Teo imason'ny mpanao gazetin'ny AFP mihitsy i vazaha be no nanambara fa mizaka ny zom-pirenena frantsay izy ary mpikambana ao amin'ny antoko sosialista ao Frantsa (Sary Afp). I Sahondra Rabenarivo dia vehivavy lalin-tsaina loatra ka matetika mifanohitra ny zavatra tiany ambara.
Tsy roa na telo, fa maro ireo porofo afahana milaza fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ny Dokotera Jean Louis Robinson, izay kandida ho filoham-pirenena Malagasy. Dada izany an !
Maro ireo mpifidy any aminâireo faritra 22 no tsy mahalala izany. Torakâizany koa ireo mponina ao Antananarivo nivovoho rehefa nitarika ity kandida laharana faha-33 ity. Variana taminâireo sarinâi Dada sy Neny, angaha, ka tsy mahalala ny zavatra hitranga atsy ho atsy ?... Tsotra ilay izy : hifidy vazaha be ny gasy kely ary avy eo hanenina. Dia hidina an-dalambe indray ve ? Fotoana izao ny hirosoana fâefa be loatra ny tetezamita nisy teto Madagasikara.
Niverina i Deba dia nivarina ny firenena malagasy
Sa efa tena voahozona tokoa ny gasy kely ka mihemotra lava aorianâny nihinana izay efa naloa ? Asa aloha fa ity misy ohatra iray sy fanontaniana. Niverina ny Amiraly Ratsiraka, ny taona 1996. Nandroso ve ny firenena to ambanâny repoblika âhumaniste Ă©cologiqueâ ?
Ato dia manambara mihitsy loza mitatao ho an'ny zon'olombelona io "franc-maçonnerie" lazainy fa sekta io
Dia anareo ny mamaly izany fanontaniana izany. Fa izao tsarovy foana ao an-tsaina: i Jean-Robinson, vazaha, dia mpikambana ao aminâny âfranc-maçonnerieâ (fikambanana miafina matanjaka be, ka manana rantsana eran-tany eo anivonâireo mpitondra, indrindra ao Afrika ao. Ny tombontsoanâny Lafrantsa sy ny tombontsoan-dry zareo manokana no tena arovany fa tsy ny anâny vahoaka velively). Ary mpikambana ihany koa ao aminâny antoko sosialita frantsay, izay misy anâny filoha François Hollande.
Mitsipika manga: "soutenu par le francophobe Marc Ravalimanana". Ny dikan'ny hoe "francophobe" dia tsy tia Frantsay hatrany amin'ny tsinay mainty
I Marc Ravalomanana indray dia tsy te-hahalala anâizany Lafrantsa izany satria, hoy izy, taorianâny fanonganana azy ny Frantsay. Miseho olom-piangonana vonto finoana i Dada, kanefa ny fikambanana misy ny kandida natolony dia tsy mivaky loha aminâizany ary ny fiangonana eran-tany tsy mifanerasera aminâizany âfranc-maçonâ izany mihitsy.
Ka tsy mifanohitra be ve ny tadin-dokanganâizy roalahy raha tena dinihina lalina ? Adinâny samy fetsy izany ny anâi Dada sy ny Dokotera vazaha be fa ny vahoaka Malagasy tsy mandady harona no atao totohotra fiakarana. Ka dia asakasarareo fa raha mbola voarebirebinâi Dada ianareo dia aza mifanome tsiny atsy ho atsy. Dia tena adala tokoa ve ka hifidy vazaha be ny gasy kely ? Manomboka eto izany ny fanovana ilay toe-tsaina tsy mpandroso anâny firenena Malagasy : faly am-boalohany dia avy eo mifanilika. Farany: mazava raha manohana anâio dokotera vazaha be io ireo miseho Gasy tia tanindrazana (GTT), satria ny ankamaroanâizy ireo dia mizaka zom-pirenena frantsay ihany koa. Ka iza marina no tena hivarotra ny tanindrazana ? Valiny : ny gasy kely ihany. Ka samia mahazaka ny vokany atsy ho atsy e !
Jeannot Ramambazafy â 1er Novambra 2013