Misy tsy milamina tokoa angaha ao an-tsainâity kandida ho filoham-pirenena mitondra ny laharana faha-34. Tsy nahazo alĂ lana ampiasa ny kianjanâImahamasina izy ka raha niziriziry teo dia hoe hesorina tsy ho kandida intsony. Dia najanony tokoa ilay famorianâolona.
Fa zavatra tsy fahita hatraminâizay kosa no nataony ho solony. Ireo misy sary telo be izao ary toa tsy mampino. Ka ny fanontaniana dia tsotra : fa naninona Ingahindriana Edgard lereitsy ?
Raha izany aloha noheveriny fa hahalany azy dia lavitry ny afo tanteraka ny kitay satria tena zavatra mamoa fady mihitsy ity tranga iray ho raiketinâny Tantara ao anatinâny fahadalana tsotra izao. Fa io koa ve dia ekenâny lalĂ nanâny fifidianana (âCode electoralâ)? Fangaha moa tsy misy toerana voatokana aminâizany ? Nefa anie PDS teo aloha Ingahindriana Egdard Razafindravahy? Inona indray no hitranga ary iza indray no hanao akaondranana manaraka? Sa fomba hitsoahana an-daharana kosa io ? Dia ahoana izao ny holazainâi Lanto Rakotomavo (Filoha nasionalinâny antoko Tgv) izay nanao izay mety ho anâny âPrezidĂ Edgardâ, tao aminâny fandaharana Belou (RTA) aninkeo maraina? Mbola ho avotra ve? Satria efa fiantomboanâny hoe âCulte de la personnalitĂ©â ny tahakâitony⊠Azy angaha Antananarivo ? Eny na ohatra aza ka mbola PDS teo foana izy ? Ary tena notsindriany mihitsy ny soratry ny RenivohotrâI Madagasikara malalan-tsika. Oadray !
Mino aho aloha f'efa nesorina ireo soratra ireo, saingy ny sary mitoetra...
Jeannot Ramambazafy â 21 Oktobra 2013