalĂ na ny taninâny Oniversite sasantsasany, izay nataonâolo-tsotra an-tsokosoko ary tsy mifidy andro na ora fa dia antoandro be nanahary no hanaovanâizy ireo izay fangalarana tanâny Oniversite sy ny tany mpikarohana manerana ny Nosy izay.
Tsy andraikitra ny minisitera mpiahy fotsiny fa ny gouvernemanta iray manontolo no tokony handray andraikitra aminâity raharaha tany ity.
RAKOTONIRAINY Andry
Â