]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Jeannot Ramambazafy. Misy raha tokoa “La Terre”

Jeannot Ramambazafy. Misy raha tokoa “La Terre”

Ny Filohan'ny Holafitra ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, sy ny namana Jeannot Ramambazafy

Nantsoan'ny sampana “cybercriminalité” an'ny Pôlisy ao Anosy, omaly 13 Febroary 2020, ny namana mpanao gazety Jeannot Ramambazafy. Tsy nahalala ny tena antony izy raha tsy tao. Ary dia misy raha tokoa “La Terre”... Marihina fa notronin'ny Filohan'ny Holafitra ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, izy.

Io  “convocation” eo ambony io no navoakan'ny namana Jeannot Ramambazafy teo amin'ny rindriny Facebook saingy nesoriny ny ambony sy ambany. Fa eto dia voaporofo mazava fa tsy izy velively no nanamboatra io taratasy namboarina io fa ilay na ireo ao ambadiky ny pejy gazety Ny Marina ihany, izay tena miantsy ny mpitandro filaminana tsotra izao. ary tsy nahalala mihitsy izy fa anaran'olona tena misy io Ravonjiarison Cousin Germain io fa tsy noforonina

Raha namoaka ilay “convocation” namboarin'ilay na ireo ao ambadika ny pejy gazety “Ny Marina” ao amin'ny facebook ny namana Jeannot Ramambazafy dia izao ny antony : mora tokoa no manova taratasy na sary amin'ny alalan'ny “photoshop”. Ka fiantsoana na “convocation” an'i Ny Rado Rafalimanana no namboarin'ilay na ireo manimba tanteraka ny asa fanaovan-gazety amin'ny alalan'ny pejy voalohan'ny “gazety” nomeny anarana hoe “Ny Marina”, kanefa dia teny ratsy tsy fampiseho masoandro ary fanompana ny Filoham-pirenena sy ny Filohan'ny HCC amina voambolana tena mahatsiravina no hita eo.

Io “convocation” eo ambony io no namboarin'ilay na ireo ambadik'ilay pjey gazety Ny Marina ao amin'ny Facebook. Mitovy tsy misy valaka hafa tsy ilay anarana. Mety misy antony io fa tsy ho fanta-tsika raha tsy tratra ry zalahy mihevitra fa mbola hiriaria ela. Tadidin-tsika moa ilay nilaza fa nirodana ny tonelina Ambanidia sy ny hafa mpanely tsaho toa izany teo aloha?

Io “convocation” io dia misy ny datin'andro niantsoana an'i Ny Rado Rafalimanana sy ny adiresin'ity farany. Fa ny anarany kosa dia nosoloiny tamin'ny hoe Ravonjiarison Cousin Germain. Io taratasy namboarina io izany no navoakan'ny namana Jeannot Ramambazafy eo amin'ny rindriny Facebook. Ary tsy nahalala mihitsy izy fa tena anaran'olona tena misy any io anarana io ary anarana ana mpampianatra eny amin'ny ambaratonga ambony. Dia io izany no nitory azy raha nihevitra izy fa i Ny Rado no nanao izany.

Ny antony namoahany io taratasy namboarin'ilay ny ireo ambadika ny pejy gazety “Ny Marina” -fa tsy namboarina izy Jeannot Ramambazafy velively-, dia fampisehoany fa mora tokoa ny manova taratasy ofisialy ary nihevitra izy fa anarana fanaovana ohatra fotsiny ihany io fa tsy anarana olona tena misy. Fa nampiany ny adiresy tokana URL (Uniform Resource Locator na localisateur uniforme de ressourceamin'ny teny frantsay) an'ilay pejy Gazety “Ny Marina” kosa ilay lahatsoratra niaraka tamin'ny famoahana ilay fiantsona sandoka. Izany nataony dia ny ahafahan'io sampana “cybercriminalité” nampiantso azy io, mba hikaroka ny adiresy IP-n'ilay pejy gazety “Ny Marina”.

Ny adiresy IP (Internet Protocol) an'io http://mobile.facebook.com/gazetymarina/ io no tokony tadiavin'ny sampana "cybercriminalité" na ny an'ny Polisy na ny an'ny Zandary satria tena ilay asan-gazety mihitsy no ataon'ny sasany tsinontsinona

Ny adiresy IP (Internet Protocol) dia isa tokana (toa lava-tondro) ana solosaina iray izay miditra ao amin'ny aterineto (Internet). Tsy azo ovana izy io ary hita foana ilay solosaina nampiasaina n'aiza n'aiza misy anao eto an-tany. Rehefa tratra ilay na ireo nampiasa azy ireo dia ho fantatsika ary koa hiseho tena ry zareo no mpamoaka taratasy na sary ovana amin'ny alalan'ny “Photoshop” na “Paint”.

Ny tohin'ny raharaha dia izao : na tohizin'ny mpitory ny fitoriany dia miakatra tribonaly ny raharaha na manaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Pr Ravonjiarison Cousin Germain ary esorina eo amin'ny rindrin'ny namana Jeannot ilay fiantsoana namboarina misy ny anaran'ingahy Ravonjiarison.

Ka dia ho hitantsika miandalàna ny fivoaran'ity raharaha ity. Fa isaorana eto aloha ny Filohan'ny OJM, Gérard Rakotonirina, tsy niamboho adidy, ary hisaorana mialoha ihany koa ny sampana “cybercriminalité” ao amin'ny Pôlisy hanao izay tratrany hanatratrarana ilay na ireo ambadika ny pejy gazety “Ny Marina” manala baraka tanteraka ny asa fanaovan-gazety Malagasy.

Tsimba, La Gazette de la Grande ile – 14.02.2020

Mis à jour ( Vendredi, 14 Février 2020 07:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30