]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Teti-bolam-panjakana 2020. Hetra 20% ho an'ny katsaka sy ny faika

Madagasikara. Teti-bolam-panjakana 2020. Hetra 20% ho an'ny katsaka sy ny faika

Mandalo eny anivon’ny Antenimieran-doholona eny Anosy rehefa avy nolanian’ireo Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mahakasika ny teti-bolam-panjakana 2020. Manoloana izany nitondra fanazavana teo anatrehan’ireo Loholona ireo ny fikambanana mpiompy sy mpandraharaha momban'ny fiompiana eto Madagasikara ny Zoma 06 Desambra 2019.

Nitondrana fanazavana tamin’izany Andriamatoa Rabearivelo Andriamananarivo, Filohan'ny filankevim-pitantànana ny MPE (“Malagasy Professionnels de l'Elevage" ex "Maison des Petits éleveurs”), mahakasika ny fampiharana ny tataon-ketra TVA 20% amin’ny katsaka sy ny faika fatao sakafo ireo biby fiompy. Amin’izao fotoana dia ambany ny tahan’ny fanjifana ny vokatra ny fiompiana eto Madagasikara.

Atody miisa 19 isan-taona no lanin’ny olona iray, ny akoho fakàna nofo dia mahatratra 1 kg isan-taona. Izany dia avy amin'ny tsy fahampian’ny vokatra sy ny sandan’ny famokarana ambony ary ny fahefa-mividin’ny mponina izay ambany.

Ireo akora fampisa ny sakafo biby da 60-70% amin’ny fandaniana ankapobeny no lany. Ao anatiny maitso ahitra dia miakatra be ny vidin’ireo akora fampiasa ireo nohon’ny tsy fahampiana eny an-tsena. Ny katsaka no fototra amin’ny fanamboarana ny sakafon’ny biby izay mahatratra hatramin’ny 60-70% amin’ny fangaro ho an’ny fiompiana akoho, kisoa, trondro.

Miakatra 99% kosa izany raha famokarana ny aty matavy. Raha mihatra ny tataon-ketra 20% ho an’ny katsaka sy faika dia hiakatra 25-40% ny vidin’ny sakafom-biby eny an-tsena ary hiteraka fiakaran’ny sandam-pamokaran’ny fiompiana sy fatiantoka lehibe ho an’ny mpiompy. Nandroso soso-kevitra araka izany ireo mpiompy fa azo atao ny mametra ny hetra isaky ny biby ompiana ka hanamora ny fampanaran-dalàna sy fampanaraha-penitra.

Izany fepetra izany dia hanampy amin’ny fametrahana ny mangarahara sy fampihenana ny kolikoly amin’ny fitakianketra. Miantso ny tompon'andraikim-panjaka sy mpiantsehatra ireto mpiompy sy mpandraharaha ny fiompiana ireto mba hijery fomba hafa hampiakarana ny fampidiran-ketra.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 07 DĂ©cembre 2019 08:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30