]
Les quotidiens du 22 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Razanamalala Marie Eliane. Fahagagana nataony tao Masinandriana amina PA manjavozavo

Razanamalala Marie Eliane. Fahagagana nataony tao Masinandriana amina PA manjavozavo

Raha toa ka mba tsapain-tànana ny fanovana (eo amin'ny lafin'ny tsara) ao amin'ny sampan'ny fanànan-tany (“Service des Domaines”) dia toa mbola rakotry ny fakam-panahin'ny lava tànana mitondra malety ihany ny eo anivon'ny Tribonaly ao Anosy ao. Ity lahatsoratra ity dia karazana fanaovana vavolombelona ny tranga hitako sy niainako tao amin'ny fokontanin'ny Masinandriana. Araho tsara ny tantara fa tena... mahagaga.

Tsy vao izao mihitsy aloha no nisy fangalaran-tany avo lenta eny amin'iny faritra iny. Tsaroan-tsika no nitranga tamin'ny fianakavian'i Tintin Ravonison sy ny an'i Gégé Rasamoely, fony fitondrana Rajaonarimampianina sy Hvm... Rehefa lany Filoham-pirenena anefa i Andry Rajoelina dia velom-bolo ny daholo be fa hanomboka ny tena hoe fampiarana ny tena Tany tan-dalàna (“Etat de droit”) sy ny Ady amin'ny koliloky (“Lutte contre la corruption”). Ary efa nisinisy ihany ireo nigadra na noroahina tamin'ny asany, izay tafiditra amin'izany baiko izany eo anivon'ny sampam-panjakana rehetra misy eto amin'ny tany sy ny fanjakana.


Mbola misy ihany anefa no sahy mangalatra tsotra izao ny tanin'olona satria vadim-bazaha ka manam-bola be afahany mividy izay mety ho vidiany. Ary dia miseho manara-dalàna kanefa tsy misy mandeha amin'ny laoniny daholo na ny fomba ataony eo anatrehin'ny lalàna (“procédure”) na ny fomba fihetsika mitomany mpanefoefo be sy ny fiteny mieboebo manambany olona. Ilay tany resahina dia izao no anarany voasoratra ao amin'ny “Domaines”: “Ambohimailala, BH, Parcelle 166, Rejistra 01, Takelaka 77” mirefy 13A 66 Sa. Ny anaran'ny tompony, izay efa nodimandry dia: Razanadranto sy Rasoanandrianina. Fito no isan'ny mpandova hita ao amin'ny “acte de notoriété” ka ny iray dia mbola velona ary 82 taona amin'izao fotoana izao. Mbola tsy nisy nikitika mihitsy io tany hatramin'izay nahalasan'ireo razambe ireo.

Fa nanomboka ny volana jona 2019, dia tazana mivezivezy teny io Razanamalala Marie Eliane io ary dia tonga tokoa ny fahagagana... Eny an-toerana dia misy an'i Ramatoa Ramary izay mipetraka teny amin'ny manodidina nanomboka ny taona 1968 ary nahalala tsara ny tena tompon'ireo tany eny. Tamin'izany izy no efa nomen'ireo alalana hanajary. Izany hoe namboly sy niompy toa tompon-tany fa tsy tompony mihitsy. Raha ny marina izany dia tokony io Ramary io no nangataka ny atao hoe “prescription acquisitive” (Fanamaintisa-molaly no azo andikana azy) -na koa USUCAPION ho an'izay nianatra làlana- satria nandritra ny 30 taona mandilatra lavitra izy sy ny taranany no nahamaintimolaly ny tany manodidina io atao hoe “Parcelle 166” io.

Fa tsy nisy telo volana anefa dia natafatsangana fefy biriky avo be manodidina io “Parcelle 166” io ity Marie Eliane ity ary nasiany vavady mainty be makadiry tsy hafahan'ny olo-kafa miditra ao. Tsy norarahiny mihitsy ireo taratasy avy any amin'ny solontenam-panjakana ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Ankadikely Ilafy, Antananarivo Avaradrano, ka mandrara azy tsy hanangana fotodrafitr'asa eo amin'io tany io, izay fitohizan'ny fanohanana in-telo miantaona nalefan'ny mpandova ny 11, 16 ary ny 20 Septambra 2019. Ny 19 Novambra 2019 moa dia nandefa taratasy tany amin'ny Lehiben'ny Sampan-draharan'ny Fananan-tany mivantana ireo mpandova ireo izay mampahatsiahy ihany koa f'efa nisy peta-drindrindra (“affichage”) tany amin'ny biraon'ny Kaominina Ankadikely Ilafy milaza ny fanohanana izay fotodrafitra rehetra kasaina atao, avy any amin'ny tena tompon-tany dia ireo mpandova, taranak'i Razanadranto sy Rasoanandrianina.

Fa misy tokoa Andriamanitra ary tena mitahy tokoa ireo razambe ireo. Satria sendra topi-maso no nahafantaran'ireo mpandova ny tany fa io 19 Novambra 2019 io dia hisy ny fitsirihina hanaovana tombana ny fanajariana na “constat de mise en valeur”. Eto dia efa misy tsy milamina satria amin'ny anaran'ny reniny Razafindravao Jeannette no nanaovana io fitsirihina io. Amin'ny alalan'ny inona no nafahany nangataka io fitsirihina io ? Satria olona ivelan'ny fianakaviana ry zareo. Taratasim-barotra (“Acte de vente”) ? Iza avy no nifanaraka taminy ary ohatrinona ? Taratasy fanomezana (“acte de dotation”) ? Iza no niresaka sy nifandray taminy ? Taratatsy famindram-pananàna (“Acte de mutation”)? Amin'iza sy iza? Manomboka mivarina an-kady ilay fiseho fanarahan-dalàna ivelany nataon'ity Marie Eliane ity. Toa manambara mihitsy fa zavatra fanaony io manodikodina tanin'olona io...

Fa ny karazana fitsirihina toa io moa dia tsy maintsy mpiasa ao amina Kaomisiona manokana ao amin'ny “Domaines” no any afaka manao izany, ary miala avy amina baiko nomena tribonaly. Nisy tokoa izany dia ny “Ordonnance laharana 6491 tamin'ny 27 Jona 2019” navoakan'ny Tribonaly Ambaratonga voalohany eto Antananarivo. Tsy afaka manao izany anefa ny Tribonaly raha tsy misy ny atao hoe “prescription acquisitive”. Hiverenako rehefa avy eo io.

Na dia maro ireo mpandova tsy nahafantatra io fidinana eny an-toerana io dia nisy nahalala ihany ka nifampiantso ny mpiray tampo ary voasolo tena daholo ny taranaky ny mpandova fito mianadahy. Raha tamin'ny 11h30 ny fotoana nomena dia efa tamin'ny 13h mahery vao nipoitra ry zareo ao amin'ny “Domaines”, izay tonga nandeha tao anatin'ny fiara 4X4 an'i Razanamalala Marie Eliane. Zony ve izany? Tsy fantatro fa hafahafa ihany izany... Somary nihemotra moa ireo vao nahita aho ary indrindra nahita ny caméra-ko. Tsy mahazo maka sary, hono. Rehefa nazavaiko azy ireo fa fitondra sy mpitondra mandàla ny tany tan-dalàna sy ny ady amin'ny kolikoly no misy izao ary mila porofoina ny tranga rehetra -indrindra fa io resaka tany satria be loatra ireo mpangalatra mahitahita, ary manerana an'i Madagasikara mihitsy- dia nilefitra ry zareo. Ary dia niakatra teny an-toerana ny rehetra. Mbola saika hanakana indray moa ity Marie Eliane ity fa hoe solontena roa na telo ihany fa tsy nanaiky aho satria farafaharatsiny olona fito misolo ny tompon-tany no tokony hiditra ao amin'ilay rindrindra be natsangana malaky dia malaky tokoa. Nahazo niditra daholo ny rehetra. Ary nahazendana tokoa ny “fanajariana” (“aménagement”) natao tao.

Nilaza ary io Razanamalala Marie Eliane fa efa tamin'ny taona 1998 izy no nanajary io toerana io. Ny mamany voalaza fa nanao ilay fangatahana fitsirihana moa dia moana tanteraka nandritra ny fanazavana rehetra nataony. Dia nanambara koa izy fa efa nanomboka ny taona 2015 no natsangany io fefy biriky makadiry io. Ny tazana tao moa dia tany lava volo tsy voakarakara misy trano vao natsangana, lava-drano ary fototra akondro vitsy vitsy tsy ampy telo volana akory ny habeny. Izay izany no vitany tao anatina 20 taona (1998-2019) fe-potoana afahana manao “prescription acquisitive”. Voasoratra ao amin'ny peta-drindrina tsy maintsy hatao eny amin'ny biraon'ny kaominina Ankadikely Ilafy daholo moa ny antsipirihin'iny “fanajariana” tsy manam-paharoa iny. Marihina fa ny zanak'i Ramary noresahina etsy ambony no nanangana io trano io. Izany hoe rindrina efatra sy tafo fa na varavarakely aza tsy misy. Ny marina dia teo anelanan'ny volana Aogositra sy Novambra 2019 io “fanajariana” peta-toko io no natao. Tany mikaotaona tsy misy voly na ny iray aza. Marina fa nanao fangatahana fananganana fefy na “clôture” izy Marie Eliane io kanefa ny dosie nentiny sy nasehony dia “plan juridique” ihany. Tsy feno izany fa notohiziny ihany ny fananganana ary tena tao anatina fe-potoana nahatalanjona ny manodidina.

Rehefa nanontany aho, io 19 Novambra 2019 io, imason'ny olona rehetra nanatrika teo, hoe misy ve ary aiza ny fahazoan-dalàna manangana na “Permis de construire” momba ny fefy sy io trano kely io. Izao no valiny sady niedinedina be : “Misy ary manana mihitsy aho !” ary lasa izy nivoaka ny vavahady. Niverina anefa izy avy eo toa akoho voakapoka. Tsy notohiziko intsony moa satria tsy hiady no nalehako tany fa anao vavolombelona. Fa taty aoriana, rehefa nanontaniako ny mpiandraikitra ao amin'ny Kaominina Ankadikely Ilafy, izay tonga teny an-toerana tao anaty ambulance-ny Kaominina, dia nilaza tamiko mazava fa tsy misy “permis de construire” ireo foto-drafitr'asa izay natao tamin'ity taona 2019 ity tao anatina fotoana fohy dia fohy, fa ilay “fiche technique n° 221” tamin'ny 16 Jolay 2019 no nasehony, izay tsy mahasolo velively “permis de construire”. Eto izany dia efa tsy ara-dalàna na ny fefy tamboho makadiry na ilay trano kely ao anatiny.

Io tany atao hoe “Ambohimailala, BH, Parcelle 166, Rejistra 01, Takelaka 77” io dia ao anatin'ny fokontanin'i Masinandriana. Ary ny fokontany mifanolom-bodin-drindrina aminy dia Mandrosoa, Antanetibe, Manazary ary Ambohibe. Tsy nisy na iray aza ireo fokontany dimy ireo nahavoaray an-tsoratra fangatahana “prescription acquisitive” na PA. Torak'izany koa ny teny amin'ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Ny marina anefa tsy afaka totofana (n'inona n'inona ny fomba atao) ela loatra ka rehefa nanao fanadiadiana ny tenako dia any Mahamasina, boriboritany faha-4 ao anatin'ny Kaominina Renivohitr'Antananarivo no nipoitra ny nafenina.

Mbola misitera hatreto aloha ny taratasy nasehon-dr'izy mianaka, dia Razafindravao Jeannette sy ny zanany Razanamalala Marie Eliane, fa nisy fangatahina PA nanaovana “légalisation” tao. Ary dia iny no nafahany nanatona ny tribonaly etsy Anosy namoaka ilay “ordonnance” nafahany nanao ilay fitsirihina tamin'ny 19 Novambra lasa teo. Tsy maintsy ho fantatra foana ny taratasy nentiny nafahany nanao izany “légalisation” izany ary iza no nanao sonia. Satria na henjana ny kolikoly tsy maintsy atao an-tsoratra daholo rehefa asam-panjakana. Ary ny soratra mitoetra. Fa amin'ity raharaha “Parcelle 166” ao Ambohimailala ity dia izao ny fanontaniana mipetraka: ny làlana (“Lois”) ve no tena mandringa mila ho potraka sa ny ao amin'ny tribonaly no jamba sy tsy mahay io làlana io? Mety izy daholo izany. Mbola hitohy ny tantaran'ity tany “Parcelle 166” ao Masinandriana Ambohimailala ity fa izao no tokony ho fantatry ny rehetra mikasika io PA io.

Ity aloha no niaviany sy ny fanovana natao ka najanoko teny frantsay aloha: Ordonnance n° 60-146 du 3 octobre 1960 relative au régime foncier de l’immatriculation (J.O. n° 129 du 22.10.60, p.2205), modifiée par ordonnance n° 62-036 du 19 septembre 1962 (J.O. n° 245 du 26.9.62, p.1976), ordonnance n° 66-022 du 19 décembre 1966 (J.O. n° 514 du 31.12.66, p. 2600), ordonnance n° 74-034 du 10 décembre 1974 (J.O. n°1025 du 10.12.74, p.3926), par loi n°90-028 du 10 décembre 1990 (J.O. n° 2036 du 24.12.90, p. 2504, édition spéciale), et par loi n° 99-024 du 19 août 1999 (J.O. n° 2595 du 30/08/99, p. 2001 -2005, éd° spéciale et n° 2597 du 06.09.99, p. 2041, édition spéciale; Errata: J.O. n° 2602 du 11.10.99, p. 2267), LOI N° 2003-029 du 27 août 2003

La prescription acquisitive est un principe institué par l’ordonnance n°60-146 du 3 octobre 1960 relative au régime foncier de l’immatriculation. Il a marqué le droit malgache en ce que les dirigeants de l’époque post-coloniale ont voulu régulariser la situation juridique des terres laissées en déshérence après le départ des colons. Le législateur a, de ce fait, prévu dans cette loi la possibilité d’immatriculer un immeuble au nom des occupants sous certaines conditions. Il faut que l’occupation réunisse deux éléments : le « corpus » qui consiste à effectuer des actes matériels sur la chose, par exemple cultiver un champ, couper du bois dans une forêt ; et « l’animus » qui est l’élément essentiel qui fait que l’occupant se sente propriétaire.


Raha afohezina dia roa ny fepetra hafahana manoratra tany voalaza tsy manam-tompo amin'ny anaran'izay mangataka izany tany izany:

Misy ny atao hoe “Corpus”. Teny latinina io milaza fa tokony hita mazava fa manajary ilay tany marina, toa ny fambolena, fanapahana hazo... Manamaintimolaly ny tany e. Ao ihany koa ny atao hoe “Animus”. Teny latinina ihany milaza fa tokony asehon'ilay mpampiasa ny tany an-davanandro sy tsy ankiato fa efa tompony sahady mihitsy izy.

En outre, pour qu’une occupation puisse devenir une véritable propriété, elle doit réunir quatre éléments :

  • elle doit ĂŞtre continue : l’occupant doit avoir un usage normal et rĂ©gulier de la chose ;

  • ensuite, publique : l’occupant doit se comporter en public comme le vĂ©ritable propriĂ©taire ;

  • en outre, l’occupation doit ĂŞtre paisible : l’entrĂ©e en possession et la jouissance doivent avoir lieu sans violence ;

  • et enfin, elle doit ĂŞtre non Ă©quivoque : il ne doit pas y avoir d’ambiguĂŻtĂ© sur le comportement de l’occupant.

Ireo fepetra efatra eo ambony ireo no adikako eto ambany :

Ny fipetrahana eo amina tany ireo dia tsy maintsy manaja ireto fepetra efatra manaraka ireto, vao afaka milaza fa tompon'ny tany marina ianao aorian'ny fangatahana PA :

  • Tsy ankiato : tsy maintsy ara-dalĂ na sy tsy misy fahabangana ny fampiasana ilay tany najariana ;

  • Tsy maintsy fanta-poko fantam-pirenena : ilay na iray mampiasa ilay tany angatahina dia tokony manana fihetsika toa hoe tompony mihitsy ;

  • Tsy maintsy milamina ny fampiasana ny tany : tokony tsy misy fifandonana mihitsy na aminiza na amin'iza ny fampiasana ny tany ;

  • Tsy misy fisalasalana : tokony mazava sy mangarahara ny fomba sy fihetsika amam-panao ataon'ilay na ireo mampiasa ny tany angatahana PA.

Io “Parcelle 166” io aloha tsy tanim-panjakana. Fantatry tomponandraikitr'ireo fokontany dimy voalaza eo ambony izany. Misy mihitsy aza taranaka mpandova monina eny akaiky eny. Ireo no nifampiresaka tamiko ary nilaza izao manaraka izao: “Mivezivezy eo foana izahay mpandova. Ary tamin'ny volana Jolay 2019 no tsikaritray fa misy mamefy io taninay io. Vao nanomboka kely ny asa dia efa nasainay najanony nefa mbola nanaovany di-doha notohizany ary tsy nasiany fanazavana mihitsy”.

Tantara mitohy, hoy aho, misy teny latinina milaza hoe “Ô tempora, o mores” izany hoe fomba fitantanana vaovao, fomba amam-panao vaovao, amin'ny teny malagasy. Misy porofo daholo ireo voalaza rehetra ireo. Havoaka rehefa hisy ny ilana azy ireo any aoriana. Ary ho fantatra tsy ho ela ny rangory fototry ny afo. Fa mila mailo hatrany ireo mpandova ireo satria volabe tokoa no lanin'io Razanamalala Marie Eliane io na dia ilay fefy be io fotsiny aza. Hanao izay mety mihitsy izy satria koa, hono: “tany raiketan'ny fony ka tsy hamelany intsony”.

Ny fahitako azy dia tsotra : hamboariny tsara io tanin'olona io ary avy eo hamidiny lafo dia lafo amin'izay mpanambola. Satria tsara toerana tokoa aloha ilay izy. Tsy izy no voalohany nanao izany, fa tokony izy no farany ka ho sazian'ny lĂ lana mafy dia mafy. Raha tsy izany mbola hanontany ihany ny daholo be hoe : f'iza marina ny filoham-pirenena voafidy amin'izao taona 2019 hifarana izao? Mbola Hery vaovao fsy ny forongony mpangalatra foana ve? Sanatria dia sanatria...

Farany: amiko manokana dia fomba loza aminatambo afahan'ny olon-dratsy maka ny taninao io PA io sady nilaozan'ny toetrandro satria efa tsy misy intsony ny fanjanahantany. Tokony tsy atao manan-kery intsony izy io satria zavon-tany anie ry zareo ny Malagasy very fananana sy fanahy mbola velona no io PA io e!

Jeannot Ramambazafy - Dosie mivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", Sabotsy 23 Novambra 2019

Mis Ă  jour ( Samedi, 23 Novembre 2019 15:36 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024