]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo OMTE. Ho rakotra “caméras de surveillance” miisa 200 ny Tanàna

Antananarivo OMTE. Ho rakotra “caméras de surveillance” miisa 200 ny Tanàna

Taorian’ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Alahady 02 febroary 2020, dia tonga nitsidika ny toerana iasan’ny OTME (Office de Transmission Militaire d’Etat) ao Andafiavatratra (Haute-ville) ny Benin’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, ny Alakamisy 06 febroary 2020.

Tamin'io andro io no nitondrany fanampiana ara-pitaovana dia “caméras de surveillance” tena ilaina tokoa amin'ny fanara-maso tazan-davitra na “télé-surveillance”. Misy amin'ireo “caméras” ireo no apetraka eny amin’ny totohabaton'Antaninarenina sy Ambondrona izay toerana natao laharam-pamehana. Teo ihany koa ny fanomezana toromarika iaran’ny OTME sy Kaomin'Antananarivo Renivohitra (CUA) ho tanterahana (“partenariat”).


Ny Alatsinainy 10 febroary 2020 no hapetraka ireo “caméras” ireo eny amin’ireo toerana hafa izay hita fa mafampana amin’ny tsy fandriampahalemana. Eo amin'ny 200 eo ny isan'izy ireo. Manampy betsaka ny mpitandro filaminana eo amin'ny fitandrovana ny fandriampahalemana ny fisian’ny ireo “caméras” izay mipetraka eraky ny tanànan’Antananarivo ireo. Anisan’izany ny lafin’ny fanadihadihana (“enquêtes”) izay atao amina trangan-javatra niseho eny an-dàlana eny, toa lozam-pifamoivoizana, haro-paosy, sinto-mahery, sns.

Nanazava ny Jeneraly Rafaliarison Fidimalala Norbert, Tale Jeneralin'ny OTME, fa ho an’ny rehetra dia azo atao ny mangataka ny horonan-tsary mirakitra ny nitranga niseho, raha toa ka fantatra fa tafiditra ao anatin’ny farimbolan’ny “caméras” manara-maso napetraka eny an-dalàna eny, toy sinto-mahery ohatra, na fanendahana, na ihany koa lozam-pifamoivoizana. Ireo fangatahana anefa dia tsy olo-tsotra no manao azy fa tsy maintsy mandalo eny anivon’ny zandary na polisy manao ny fanadihadihana ka dia izy ireo indray no mandefa ny fangatahana eny anivon’ny OTME.

Raha vokatra tsara azo dia maro nandritra ny fametrahana ireo “caméras” ireo manerana an'Antananarivo, hoy ny Jeneraly Rafaliarison Fidimalala Norbert. Mirakitra ho tsiambaratelo ireo sary voarakitra, fa azon'ny olo-tsotra jerena raha toa ka tafiditra mivantana na vavolombelona tamina tranga teo amina toerana misy “caméras” ilay na ireo olo-tsotra. Kanefa ao anatin'ny 24 ora no tsy maintsy hanatonany ny mpitandro filaminana raha hijery ny sary voarakitra ireo olo-tsotra ireo.


Ankoatra ny eto an-drenivohitr'i Madagasikara dia hametrahana “caméras de surveillance” ihany koa ny faritra hafa ary koa ny tanan-dehibe toa Nosy-Be sy Toamasina.

Andry Rakotonirainy

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30