]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Amin’ny 2021 no ho vita ny làlana Ambohimahitsy-Andranobevava

Antananarivo. Amin’ny 2021 no ho vita ny làlana Ambohimahitsy-Andranobevava

Mba hanamaivanana ny fitohanana eto an-drenivohitra, dia efa nanomboka tamin’ny 6 jolay 2018 ny asa fanamboarana ny làlana ato hoe « Rocade Est », mampitohy an’Ambohimahitsy hatreny an-dRanobevava. Ho fanaraha-maso ny fizotran’ny asa dia nidina teny Ambohimahitsy ny Alarobia 16 Janoary 2019 teo ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany, Ramatoa Christine Razanamahasoa.

Navoitrany tamin’izany fa mizotra araka ny efa voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikitra ny asa fanamboarana ny làlana izay mirefy 3,4 km ka mampitohy an’Ambohimahitsy an’Andranobevava. Torak’izany koa ny « By-pass » 3,8 km miala eo Ambohimahitsy, ary ny 1 km miala eo Nanisana hampitohy an’Ankadindramamy. Mahatratra 72 ny isan’ny asa ho atao, ary tsy maintsy nisy ny fandrodanàna ireo trano izay voakasika ny tetikasa.

Araka ny fanazavana hatrany dia tsy nananotsarotra ny fifampiraharahana tamin’ireo noravana trano, izay nahatsapa rahateo ny mahazava-dehibe ny asa atao. Miisa 1059 ireo trano ka ny 891 no efa nanaovana fifampiraharahana. Ny 118 kosa dia an-dàlana ankehitriny. Mahatratra 23.080.803 tapitrisa vola Euro ny tetim-bola fanamboarana io "Rocade Est" io, ka ny Vondrona Eropeana, ny Afd (« Agence française de développement »), ny BEI (« Banque européenne d’investissement ») ary ny Fanjakana Malagasy no mamatsy izany vola izany.

Fa raha mikasika ny asa rehetra dia mahatratra 62,8 tapitrisa vola Euro ny totalin'ny tetim-bola. Raha ny fandaharam-potoana dia ho vita amin’ny volana Janoary 2021 ny asa rehetra.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Jeudi, 17 Janvier 2019 05:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30