Notanterahina tamin'ny zoma 14 Jona 2019 ny ivonâny fankalazana ny faha 10 taona nijoroanâny sekoly ambony tsy miankina aminâny fanjakana GATE UNIVERSITY Ambohidratrimo. Namoaka ny andiany faha enina misalotra ny anarana « RAITRA » ny sekoly izay ahitana mpianatra 137 mianadahy nandray ny marim-pahaizana : DTS, Licence ary Master. Isanâireo sekoly ambony tsy miankina aminâny fanjakana mamaly ny filanâny Firenena aminâny alalanâireo sampam-piofanana omeny ny GATE University. Isanâizany ny Agronomie (misahana ny momba ny fambolena sy fiompiana) sy ny Fizahantany. Ara-dalĂ na ary mahazo ny fankatoavanâny fanjakana ny marim-pahaizana omenâny sekoly ary efa maro aminâireo mpianatra nandranto fianarana tao no mitazona andraikitra ambony eny anivonâny asam-panjakana ankehitriny.
Nofidianâireto andiany RAITRA ireto ho ray mpiahy azy Andriamatoa Eric Rajaonary, mpitantana ny orinasa Guanomad. Nanome toky ny hanohana hatrany azy 137 mianadahy ity Ray Mpiahy azy ireo ity ary vonona hatrany hizara izay traikefa hananany aminâny fidiranâireto tanora ireto aminâny tontolonâny asa sy ny fandraharahana.
Tafiditra indrindra ao anatinâizany fankalazana faha 10 taona izany ihany koa, dia najoro fikambanana « FRIENDS OF GATE » hivondronanâireo sakaizanâny GATE University rehetra ahitana ireo mpianatra tranainy sy ireo izay mbola eo andalam-pianarana ary ihany koa ireo mpiara-miombonâantoka aminâny sekoly rehetra.