]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara bois de rose. Tsy mety miala ao Antongil ilay sambo « Flying »

Madagasikara bois de rose. Tsy mety miala ao Antongil ilay sambo « Flying »

Mbola tsy mety miala fa mihaodihaody any amin'ny fari-dranomasina atsinanan'i Madagasikara hatrany ilay sambo antsoina hoe « flying » efa ho iray volana izao.

Any akaikin'ny Baie d'Antongil, Mananara Avaratra any no misy azy io, araka ny fantatra dia mitady fomba mafy hanondranana « bois de rose » ao anatiny ireo mpanao trafika nanafatra ity sambo ity, ka misy sambo madinika tahaka ireo antsoina hoe « Meva 3 » sy « Meva 4 » mivezivezy eo amin'io fari-dranomasina io, mitady fomba hampitana ireo « bois de rose » ao anatin'ilay sambo lehibe. Tsy mety mahavita ny teti-dratsiny anefa ireo mpiketrika satria efa nandray andraikitra feno ny Praiministra Ntsay Christian ka nandefa ny sambon'ny tafika malagasy « Trozona » any an-toerana.

Ny olana dia matoky fiarovana mpitondra ambony angamba ilay sambo vahiny « flying » io ka isaky ny manome baiko hanenjehana azy ny avy aty amin'ny Primatiora dia misy mampilaza mialoha koa ilay sambo, dia mitsoaka miala ny « Zone économique exclusive » an'i Madagasikara izy io, ary mahagaga fa mody miala dia miverina indray, izany hatrany no nataony efa ho iray volana izay, fa dia tsy mety miala tanteraka mihitsy anefa fa efa mahazo toky fa tsy maintsy ho voaondrana ao anatiny ny bois de rose.

Araka ny fantatra dia teo anelanelan'ny 6 ka hatramin'ny 7 novambra 2018 no saika hatao ny « embarquement » an'ireo « bois de rose ». Izany hoe noheverina fa ho variana tamin'ny fifidianana ny Malagasy ka ho mora foana ny fakana ireo « bois de rose », kanjo efa nandray andraikitra mialoha ny Praiministra ka tsy tafita aloha ny teti-dratsy saika natao. Dia ampiandrasana ao izany ilay sambo satria 100 tonnes, hono, ny lanja ana « bois de rose » tokony hoentiny. Hentitra moa ny Praiministra tamin'ny alatsinainy maraina teo anoloan'ny mpiasan'ny Primatiora :

Tsy maintsy ho sakanana amin'ny fomba rehetra ny fanondranana antsokosoko ao anaty sambo ireo « bois de rose » ka ho very maina hiandry vasoka ao io sambo io, satria nampita hafatra izy fa izay Malagasy nanafatra ilay sambo io ka mikasa hanao amboletra hanondrana ireo « bois de rose » dia tokony handefa moramora ilay sambo satria efa voaaramaso avokoa ny fihetsik'ireo sambo kely mikasa hanao ny « transbordement » ka raha vao mihetsika eo dia tsy maintsy handray andraikitra ny tafika eo ambany fiadidian'ny Praiministra amin'ny maha-lehiben'ny OMC (« Organe mixte de Conception ») azy.

Correspondance locale, ce 20 novembre 2018

Mis à jour ( Mardi, 20 Novembre 2018 17:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...