Augustin Andriamananoro, dans son bureau ministériel, ce 26 mai 2010
Qu’est-ce qu’on ne raconte pas sur certains ministres qui n’ont plus été reconduits au sein du gouvernement Vital II. Cela n’a qu’une signification : en mettant en exergue les mots « éviction » et « limogeage », bon nombre de communicateurs malgaches perdent totalement de vue qu’il existe les mots « démission » et « mise à disponibilité ». Mais faut-il leur jeter la première pierre ? Durant 50 ans, un demi-siècle, les Malgaches ont été habitués à ces dirigeants -du moindre chef de quartier au président de la république- qui, une fois nommés ou élus, tentent tout -mais alors tout !- pour garder leur fauteuil. Une des premières causes des soulèvements populaires de 1972, 1991, 2002 et 2009. Mais le temps des « mandats à vie » est fini. Qu’en est-il d’Augustin Andriamananoro, ministre des Télécommunications, Postes et Nouvelles Technologies ?
==================================
Tsy tsara loatra ny hoe « nanesorana anao ». Ny marimarina kokoa dia ny hoe : tetezamita no ataon-tsika ary hanomanana ny repoblika faha-4 ka tsy voatery eto anivon’ny ministera fotsiny ihany no afahana manatanteraka izany adidy sy andraikitra izany. Betsaka ny toerana hafahana manao izany zavatra izany. Ary ny tenako moa dia ho hitanareo eo ihany fa hisy andraikitra vaovao izay tsy analavitra ny Filohan’ny tetezamita mba hafahantsika manampy azy hanatanteraka ireo sori-dalà na rehetra izay voalahatra tamin’ireny lahateny nataony ireny. Tsara ho marihina ihany, tsy hoe, sanatriavin’ny vava, fanilihina ny namana fa fandaminana mba hampihety kokoa ny fomba fiaraha-miasa hiatrehana izay adidy goavana be. Satria ny miandry antsika ankehitriny dia mbola maro eo amin’ny fametrahana izany repoblika faha-4 izany. Ho avy, ohatra ny fiatrehana ny dialogue national ; hisy ihany koa ny fanovana ny lalampanorenana ary indrindra indrindra ny fiatrehana ireo fifidianana maro samihafa indrindra indrindra ny fitsapa-kevimbahoaka mikasika izany lalampanorenana izany. Izany hoe ; tsy afaka sady eto anivon’ny ministera ny tena ny sady hamita ihany koa ireo iraka maro maro sy mankadiry ireo ho an’ny firenena.
Il n’est pas exact de parler de limogeage ou d’éviction. La réalité est que nous sommes là pour une période transitoire vers la IVe république et qu’il n’est pas obligé de diriger un ministère pour mener les actions allant dans ce sens. Il existe beaucoup de postes -sous-entendu hors du gouvernement- permettant de mener cette lutte. Pour ma part, vous en saurez plus sur une nouvelle responsabilité proche du Président de la transition afin de l’épauler selon les directives dont il a publiquement fait part. Il importe de souligner que mon départ n’a rien à voir avec le fait d’écarter un compagnon de lutte mais il s’agit d’une question organisationnelle pour mieux aborder les actions à mener afin de sortir de la crise, à travers la mise en place de la IVè république. Il y a, d’abord le dialogue national ; puis la rédaction d’une nouvelle constitution ; ensuite, et non des moindres, l’organisation des consultations populaires, à commencer par le référendum constitutionnel. Ce qui signifie qu’il ne serait pas logique d’être à la fois au sein du gouvernement et de mener les actions citées pour le bien de la nation.
Ary ny lokaloka tamin’iny tolom-bahoaka iny moa dia ny hoe : hanova, hitondra fanovana isika. Ka ny fanovana voalohany aloha dia ny amin’ny tena-tsika. Tsy tokony misy izany hoe fifikirana amin’izany seza izany satria izany no niadivana teo raha oharina ny tamin’ny teo aloha sy taloha. Eto dia tiako no manamarina fa efa milamina ary mirindra ny fanaovana ny famindram-pahefana rahampitso ihany (27 may 2010) amin’ny minisitra izay hisolo toerana eto. Araraotiko eto ny mitso-drano azy haleo halasana mba hanohy ireo dingana sy ezaka izay natao teo anivon’ity ministera ity. Raha mikasika ny zava-bita dia misy ny dingana izay azo tsapahi-tà nana ankehitriny ary isaorana ny mpiara-miasa izay nifanome tà nana. Isan’ireo nisongadina tamin’ireo dia ny fametrahana ny tetik’asa IMAILAKA. Teo koa ny teteik’asa VOHIKALA izay tsiahivina ihany fa tsy mba nindrama-tsika vola tamin’ny any ivelany fa fahaizana niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ankehitriny dia miroborobo izany tetik’asa roa izany. Eo amin’ny tetik’asa IMAILAKA dia misy ny nametrahana ny Anjerimanontolo vaovao antsoina hoe université en ligne misy praograma samihafa hafahan’ny tanora malagagasy misoratra anarana sy mandray andraikitra. Jereo :
Par ailleurs, il faut se rappeler que le défi de la lutte populaire était d’apporter le changement. Et le premier changement doit venir de nous. Exit la mauvaise habitude des dirigeants de vouloir s’accrocher à un fauteuil à tout prix. Ce n’est pas pour faire perdurer cette mauvaise pratique que nous avons lutté. Aussi, je vous donne, ici, un scoop : tout est déjà prêt pour la passation de service qui aura lieu dès demain 27 mai 2010, entre le nouveau ministre et moi. A présent, s’il fallait dresser un bilan de cette année que j’ai passé à la tête de ce ministère, nous avons eu des réalisations palpables, grâce à la collaboration de tout le personnel. Parmi ces réalisations, citons la mise en place des projets IMAILAKA et VOHIKALA devenus réalités sans avoir contracté de dettes extérieures mais grâce à la confiance de nombreux partenaires. Actuellement, ces deux projets fonctionnent à merveille. Pour IMAILAKA, a été mise en place des universités en ligne, destinées aux jeunes Malgaches et offrant des programmes d’études très divers et diversifiés. Voir :
Eo ihany koa ny fametrahana ny Télé médecine iarahana miasa amin’ny IMM na Institut Médical de Madagascar etsy Anosy. Efa mandeha daholo izany tetik’asa izany. Eo ihany koa ilay tetik’asa IMASO izay efa mipetraka ankehitriny. Io tetik’asa io dia hafahan’ireo mpitondra fanjakana mifanerasera mivantana amin’ireo filoham-panjakana afa eto anivon’ny Afrika izay mahakasika firenena 53. Ny tetik’asa VOHIKALA moa, raha hiverenana kely dia fametrahana eo anivon’ny vahoaka malagasy ireo teknolojia vaovao sahaza ho an’ny fampandrosoana maharitra. Izy io dia efa miely patrana eran’i Madagasikara eo anivon’ny distrika. Matoa tanteraka izany tetik’asa izany dia noho ny fiara-miasa amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na hoe collectivités décentralisées izany ; ny communes sy ireo Ong izay mpiara-miombon’antoka maromaro eo anivon’ny io tetik’asa VOHIKALA io.
Toujours dans le cadre d’IMAILAKA, il y aussi la Télé médecine, en partenariat avec l’IMM ou Institut Médical de Madagascar à Anosy. Ce programme est également fonctionnel. Nous avons aussi le projet IMASO qui permettra à 53 chefs d’Etat d’Afrique de communiquer en temps réel, en images et en sons. Si nous revenons sur le projet VOHIKALA, il s’agit de structures et d’infrastructures permettant de désenclaver les régions du pays afin que la population malgache ait accès aux nouvelles technologies et ses applications, pour aller vers un développement durable. Ce projet a pu être concrétisé grâce au partenariat des collectivités décentralisées, des communes et des nombreuses Ong qui ont participé pleinement à la réussite du projet.
Teo koa ny tetik’asa voatontosa eo anivon’izao tetezamita izao, dia ny fahavitan’ireo tambazotra lehibe anankiroa afahan’i Madagasikara mifanerasera amin’izao tontolo izao. Tamin’ny volana novambra 2009 ny fahatongavan’ny câble LION an’ny Orange Madagascar ; teo ihany koa -tamin’ny volana marsa 2010 teo- ny fitokana-tsika câble EASSY izay niaraha niasa tamin’ny orinasa TELMA Izany dingana izany dia nafahan’i Madagasikara nahavita izany hoe économie numérique. Tsara ho marihina fa ao aorian’ny fametrahana ireo tambazotra ireo dia ho betsaka ny fahafahan’ny orinasa eto Madagasikara tsy hifandray amin’ny any ivelany fotsiny ihany fa hampiroborobo ny fiarian-karena amn’ny ankapobeny, satria betsaka ny asa azo vokarina amin’izany izay tsy azo natao teo aloha noho ny tsy fisian’izany tambazotra izany. Ohatra ny atao hoe : délocalisation des services na ny centres d’appel (call centers). Eo koa isika tanora malagasy manana traikefa eo amin’ny lafin’ny informatika afaka mamokatra ireny logiciels ireny, solosaina sy ny afa maro be.
L’Histoire retiendra également deux grands projets qui auront été finalisés durant cette période de transition : la mise en place du câble LION d’Orange Madagascar, en novembre 2009 et celle du câble EASSY de la Telecom Malagasy ou TELMA, en mars 2010. Ces deux grands projets ont permis une économie numérique pour Madagascar et permettra surtout d’apporter de la valeur ajoutée, à travers la création d’emplois dans le domaine de la délocalisation des services (call center, par exemple). Mais aussi, cela permettra aux jeunes Malgaches du domaine informatique de produire des logiciels spécifiques au développement du pays, par exemple.
Raha eo amin’ny lafiny demokratia, eo amin’ny sehatry ny zon’olombelona, dia sendika anankiroa no voatsangana eo anivon’ny mpiasa ato amin’ity ministera ity. Izany hoe : nisy koa ny firosoana amin’ny fahalalahana fanehoan-kevitra ao anatin’ny fanajana tanteraka sy ny fahasamihafana. Zava-dehibe izany zavatra izany. Raha bangoina tokana dia nisy ny fanatsarana eo anivon’ny sosialin’ny mpiasan’ny ministera. Raha ny Paositra manokana ny asian-teny dia mahafaly ny miteny fa ankehitriny ny Paositra Malagasy (PAOMA) dia efa manomboka miarin-doha ary efa mampiasa ny fampitana vola amin’ny alà lan’ny finday izay iarahana miombon’antoka amin’ny orinasa Orange. Ireo angamba no tokony ho fantatra tamin’ireo zava-bita nandritra ny herintaona mahery nitondrana ity ministera ity. Izany tsy midika akory fa vita atreho ny ezaka fa ny minisitra izay handimby toerana eto dia tsofin-drano sahady mba hanohy izay efa natomboka. Isany amin’ireny, ohatra, ny tetik’asa RAVINALA izay hafahan’i Madagasikara mifandray amin’ny tambazotra vaovao miaraka amin’ny Nosy La Réunion. Ao koa ny fanohizana ny fikarakarana ny fifidianana. Izany hoe : fampitana amin’ny tambazotra ny voka-pifidianana
Dans le domaine de la notion de démocratie, volet droits de l’homme, deux syndicats des travailleurs ont été créés au sein de ce ministère. Ce qui signifie que leur droit à la liberté d’expression est devenu réalité dans le respect mutuel et la diversité culturelle. C’est réellement un grand pas en avant. Pour résumer, le domaine du social des travailleurs n’a pas été mis à l’écart ou voué aux calendes grecques comme auparavant. En ce qui concerne la Paositra Malagasy ou PAOMA, elle commence à renaître de ses cendres. En partenariat avec Orange Madagascar, les Malgaches peuvent désormais, envoyer de l’argent via un téléphone portable. Argent qui pourra être retiré dans un bureau des Postes. En gros, voilà le bilan de l’année durant laquelle j’ai eu la charge de ce ministère des Télécommunication, Postes et Nouvelles Technologies. Cela ne signifie pas qu’il n’y a plus rien à faire. Au contraire, et je présente déjà , ici, mes souhaits de pleine réussite au nouveau ministre dans la continuation des efforts déjà entrepris et de ce qu’il y a encore à faire. Comme, par exemple, le projet RAVINALA qui permettra à Madagascar d’être relié au monde à travers un autre câble. Un projet en partenariat avec l’île de La Réunion. Mais il ne faudra pas perdre de vue l’organisation des futures élections. Plus exactement, la transmission informatisée des résultats venant des 22 régions de la Grande île.
FANONTANIANA : RAHA TSY « VOARAOKA » IANAO, ARY KOA TSY « VOASAZY ». HIROTSAKA VE IZANY IANAO, ATOA MINISTRA ?
Fanontaniana fandrika ihany izany fanontanianao izany… Izao no izy : tsy maintsy hajain-tsika ny tenin’ny Praiministra, lehiben’ny Governemanta, satria raiamandreny izy ary matoa izy milaza hoe : tsy mety tokoa raha sady eo anivon’ny governementa ianao no sady hikarakara ny fifidianana no hirotsaka hofidiana. Tsy misy maharatsy izany zavatra izany. Tokony izany isika hampiseho modely. Andron’ny fanovana izao, araka ny voalazako teo. Ka ny fanovana voalohany dia miankina amintsika voalohan’indrindra ihany koa. Ka ny hirotsaka na tsy hirotsaka ? Miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra io ary ankinin-tsika Aminy izany zavatra izany. Fa eo ihany koa ny fanirian’ny vahoaka malagasy tsy maintsy henoina : fanirian-dry zareo tokoa ve ny tokony hirotsahan-tena hitondrana ny teniny ? Izany hoe : misy ny sehatra afa izany hafahan’ny tena maneho izay fandraisana andraikitra izay mba tena ho an’ny fampandrosoana iombonana eto Madagasikara. Nefa tsy fotoana izao no ilazako sahady satria izay ilay hoe : mettre la charrue avant les bœufs. Fa misy ny vaindohan-draharaha mahamaika antsika ankehitriny dia ny fomba hanampian-tsika ny Filohan’ny tetezamita mba ho tontosa soa aman-tsara ao anatin’ity taona 2010 ity ihany, arak’ireny toro-marika napetrany ireny ihany, ny tetezamita ? Dia hifanome tà nana aminy izany isika amin’ny andraikitra maro samihafa.
QUESTION : SI VOUS N’AVEZ ETE NI « EVINCE » NI « SANCTIONNE », CELA SIGNIFIE-T-IL QUE VOUS ALLEZ BRIGUER UN MANDAT ELECTIF, M. LE MINISTRE ?
Cela ressemble à une question piège… Alors voilà  : nous devons respecter les déclarations du Premier ministre, Chef du gouvernement et « raiamandreny » (intraduisable) lorsqu’il a explicité qu’il n’est pas logique de faire partie du gouvernement et en même temps organiser les élections et se porter candidat. (Ndlr : Le PM Vital a dit exactement : Celui ou celle qui entend se présenter ne doit pas faire partie du gouvernement et doit démissionner ou refuser sa nomination). Il n’y a aucun mal à cela. Et nous devons être des modèles. Et c’est le temps du changement, comme je l’ai déjà . ET l’exemple dot venir de nous-mêmes également. Vais-je ou pas me porter candidat aux élections (Ndlr : parlementaires) ? Cela dépend de la volonté de Dieu et nous nous en remettons à Lui. Mais entrent en compte aussi le souhait de la population dont il faut être à l’écoute : souhaiterait-elle que je me présente pour les représenter ? Déjà cela signifie qu’il y a d’autres postes de responsabilité permettant d’agir et d’aller vers un développement commun à Madagascar. Mais je ne veux pas mettre la charrue avant les bœufs. Chaque chose en son temps… L’important, actuellement, est de trouver la meilleure façon d’appuyer le Président de la transition pour que celle-ci prenne effectivement fin cette année 2010, selon ses directives. Nous serons donc présents et prendre nos responsabilités pour lui apporter toute l’aide nécessaire à cette fin.
INONA IZANY ANDRAIKITRA AFA IZANY ? SATRIA IANAO DIA ANISAN’IREO IZAY OLONA TENA AKAIKY NY FILOHAN’NY TETEZAMITA ?
Ho avy ny fotoana hahafantaranareo izany zavatra izany… Fa ny zava-misy ary marina ny voalazanao : isan’ny olona atokisan’ny Filohan’ny tetezamita ny tenako. Mbola tsy nitantana ny tetezamita akory aza izy dia efa nanampy azy aho fony izy Ben’ny tanà nan’Antananarivo. Mpanolotsainany moa ny tenako tamin’ny fotoan’andro. Ankehitriny aho dia ministra ary rahampitso dia mety andraikitra afa no mety hapetrany amiko. Fa ny zava-dehibe dia ny fanomezan-tà nana ihany amin’ireo efa lokaloka natao teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, hoe : hametraka an’i Madagasikara isika amina fiaraha-monina vaovao, amina rivotra politika vaovao ary tena hitondra ny fanovana. Ka ny fanovana voalohany dia tsy maintsy ataon-tsika modely. Matoa izy nilaza hoe tsy hirotsaka ho fidiana amin’ny repoblika faha-4 dia efa miova izany, mamadika pejy isika eo amin’ny Tantara. Sambany izany. Ary tenin-dehilhay ireny, tsy hiverenan-tsika intsony. Matoa izy sahy, izany hoe mampandefitra ny ambo-pony dia mampiseho modely ho an’i Madagasikara fa tokony anana fanetrehan-tena ny mpitondra. Tsy tokony hifikitra amin’izany fahefana izany na hibodo toerana. Satria izay no nitolomana teo, izay no nampitraotra ny vahoaka malagasy ankehitriny. Koa amim-panetrehan-tena sy am-pitiavana no hanaovako ny famindram-pahefana amin’ny ministra izay handimby toerana eto. Ary eto dia tsofin-tsika rano sahady izy mba haleo alasana hanatontosa ireo adidy sy andraikitra ary ny dingana sy ezaka izay efa natomboka eto amin’ity ministera ity.
QUELLES SONT CES RESPONSABILITESÂ ? CAR VOUS FAITES PARTIE DES PROCHES DU PRESIDENT DE LA TRANSITION
Vous le saurez au moment opportun… Mais ce que vous avez dit est exact : je fais partie des personnes dont le Président de la transition porte toute sa confiance. Mais nos relations datent du temps où il était le Maire de la ville d’Antananarivo. A l’époque, j’étais déjà un de ses conseillers. Aujourd’hui je suis ministre. Mais demain il pourra me confier une autre tâche. Mais l’important est d’apporter une contribution dans le cadre des défis lancés sur la Place du 13-Mai. En priorité : amener Madagascar dans une nouvelle manière de vivre, apporter un souffle nouveau dans la façon d’y faire de la politique, apporter le changement. Et le premier changement doit émaner de nous-mêmes. S’il a déclaré qu’il ne briguera pas de mandat présidentiel pour la Ive république, c’est déjà un grand changement et nous sommes en train de tourner un page de notre Histoire. C’est quelque de chose d’inédit, de jamais vu ni entendu. Voilà bien des paroles d’homme d’Etat sur lesquelles nous ne reviendrons plus. Mais s’il a eu le courage de le dire, s’il a laissé au vestiaire tout orgueil, il a donné l’exemple à toute la classe politique à Madagascar qui devait avoir le minimum d’humilité. Plus aucun dirigeant ne devrait s’accrocher à tout prix à son fauteuil. Et c’est contre cela que nous avons lutté ; c’est contre cela que le peuple malgache s’est levé et continue encore de refuser ce genre de pratique. Aussi, c’est avec humilité et amour que j’effectuerai la passation de service avec le nouveau ministre. Et, encore, une fois, je lui souhaite tous mes vœux de réussite dans l’accomplissement de ses devoirs, dans le pur respect de la continuité de l’Etat.
Interview, transcription, traduction, photos :
Jeannot RAMAMBAZAFY – 26 mai 2010