Eo ankavia ambony: mety be ny nataonao, Andriamatoa Senatora a!⊠Ny fehi-tenda manga izany no maha mpitondra feno izao an!? Tsy misy olana aminâi Rolly izany saingy tsy tonga tany Mahajanga ilay Praiminisitra nefa dokam-barotra izany (mbola ho avy ny "reportage")
Aoka hazava ity resaka ity aloha. Androany 3 Mey 2017, Andro Iraisam-pirenena ho anâny Fahafahanâny Fanaovan-gazety («JournĂ©e mondiale de la LibertĂ© de la Presse»). Tafiditra ao anatiny ity lahatsoratra ity sady ho rakitry ny Tantara politika malotonâny firenena malagasy. Tsy resaka alako bika tsy tiako tarehy na koa hoe fialonĂ na fa te ho minisitra koa ny tena na «rĂšglement de compte». Fisainanâny olona tsy handroso mihitsy izany. Fa kosa tokony tomponâandraikitra ny zavatra noteneniny ny tsirairay fa tsy hoe modiana tsy tadidy rehefa injay tody izay niriana. Ny soratra, Tompoko mitoetra ary ny taona mandrosoâŠ
Farany: izy tenany ihany no mahalala fa tsy misy olona manakarama ahy nanoratra ireo fampahatsiahivana ireo. Efa nazavany resalo taminy: na omeny Rajaonarimampianina, iray miliara isanâandro aho tsy hamadika ny anarana sy ny fampianarana nomenâny ray aman-dreniko aho. Dia ny mitana ny fahamarinana, ny fahitsim-po ary ny ara-dalĂ na sy ara-drariny. Hoy ny ray mandreninay izay: «Ny vola, anaka, tsy tanjona fa fitaovana. Loza ho anâizay mitady azy amina fomba rehetra fa zava-poana io ary mampanaotao foana». Efa nodimandry daholo ireo nialoha ahy fa mitoetra ny anatra napetrany. Ka avelao aho lazain'olona fa adala. Adala fa matory tsy amin'ny alina satria tsy misy eritreritra manenjika. Ny an'ilay ity efa maty tanteraka io eritreritra io.
Ndao ary.
Henoy anie i Rolly Mercia fony vao voatendry voalohany e! - ETO
26 Febroary 2014. Rehefa nasainâny Filoha Rajaonarimampianina natao raoka alika ny minisitry ny Serasera, Harry Laurent Rahajason, na koa Rolly Mercia -notendrenâny Filohanâny tetezamita ny 26 marsa 2011-, dia indro fa adino, na modiana tsy fantatra ilay voham-bolana hoe: «ny alika ihany no miverina aminâny naloany». Any ka ny 20 Aprily 2017 dia naverina soa aman-tsara eo aminâilay toerana nahatonga azy nivadika horera -eo aminâny foto-pisainana mihitsy-, ity mpanao gazety hoe «malaza» ity. Fa malaza aminâny fitiavam-bola diso tafahoatra ny tena marina.
Tsy azo alain-tahaka, tsy azo atao fitaratra na eo aminâny asa fanaovan-gazety na eo aminâny asa maha minisitra. Satria ny vola ihany no mibaiko azy. Ka asa, atsy ho atsy, iza no ho sahirana: ny namerina azy sa izy tenany nanaiky ny hiverina nefa efa mazava fa tsy hisy nâinona nâinona ho tontosa eo, afa-tsy ny fandravana tanteraka ny hasinâny fanaovan-gazety aminâny alalanâny zarazarao an-jakana.
Fantaro ary ny tena foto-pisainanâity Rolly Mercia ity. Fanambarana nataony tao aminâny radio Free FM 104.2 ny 24 Jona 2014. Izy ilay tsy mahatanty ny hoe « traversĂ©e du dĂ©sert » izay sedrainâny mpanao politika eran-tany amina fotoana iray.
Nalaina ho Dg-ny Groupe Presse ao amin'ny Sodiat izy rehefa tsy minisitra intsony izy. Iza moa no mitantĂ na ny Groupe Sodiat? Mamy Ravatomanga izay ataon'ity Rolly Mercia ity vain-dohan-draharaha ny manenjika azy ao amin'ireo gazety tohanan'i Mbola Rajaonah ara-bola, nefa aotra ny porofo. Izany ve dia olona itokisana intsony? TraĂźtre un jour, traĂźtre toujours, mon ami! Izy ve dia hahalala an'io Mbola Tafaray io noho izaho? SSSssss
Pic Vert Ambatobe, Taom-baovao 2012. Mbola olona izy tamin'izany
« Sahala aminâny tenako, aleho dia ny tenako mihitsy no resahiko. Iza moa izao no afaka ilaza hoe tsy mba niasa mihitsy ity Rolly Mercia ity taminy fampandaniana anâity Hery Rajaonarimampianina ity. Inona izao ny heloka no mba nataoko taminâi Hery Rajaonarimampianina? Kanefa dia resaka moa izany! Io dia izao satria hoe miaraka aminâi Andry Rajoelina. Izay izany ny heloka nataoko. Niaraka aminâi Andry Rajoelina. Izay fotsiny izany ny heloka natao amin-dry zareo. Ny dikanâizany na niasa io na tsy niasa nandritra ny telo taona naha minisitra azy na niasa be ary io nanao ilay propagandy, tsy ilaina io fa mandehana mandeha any! Ary tsy vitanâny hoe mandehana mandeha any fa fanaratsiana sy fanenjehana ohatranâny tena indray no devoly. Dia manontany aminâizay aho aminâizao fotoana izao (Ttf: volana Jona 2014 io) satria dia volana vitsivitsy izay no nitsangananâilay governemanta sy eo aminâny dimy volana eo no nitondranâilay Hery Rajaonarimampianina firenena: iza izao no tena devoly?
Mba manontany aminâizay aho ka izay ny mahatonga hoe: mba tonga aminâizay ny fotoana mba isehoana tsindraindray, iresahina, satria manana adidy ny tena. Ny firenena tsy avela fotsiny entina antokonâolona any anaty hady ohatranâizany, na inona toerana misy azy na inona toerana misy azy. Zon-tsika olom-pirenena tsotra ary zonâny mpanao gazety ny manao ny «interpellation», manao «critiques» ny zava-drehetra ka tsy miambahamba isika manao izany. Ho anâizay mbola tsy nahalala : ao anatinâio fitondrana io, ao aminâny «prĂ©sidence» ao mantsy misy gasy vaotonga tsy mahalala inona no niseho tany aloha tany ataonâny mpanao gazety sy ny rehetra rehetra teto aminâity firenena ity dia ampahalalana azy hoe an an an, tsy vao izao no nanaovana izany fa efa hatraminâizay no nanaovana izany. Raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika, ary manitsy aminâny fomba mivantana, tsy miambahamba ary amina zavatra tena marina no resahina. Ny «communication» ao aminâny «prĂ©sidence» moa dia mikoaka voanâny tiberkilaozy, mila fitsaboana any Fenoarivo mihitsy, reraka be».
MANINONA I ANDRY RAJOELINA NO TSY MITENY AMINâIZAO?
« Izaho moa izany tondroina akaiky aminy. Misy fotoana vitsivitsy anefa tsy tafahoana, tsy tafaresaka taminy. Na izany na tsy izany mazava ny toe-draharah : raha vao hiteny eo ange Andriamatoa Andry Rajoelina, hiteny kely ohatrâizao tenenin-tsika izao, dia ho tondroina indray fa hoe mitady hanakorontana ny fitondram-panjakana. Kanefa ianao ihany no nisafidy nampandany anâity Rajaonarimampianina ity. Noho izany, mbola be dia be ireo olona manodidina tomponandraikitra isan-tokony izay afaka tsara miresaka momba ny raharaham-pirenena aminâizao fotoana izao, fa tsy midika akory rehefa mangina izy dia tsy noraharahiny ilay zavatra. Fa ny zava-drehetra misy fotoanany ary ny zava-drehetra koa misy antana-tohotra ».
SAO DIA «SILENCE COMPLICE»?
« Izay aloha dia hahitsiko ary marobe ny olona manontany ahy anâizany hoe sao dia manao vazaha mody miady ianareo. Izaho ato ao anatiny no mijoro vavolombelona fa tsy izany ny fitantanĂ na ilay raharaham-pirenena e! Ny fenitra apetraka aminâny zavatra ho tratrarina dia tsotra hoe: an an an, ny tena no nampandany anâity ka na kendanâny vomanga nasesiky ny tanĂ na azy ny tena dia tsy hialangalana fa raha vao misy zavatra tsy mety sy tsy manara-dalĂ na, mihoatra ny fefy ataonâity fitondrana ity dia mitsangana miteny. Ary ilay miteny iny izany, tsy hoe miady akory. Izy no miady aminâny tena, fa ny tena tsy miady aminy akory na koa hieritraritra hanongana azy fa hoe : an an an, misy tsy mety dia mitsangana, na inona tsy mety, na inona tsy mety. Dia mitsangana aminâny tsy mety fa izao ny zavatra tokony atao.
Noho izany, mbola eo ireo an-tanan-tohotra isan-tokony eo anivonâny Mapar, izay afaka tsara miresaka, afaka tsara manao izany asa izany, rehefa ho avy foana ny fotoana raha ohatra ka tafakatra any aminâny fara tampony any ilay toe-draharaha, fa ho avy foana ny fotoana hitenenanâAndriamatoa Andry Rajoelina. Na izany na tsy izany dia afaka miteny aho fa tsy mankasitraka izao fomba fitantanĂ na aminâizao fotoana izao, efa tam-boalohany Andriamatoa Andry Rajoelina ka hatraminâizao ».
TSY MAHATSIARO MANANA ADIDY VE IZA RAHA ARAKA NY TENINAO TEO HOE: SENDRA VOMANGA NASESIKY NY TANANA, MAY NY AFO NATSANGAY?
« Ka izao: ilay izy raha ohatra ka isaky ny misy zavatra miseho ianao tonga dia mirakaraka miteny foana, lasa very an-javony fotsiny ny zavatra teneninao. Manome ohatra aho izao : omaly fotsiny, nijery vaovao tao aminâny fahita lavi-pirenena aho, Tvm omaly hariva, dia variana ary valalanina mihitsy. Izaho moa minisitry ny Serasera taminâny fotoanâandro, nihezaka tsara mba miasa tsara taminâireo olona ireo, mba mi-rĂ©glĂ© tsara hoe ohatrâizao ny matihanina, ohatrâizao ny fanaovana azy⊠Fa mandritra ny antsasakâadiny mahery miverimberina eo ny filoham-pirenena sy ny vadiny. Niafarany dia -ity moa fomba fiteniko taminâny andro fahiny- na izy manasa vilia eny an-dakozia, na izy mivoaka eny aminâny trano fivoahana sanatria, niafarany hitovy aminâizany raha tarihin-tsika ilay sary mivoaka dia handeha aminâizany. Fâangaha izany ilay izy e! Abosesehinao tsaramaso maraina atoandro hariva, maraina atoandro hariva eo ilay olona, marary kibo rehefa avy eo. Tsy izany ilay izy.
Ohatrâizay koa misy fomba fandanjalanjana aminâizay zava-drehetra hoe ho atao. Aminâizao fotoana izao marina efa mikaikaika daholo ny olona, ary mino marimarina aho fa tsy dia ho ela, mety manaja ny fankalazana ny fetim-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina dia tsy miteny, fa mino marina aho fa vita izay fanajana izay fetim-pirenena izay dia mino marimarina aho satria efa manomboka efa tonga any aminâny faram-tampom-tampony mihitsy ny fahavoazana mihitsy ny firenena aminâizao fotoana izao, fa mino marimarina aho fa hiresaka aminâny olona izy ».
MAHAY MITENY VE IANAO SATRIA EFA TSY EO AMINâNY TOERANA INTSONY? MOMBA NY TVM, MANINONA NY MPANOHITRA TSY TAFIDITRA? MANINONA IZAO SY IZAO? NIVERINA MPANAO GAZETY IANAO DIA MIVERINA AMINâNY TANY NY TONGOTRAO, AFAKA AMINâIZAY MANDINIKA « AVEC RECUL » FA TSY METY TOKOA ILAY ZAVATRA OHATRâIZAO SY IZAO NEFA NISY IHANY TAMINâNY FITONDRANA TETEZAMITA
« Ilay olona moa izany, ilay olona miresaka dia raisiny aminâny vatany ilay fomba fanaovany ilay resaka. Izy olom-pirenena tsotra, na izy mpanao gazety⊠dia everiny fa ohatrâizay koa ny tena. Ny tena anie anankiroa rehefa mitondra io e. Izay aloha nyfieritreretako. Karazana anankiroa ny « statuts »-ny tena. Ny « statut officiel » dia « ministre », ary ilay « statut » anankiray izay efa notaritaritina hatraminâizay dia hoe mpanao gazety. Dia ilay mpanao gazety natao ao anaty paosy aloha satria handeha anao « ministre ». Izay izany ny ato anatinâny tena ato. Un «ministre» anie «câest un exĂ©cutant» e!
Izany hoe anjarany ny mamolavola ny «stratĂ©gie» isan-tokony, hanatanterahana ny politika hitondrana ny firenena izay nataonâilay filoha voafidy teo izany. Izay ny hitondrana ilay toe-draharaha. Rehefa manatanteraka izany ianao dia manatanteraka ilay baiko. Izay. Rehefa tena tojo mihitsy ianao, eny aminâny fara-tampony, ka tena hoe mifanohitra tanteraka aminâny «conscience»-ko izany baiko asaina ataoko izany, dia afaka mametraka fialana aho. Izay ilay hoe «clause de conscience».
ETO MISY SANTIONANA MIVANDRAVANDRA IRAY
Ajanoko eto aloha ny resaka fa ao anatinâizany fanambarana rehetra izany dia ity ny fanontaniana: iza no namita-tena taminâny famerenana ity Rolly Mercia ity ho minisitra? Iza no hino inona fa hisy fahagagana -eo aminâny mpitondra sy eo aminâny asa fanaovan-gazety- satria niverina ilay «RĂŽla»? Aza manofy atoandro ry zalahy a! Ary aza mieritreritra fa hoe niverina minisitra dia hisy ny «trĂȘve» ho antsika mpanao gazety. Tsia!Tsy maintsy manaraka ny baikonâny Praiminisitra Olivier Mahafaly, raha tsy izany voadaka fanindroany eo dia veloma mandrakizay ny volabe antenaina.
Rolly Mercia, Hery Rajaonarimampianina, VĂ©ronique Resaka, Yvette Sylla, Jeannot Ramambazafy izay tsy azo vidiam-bola na oviana na oviana
Satria mantsy tsy mpanao gazety intsony izy izany. Ny dikany: tsy afaka mamelively mivantana izay tiana ho velesina intsony izy (indrindra fa ireo olona tao aminâny Tetezamita niaraha-nitantana) fa ny «robots» no ho ampiasainy ao anatinâireo gazety noforonina manokana tsy ho «contre-pouvoir» velively fa kosa «au service du pouvoir» tanteraka. Inona anefa ny tanjona miala avy aminâny baiko maha «exĂ©cutant» azy? Tsoriko mivanta: aminâny fomba ahoana no hampanginana sy hanagadrana ireo mpanao gazety mpanohitra toa ity Jeannot Ramambazafy ity?
Enjeho ihany ny tetezamita e!
Samia ela velona isika hahita sy hiaina ny hiafaranâity Rolly Mercia ity izay mitovy taona amiko fa tsy hitovy amiko na oviana na oviana. Amiko aloha dia tsotra: câest la derniĂšre chance de sa vie pour tenter devenir milliardaire comme Mamy Ravatomanga, son authentique sauveur, mais quâil ne cesse de diaboliser dans le pur respect de la dĂ©marche de Judas lâIscariote vis-Ă -vis de JĂ©sus pour 30 deniers. Vola, vola ihany, vola foana no mampamadika ny olona eo akaikinao. Mitandrema ry mpamaky hajaina.
Mitovy samy 63 taona fa tsy ho sahala na oviana na oviana
Soa fa kely sisa no ananan-tsika ireo mpitondra mpandainga sy mpivarotra tanindrazana ireo. Ie: dimy taona ny «mandat» iray. Nefa asa satria ny Lalampanorenana aza vitany ny nanolana azy toa tendanâakoho. Fâaza taitra ihany ny vahoaka malagasy a! Mety io: bravo Hery vaovao!
Jeannot Ramambazafy â 3 Mey 2017