Mahaiza mandanja tsara daholo aminâizy roalahy ireo
Ny faritrâAnalamanga no azo ambara ho nahazoanâny kandida Robinson Jean Louis tombom-bato betsaka indrindra taminâny fihodinana voalohanâny fifidianana filohampirenena izay natao taminâny faha-25 oktobra teo.
Saika ireo mpanara-dia an-dRavalomanana sy ireo diso fanantenana taminâny fitondrana tetezamita no nahatonga azy ho nahazo izany ampaham-bato betsaka izany.
Taorianâiny fihodinana voalohany iny anefa dia maro ny tranga niseho avy aminâity kandida mametraka ho laharam-pahamehana ny fampodiana an-dRavalomanana ity. Nanomboka nieritreritra ny mpifidy hoe « inona marina moa no tena antenaina aminâity kandida ity raha lany eo ? ».
Nisy Ă ry aloha no niova hevitra avy hatrany raha vao nahita ny vaovao momba azy ilay mamo tao aminâny valan-dresaka nanasanâny mpianatry ny Ivon-toerana ambony momba ny fandalinana pĂŽlitika azy (Iep).
Tsy fahafehezana tena no nandikanâny olona sasany azy teto Antananarivo. « Tsy azo leferina ny fihetsika toa ireny fa mamoa-fady », hoy ity raiamandreny iray; loholona ao aminâny Fiangonana Fjkm iray eto andrenivohitra. « Tsy nampoiziko ho ny Dr Jean Louis Robinson no hanana fitondran-tena toa ireny », hoy izy.
Fa ny fihetsika nasehonâity saribakolin-dRavalomanana nandritra ny fifanatrehana voalohany teo aminy sy ny kandida Rajaonarimampianina koa dia nampihemotra olona maro teto Antananarivo. Renim-pianakaviana iray ao aminâny « Fianakaviambenâny Andriana » no vaky vava ka nilaza fa « nisy fihaonana taminay vitsivitsy ato aminâny Fianakaviambenâny Andriana indray sabotsy ka tonga tany aminâiny fifanatrehanâny kandida roalahy iny ny resaka, ary dia samy nitovy ny fahatsapanay fa tsy olona toa azy no mamaly ny tsanganana takiana aminâny olona tokony ho filohampirenena ».
« Marina », hoy ity renim-pianakaviana ity, « fa tsy nisy ny baiko na toro-marika avy aminâny fianakaviambe hoe « mifidy ny kandida Robinson », fa saika voasarika tany aminy ny maro taminay, indrindra fa ny tanoranora, saingy taorianâiny fifanatrehanâizy roalahy iny dia toa mandrora mitsilany raha hikimpy ka hanamafy ny fifidianana azy ».
« Tsorinay aminareo mpanao gazety », hoy ity renim-pianakaviana ity, « fa fanalana baraka ny vatonâImerina izay maro no nifidy azy ireny fihetsika bontolo toa sanatria jiolahim-boto nataony teo anoloanâny mpifaninana taminy ireny, nefa i Hery Rajaonarimampianina dia niezaka ho tony hatraminâny farany ». Ity renim-pianakaviana ity koa no nanipika fa « ny olana kely taminay sy i Hery Rajaonarimampianina ange ka izy isanâny niara-nitantana tao anatinâny fitondrana Rajoelina, saingy maro aminâny fandaharanâasa sy ny vinavinam-piaraha-monina natolony, indrindra fa hita fototra kokoa izany taminâizao fampielezan-kevitra fihodinana faharoa izao, no azo ianteherana e ! ».
Mpandraharaha ara-toekarena sady itantana orinâasa momba ny fanafarana sy fanondranana entana eto andrenivohitra indray no nilaza hoe « ny tenako aloha dia tsy nifidy taminâny fihodinana voalohany satria tsy tafiditra tao anatinâny lisi-pifidianana, fa ny vady aman-janako dia nampirisihako hifidy anâi Jean Louis Robinson, noho izy noheveriko fa hampiseho toetra mendrika izany filohampirenena izany, saingy ny tena nampaharikoriko ahy dia ny nandre azy fa mpikambana ao aminâny âFranc Maçon ».
« Tsoriko aminareo mpanao gazety », hoy ity mpandraharaha ity, « fa maro aminâny mpandraharaha Malagasy no nianjadiam-pahavoazana noho ny nafitsoky ny mpandraharaha namana, Malagasy, izay miara-miombona antoka aminâny vahiny, saingy fantatra fa mpikambana aminâireny « Franc Maçon » ireny ».
« Samy mahatsapa anâizany izahay mpandraharaha Malagasy tsy mba manaiky hiditra aminâireny fikambanana hafahafa ireny », hoy ity tafaresaka taminay, « ary isanâny niteraka fahavoazana teo aminâ ny tontolonâny fandraharahana ara-toekarena teto Madagasikara satria namotika seha-pandraharahana maro anâny teratany Malagasy teto ny firaisan-kinanâny samy « Franc Maçon » izay tsy mikendry afa-tsy ny tombontsoan-dry zareo mpiara-dia ao aminâio fikambanana io. Tsy vitsy aminay mpandraharaha Malagasy, izay sady kristianina hatry ny ela, no samy niteny fa hampita toro marika sy hanentana ny mpiasa aminay avy sy ny vady aman-janany ary hanentana koa ny manodidina mba hifady izany olonâny « Franc Maçon » izany fa loza ho anâny firenena izany, ary tena fahavetavetana eo anatrehanâ Andriamanitra ».
Tsy ireo voatanisa ireo ihany no nahitana taratra anâizay fahadisoam-panantenana taminâi Jean Louis Robinson izay fa hatraminâny tanora mpianatra eny aminâny oniversite, raim-pianakaviana mpiasa tena. Ny iray taminâireto mpiasa tena aza moa dia nilaza mihitsy hoe « isaorana ny mpanao gazetinâny Tvm nametraka anâiny fanontaniana momba ny « Franc Maçon » iny satria soa ihany fa fantatra mialoha ny momba anâi Robinson sy ny fikambanana misy azy dia mba samy mitandrina fa raha sanatria ka tonga teo aminâny fitondrana izy vao fantatra ireny dia tonga aminâilay fitenenana hoe «dokotera aorianâny fahafatesana» ka ho nenina sisa ».
« Maharikoriko ahy na ny mandre fotsiny ny anarany hoe « Robinson Franc Maçon » fotsiny aza », hoy ity renim-pianakaviana mpivarotra enta-madinika iray etsy Ampasampito. « Tena resy lahatra 200% taminâny Dr Robinson ahoâ, hoy izy, « teo aloha fa hatraminâny nahenoako fa « mpikambana aminâny pĂŽlitika sosialista frantsay sy Franc Maçon izy dia tena maharikorioko ahy, ary tofoka tanteraka aminy aho ka tsy hanome ny safidiko ho azy mihitsy indray ».
« Taminâny fahazazanay mantsy dia mpakafo sy mpaka ra ary mpangala-jaza no nahafantaranay izany Franc Maçon izany », hoy izy.
Talata, 17 Desambra 2013
Nangonin'ny mpanao gazety maro - www.madagate.com