]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Marc Ravalomanana. Tsy mahazo mivoahaka ny Afrika Atsimo hatreto

Marc Ravalomanana. Tsy mahazo mivoahaka ny Afrika Atsimo hatreto

Fampitam-baovao momba ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety nataon’i Maitre David Erleigh (sary kely etsy ambony), mpisolo vava Afrikana tatsimo, ireo AV7, niharam-boina tamin'ny 07 Febroary 2009. Mbola ho avy eo ihany ny fanampim-panazavana misimisy kokoa momba ity raharaha ity.

Hîtel Mellis, ny zoma 2 Novambra 2012. Zavatra telo no nivoitra tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izay nataon'ny mpisolovavan’ny fikambanana Av7, manoloana ny tranga nisy tamin'ny 07 febroary 2009.

- Teo aloha ny fanazavana ny didy nivoaka tany Afrika atsimo, tsy ahafahan'ny Filoha teo aloha mivoaka an'i Pretoria. Didy izay navoakan'ny Fitasarana afrikana tatsimo ny 17 septambra 2012. Isan'izany ihany koa ny fandidiana an'Atoa Ravalomanana Marc hanome ny pasipaoro- ny ny polisy ao an-toerana. Hatramin'izao dia mbola mihatra io didy io. Tao anatin'ny 22 taona niasan'ity mpisolovava ity, raha ny nambarany, dia tsy mbola nisy zavatra ela tahaka izao ny amin'ny namoahan'ny mpitsara ny didy momban'ny famerenana ilay pasipaoro na ny fanamafisana ny tsy fahafahany mivoaka ity toerana ity. Raha ny fanazavany ihany dia tokony ho vita vetivety izany kanefa dia ela ny fanatanterahana azy.

- Ny zavatra faharoa dia ny fampiharana ny satan'i Roma izay efa nankatoavin'ny Repoblikan'i Afrika atsimo. Izay no mahatonga an'i Afrika atsimo ho mahefa amin'ity raharaha mikasika ny famonon'olona na fandripahana olona ity. Koa satria Atoa Ravalomanana Marc dia mipetraka ao Afrika atsimo dia izay no ahafahan'ny Fanjakana Afrikana tatsimo manenjika an'ity Filoham-pirenena teo aloha ity. Amin'izao fotoana izao araka izany dia misy fanadihadiana ataon'ny Fitsarana Afrikana tatsimo. Marihina fa ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo dia mahaleo tena tanteraka. Efa misy ny olona voatendry hanao izany fanadihadina lalina izany sy hanangona ireo porofo rehetra mikasika ny
raharaha 7 Febroary 2009.

- Ny farany dia ny fitakiana ny onitra ho an'ireto niharam-boina ireto. Ny didy nivoaka taty Madagasikara ahafahana mitaky ny onitra any Afrika atsimo ary nangataka ny Fitsarana any Afrika atsimo amin'ny hampiharana ny didy any an-toerana. Ny fangatahan ity mpisolo vava ity sy ny olona arovany, dia ny hampiharana marina ny lalĂ na ka hamarotana ireo fananan'Atoa Marc Ravalomanana, hanomezana ny onitra ireto niharam-boina tamin'ny 07 febroary 2009. Onitra nofaritan 'ny didim-pitsarana mahefa nivoaka teto Madagasikara, mba ahafahan'ireo kamboty tsy fidiny, sy ireo nitondra takaitra tamin 'iny raharaha iny, hiaina ara-dalĂ na. Misy fifanakalozana sy fifampiresahana araka ny lalĂ na eo anatrehan'ny Fitsarana Afrikanina tsatsimo eo amin'ny mpisolovava ny Filoha teo aloha sy mpisolovava ireto niharam-boina ireto ny amin'izay tokony hampiharana izany didy izany. Misy taratasy an-tsoratra manamafy ny fangatahana ilay onitra alefa any amin'ny mpisolovava ny Filoha teo aloha.Efa nanoratra tany aminy SADC koa ity mpisolo vava ity, mba hampiharana io fanomezana onitra io sy hivoahan'ny marina momba ity raharaham-pitsarana ity.

Tao anatin'io fotoana io indrindra no nifanakalo hevitra sy nanontany manam-pahaizana sady mpahay lalàna malagasy sy mpahay lalana vahiny momba ny fitsarana iraisam-pirenena ity mpisolo vava afrikana tatsimo ity, raha toa ka tena ara-dalàna sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fitsarana natao teto Madagasikara momba ny raharaha 07 Febroary, ka efa namoahana didy. Ny mpahay lalàna Malagasy sy vahiny, izay nakana hevitra, dia manambara fa tena manaraka ny fenitra ary mihoatra noho izany aza ny Fitsarana malagasy mikasika ity raharaha ity. Ohatra: Misy mpitsara iray tena matihanina izay notendren'ny Fitsarana mikasika ity raharaha ity miaraka amina “assesseurs” efatra. Ireto farany dia fisarihana no natao nahazoana nanendry azy ireo hanaraka ny raharaha. Ity tranga ity no ahafahana milaza fa somary ambony kokoa noho ny fenitra iraisam-pirenena aza ny fepetra nampiharin 'ny fitsarana malagasy.

H. R.

Mis Ă  jour ( Dimanche, 04 Novembre 2012 18:14 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...