Io Ingahy Brian Currin, fanavotana farany. Ho anâiza anefa? Tsy ho anâi Jean Louis Robinson velively aloha e ! Hono, hoy aho: tsy mampihomehy anareo ve ny tarehiny ? Tsara niaraka nanao sarimihetsika tamin'i Louis de FunĂšs ĂŽ ?
E e e ! 64 taona izy izao ary mino ahy fotsiny ihany ianareo fa tsy hiova intsony izy aminâny fomba amam-panaony nanomboka izy niditra teo amin'ny sehatry ny polifika.
Mpiambina vazaha, mpanolo-tsaina vazaha, Dg Air Madagascar vazaha, Dg Jirama vazaha⊠Lazao indray fa mpandainga aho e ! Izao indray dia mbola niantso vazaha hiditra ao anatina raharaha tokan-tranonâny mpifidy malagasy izay nidify Filoham-pirenena malagasy fa tsy vazaha.
Tsy iza io olona resahina io fa Ingahy Marc Ravalomanana, nahay nanipy ny fahefany teo am-pelatĂ nany teny amina âDirectoire militaireâ ary nitsoaka tsy re tsaika ao Afrika atsimo ao. Dia nanantena fa avy ihany izy hiverina soa aman-tsara rehefa ripaka daholo ny mpitolona. Tsy izany no niseho ary efa fantatrâizao tontolo izao ny tohinyâŠ
Gaborone (Botswana), 6 Jona 2011. Io i Brian Currin, eo akaikin'i Mamy Rakotoarivelo. Samy mihenoheno amina "casque" fotsiny dia mahazo volabe. Inona ny vokatra azo tany anefa ?
Mikasika ilay vazaha indray dia tsy iza fa ilay Brian Currin, Afrikana tatsimo fotsy hoditra, izay tsy nahovoka mihitsy nandritra izay efa-taona mahery lasa izay. Nefa karamaina vola be mihitsy. Dia nibitaka tsy misy toa izany ny tao aminâny Magro Behoririka fa tena Dadany i Dada ary tonga ny mpamonjy vazaha. Hahirato aminâizay ny maso lereitsy a !
Ny fehiny? Dondrona daholo ny mpahay lalĂ na Malagasy eto Madagasikara aminâIngahy Ravalomanana. Ny adinony anefa dia tsotra : hampihetsika ny ambo-ponâireo mpahay lalĂ na eto an-toerana io nahatongavanâio Brian Currin io ka dia hifototra aminy indray io tsy firarahiny ny Malagasy rehefa ny tombontsoany no arovany. Ka na dia ny mpahay lalĂ na ao aminâny fikambanana Avana aza dia toa ny tsy misy dikany aminy. Ka iza aminâizay ary no tahafinâi Jean Louis Robinson aminâny fombana jiolahim-boto nandritra ny propagandy sy aminâizao fotoana izao, manao amboletra ? Any aminareo ny valiny.
Jeannot Ramambazafy â 27 Desambra 2013