Hanatanteraka ny tetikâasa izay tafiditra ao anatinâny vinanâny Filoha ho fametrahana ny tanĂ na vaovao no andraikitra goavana izay ho sahaninâny Minisitra Lefitra miandraikitra ny TanĂ na vaovao sy ny Trano fonenana, Zasy Angelot.
Ny sabotsy 01 Febroary 2020 no notanterahana ny famindram-pahefana teo aminâny Minisitra misahana ny Fanjariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo sy ny tenany, tao Anosy. âNy fahaiza-manao ny sehatra tsy miankina no hoentina hanatanterahana ny tetikasa ny TanĂ na vaovao sy Trano fonenanaâ, hoy ny Minisitra lefitra Zasy Angelot.
Raha ny TanĂ na vaovao dia efa heno matetika izany indrindra any ivelany. Tsy sarotra araka izany ny hanatanterahana azy eto Madagasikara, saingy mila fiaraha-miasa aminâireo sehatra matihanina iraisam-pirenena. Ampifandraisina ihany aminâny zava-misy eto amintsika izany, na ny lafinâny sosialy sy izay rehetra tokony ilaina mifanaraka aminâny filĂ nâny mponina toy ny jiro, ny rano, ny tsena sy ny maro samihafa.
Na dia efa misy aza ny paik'ady efa mipetraka mahakasika ny Trano fonenana, dia mila ampifanarahana aminâny faritra hanorenana izany ny tetikasa atao. Ny antony dia tsy hitovy ny ilaina aminâny faritra hafa sy ny eto andrenivohitra, ohatra, ka ilaina fanadihadihana mialohanâny fanatanterahana ny tetikasa, hoy ihany ny Minisitra Lefitra.
Taorianâny famindram-pahefana dia nisy dinika manokana niarahanâny Ministra Lefitra taminâireo teknisiana izay efa nametraka mialoha ny tetikâady ho aminâity vina TanĂ na vaovao sy ny Trano fonenana ity, notarihanâny Tale Jeneraly misahana ny tetikâasa ny fiadidianâny Repoblika Augustin Andriamananoro.
Ity farany sy ny ekipany izay nitsodrano ny Minisitra Lefitra hahatontosa ny andraikitra napetrakinâny Filohanâny Repoblika aminy, vonona ihany koa izy ireo hifanome tĂ nana aminâny tetikasa fanoranana TanĂ na vaovao sy Trano fonenana. Hatreto izany dia teknisiana ranoray ny Minisitra Lefitra Zasy Angelot, manana traikefa manokana momba toerana nametrahana azy. Midika izany fa tonga dia hanatanterana asa avy hatrany izy fa tsy handany andro anao kabary ambonâny latabatra.
Andry Rakotonirainy