Taminâny teny frantsay tokoa no nilazanâny namana mpanao gazety Pierre Houlder sy Maurice Tsiavonana io lohateny io. Io ambony io ny video mirakitra izany fa tsaratsara kokoa ny nandikana ny famafakana an-tsoratra. Satria tokoa mantsy, ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ireo ambany ireo izany ny mahakasika izany hoe âfuite en avantâ izany.
*******************
(...) Ny Malagasy, aminâny ankapobeny, tsy dia tia olona loatra, aminâilay ohabolana hoe: nitsipa-doha ny laka-nitana. Hatraminâizay, ka hatraminâizao, izany dia tsy dia tafarina loatra ilay endrikâAndriamatoa, sarinâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Ilay âcommunicationâ no tian-tsika ho tenenina aminâizay fotoana izay fa isika tsy hiresaka hoe fampandrosoam-pirenena sy ny sisa, sns.
Raha fintinin-tsika izany, dia hoe: teo ny âcafouillageâ taminâny resaka âinvestitureâ; ny tsy nahatsangana Praiminisitra; teo ihany koa ny nilazanâny MAPAR hoe mamadika ianao; to ihany koa ny âforcingâ mikasika ny hoe: atao izay haharesy ny MAPAR ara-tarehy marika, nanaovana izay fomba rehetra hampandresena ny PMP (âPlateforme pour la majoritĂ© prĂ©sidentielleâ). Hatraminâny omaly (Ttf: 27/02/2014) mbola nisy âtentativeâ anâizany teny aminâny Ibis, ary matetika moa dia aminâny alina ireto olona ireto no mivory.
Nisy anâizay rehetra rehetra izay. Dia inona ny zavatra niseho tao anatinâny 24 ora? Hoy ny gazety aminâny ankapobeny: âDĂ©claration de guerre de Rajaonarimampianinaâ. Ohatra fotsiny izany. Fa aminâny ankapobeny izany, ny gazety androany (Ttf : 28/02/2014) dia samy milaza ny aminâny hoe: nihetsika Andriamatoa Rajaonarimampianina, manao izay andresena ny MAPAR ary mieritreritra fa andray sy iseho aminâizay ny maha PrezidĂ nâny Repoblika azy.
Raha tsarina dia hoe: tao anatinâny 24 ora, tao anatinâilay filankevitry ny minisitra, dia nanao âdemonstrationâ Andriamatoa Rajaonarimampianina fa eo am-pelatĂ nany ny raharaha. Miseho miaraka aminâny âChefs de corpsâ sy ny mpitaritarika. Milaza izany fa: izaho dia tohananâny tafika. Izay no nambaranâny mpanao gazety rehetra: ao ambadikâ Andriamatoa Rajaonarimampianina ny tafika. Nosoloina ny mambra ny HCC anankitelo, ary noeritreretiny izany fa vonona heady aminâizay aho, ka izay alefanareo fa efa io novako io ny HCC.
Notazominy Andriamatoa Beriziky sy ny Governemantany satria âizaho tsy voatery hanendry Praiminisitra izao ankehitriny izao fa afaka miandry izanyâ. Izay ilay eritreretina hoe: âDĂ©claration de guerreâ aminâny MAPAR. Mbola misy fanampiny : namoahana â interdiction de sortie du territoire â Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Izany hoe : â izaho tsy manan-kavana aminâny resaka fitondrana firenena, fa hoazako raha vao fantatro fa izao sy izaoâ. Izay ilay âcommunication â tao anatinâny 24 ora.
Ny zavatra tian-tsika hazavaina dia tahakâizao : Voalohany, mety âDĂ©claration de guerreâ izay. Fa ny fanontaniana apetra-tsika dia ny hoe : mety aminâ Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ? Manatsara endrika anâ Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ny manao âdeclaration de guerreâ iray volana aorianâny nanaovany fianianana? Mety aminâAndriamatoa Rajaonarimampianina ve ny mampiseho sahady, mampitandrina ny mpanao gazety ny aminâny hoe: âtsy mety ny ataonareo fa handray ny andraikitra izahayâ.
Mety aminâAndriamatoa Rajaonarimampianina ve ny mandefa â interdiction de sortie du territoire â (IST) ho anâ Andriamatoa Mamy Ravatomanga ? Raha izay iray volana lasa izay, ndao ataon-tsika roa volana lasa, tao anatinâny propagandy dia tsy nisy tsy nahita anâ Andriamatoa Mamy Ravatomanga niara-nivory taminâAndriamatoa Jaobarison, niara-nivory taminâAndriamatoa Henry Rabary-Njaka, niara-nivory taminâny ekipanâAndriamatoa Rajaonarimampianina? Nanao kaji-kajim-bola ny aminâny hoe : atao ahoana ny izatsy, atao ahoana ny eroa. Nahita ny endrikâ Andriamatoa Mamy Ravatomanga niaraka kivikivy aminâny mpiaraka aminâekipanâAndriamatoa Rajaonarimampianina eo aminâizay hitadiavana vola hamatsiana ny propagandinâny ekipanâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina.
Raha tsy raisin-tsika ny maha-mandraharaha anâ Mamy Ravatomanga ny aminâny hoe : mety aminâHery Andriamatoa ve no mampiseho, iray volana aorianâny â investiture â, ny fananjehana mpandraharaha anankiray izay fantatra fa ny harenany rehetra dia eto Madagasikara ! Raha mpamono olona dia hoe handeha hitsoaka eto Madagasikara dia aza avela hitsoaka. Raha nangalatra gaigilahy dia marina izany. Fa ny harenanâ Andriamatoa Mamy Ravatomanga dia fanta-tsika rehetra fa eto Madagasikara, ary amina miliara miliara. Isika tsy mahafantatra izay any ivelany any. Ny âmoralitĂ©â voalohany : ilay olona naira-nivory taminao taminâilay famatsiana ny propagandinao fa faharoa: ny endriky ny fanjakana izay tonga dia IST no avoaka, ny tribonaly tsy fantatra na hisy na tsy hisy; ny fanadiadiana tsy fantatra na hisy na tsy hisy; ny âmise en examenâ tsy fantatra na hisy na tsy hisy.
Ny zavatra fahatelo: Mety aminâny endrikâAndriamatoa Rajaonarimampianina ve ny fanoloana ny mambra telo ao aminâny HCC ? Satria ny antony dia tsotra: ny HCC teo aloha, rehefa nampamakiana 2+2=4, dia tsy nety niova ny aminâny hoe: rehefa 2+2 dia 4. Fa nisy olona anankiray, taty aoriana izay taty ivelany, izay antsoina hoe Eric Rakotoarisoa, nanaiky namaky hoe: 2+2=5. Dia noraisin ilay Andriamatoa Rakotoarisoa satria rehefa tonga ao anaty HCC io dia afaka hilaza hoe: 2+2=5. Matokisa ianao Andriamatoa Filoha fa ny 2+2=5 fa ilay HCC-nao teo 2+2=4 aminy. Izany hoe ilay notendrena, Andriamatoa Eric Rakotoarisoa dia efa tsy olona tsy nahafantatra azy fa âpartisanâ. Tsy olona tsy nahafantatra azy âĂ traversâ ny namakiany ny lalampanorenana; tsy olona tsy nahafantatra azy fa momba anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina izy ary tsy nisy tsy nahafantatra fa sahy nitsipaka izay voalazanâny HCC teo aloha ny tenany.
Mety aminâny sarinâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina ve ny fanesorana mambra ny HCC izay tsy afaka manolo âmagistratsâ satria aminâny volana marsa vao misokatra ny âsessionâ-ny (Tff: Eric Rakotoarisoa dia tsy âmagistratâ fa mampianatra lalĂ na). Tsy nantsoina ny Solombavambahoka hanolo ny azy fa dia izao: aingana be tsy maintsy ampidirina ity Andriamatoa Eric Rakotoarisoa ity satria ity ihany no any mpahay lalĂ na sahy milaza hoe 2+2=5. Ka rehefa tsy mety novana ny isanâny MAPAR -natao izay fomba rehetra: 49+26=75. Fa ity misy Eric Rakotoarisoa. Io manao âmagieâ, io, mahita zavatra afa afa satria io no antsoina hoe : manampahaizana indrindra aminâny âdroit constitutionnelâ. Ary rehefa izy izany no miteny hoe : azo tsy rarahiana ny âdĂ©cisionâ-ny HCC dia basta! Aingana be no idirany ao.
Mahatsara ny endrikâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina ve izany, amintsika miteny izao? Na ilay teny hoe: âen guerreâ, dia tsy mety aminâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina izany. Tsy hiady aminâny mpanao politika izy. Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filohanâny Repoblika, na iza anaiky izany na iza tsy anaiky izany. Tsy voatery ho-âdĂ©montrĂ©â-na fa Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filohanâny Repoblika. Ny fomba rehetra maha Filohanâny Repoblika anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia efa feno. Nomena azy ny fahefana teny Iavoloha; nanao âinvestitureâ izy teo anoloanâny HCC ary efa mipetraka eny aminâny biraom-panjaka rehetra ny sariny. Eo am-pelatĂ nany ny maha Filohanâny Repoblika azy. Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia âChef supreme des forces armĂ©esâ. Tsy mila âdĂ©montrĂ©â-na izany, tsy mila aseho izany. Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filoha faratamponâny tafika Malagasy. Na iza faly na iza tsy faly, izany Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina.
Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filohanâny Malagasy rehetra. Tsy voatery ao anatinâny governementa ny movansy Ravalomanana vao lasa Filohanâny Malagasy rehetra izy; tsy vaotery ao anatinâny governemanta ny MMM vao Filohanâny Malagasy rehetra izy. Vao niniana izy nanoloanâny HCC dia Filohanâny Malagasy rehetra izy. Adihevitra politika ny resaka ârĂ©conciliationâ, resaka âouvertureâ sy ny sisa, sns. Ny zavatra tokony naseho izany, hatraminâny nanaovanâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina âinvestitureâ dia ny hifehezany ny fahefana nomenâny Lalampanorenena azy ; ny tokony feheziny ny fitantanana ny fitondram-panjakana ankapobeny ; nahatsangananâny governemanta ao anatina fotoana fohy ; nanodonana any aminâizay tokony tsy misy azy intsony izany tetezamita izany ; izany Praiminisitra Omr Beriziky izany ; izany governemantanâny tetezamita izany. Izany no tokony âdĂ©monstrationâ nataonâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ary izay ilay âimageâ tokony omena ny vahoaka Malagasy; tokony omen any mpanao politika Malagasy ; tokony nomenâny manodidina azy.
Tsy tokony niseho izany âplagiatâ izany ; Tsy tokony niseho izany âstadeâ tsy feno izany; tsy tokony niseho izany âfactureâ-nâi Ramatoa Claudine, 2 milliards 500 millions izany ; tsy tokony niseho ny âforcingâ azahoana isa maro be ao aminâny âAssemblĂ©eâ ; tsy tokony niseho izany hoe depiote mizara vola ao anaty âtoilettesâ voalazanâny gazety rehetra izany ; tsy tokony niseho ny nilazanâny SAMFIN hoe : â PrezidĂ , aza mikitika ireo 350 4X4 ireo ianao. Vao mikitika ireo ianao dia maloto ianaoâ ; tsy tokony niseho izany IST avy hatrany ho anâAndriamatoa Mamy Ravatomanga izany satria â communicationâ izany. Izay mantsy ilay â communicationâ ilazana hoe : âizaho dia tsy manan-kavanaâ. Nefa hoy ny rahavavy Lalatiana tao aminy radio Free Fm hoe: âHerinandro izay no niresahina anâi Ramatoa Claudine sy ny faktiora fa tsy nisy olona nihetsika na iray aza. Tsy nisy olona niteny na iray azaâ. Roa andro izay no niteny ny mpitarika ny SAMFIN hoe: âaza mikitika ireo fiarakodia ireo ianao Andriamatoa PrezidĂ â. Fa fanta-tsika aminâny alalĂ nâny gazety fa hiainga ao Toamasina ireo 4X4 miisa 350 ireo.
Izany no manaratsy endrika anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Manaratsy endrika azy izany. Ny zavatra tiana ho resahina, eto, dia tsotra: ny endrikâAndriamatoa Rajaonarimampianina taminâizay nisafidiananâny vahoaka Malagasy azy, taminâizay finianana nataony teo Mahamasina, dia tokony ho olonâny fanjakana tan-dalĂ na, hoy izy; izany hoe manaraka ny âconstitutionâ, manao anakandriamaso izay voalazanâny âconstitutionâ. Tsy Andriamatoa Leonidas (Ttf: Ambasadaoronâny UE) no ampahatsiahy antsika hoe: tokony hanendry Praiminisitra Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ary izany dia tokony hanaraka ny pitsopitsonâny lalampanorenena. Ny fialĂ na ny tsy fanendrana Praiminisitra, aminâizao isika miteny izao. Raha tena marina ny filĂ zanâny mpahay lalĂ na fara-tampony, Eric Rakotoarisoa, fa azonao atao ny manendry Praiminisitra fa tsy tokony anaraka izany âavisâ izany ianao. Raha azo atao, araka ny filĂ zanâAndriamatoa mpahay lalĂ na faharoa goavana indrindra, Andriamatoa HonorĂ© Rakotomanana, milaza hoe: tsy misy ilanao izany âavisâ izany. Fa tonga izao: Ka maninona moa no tsy najoro ny Praiminisitra ? Fa maninona no mbola notazomina Andriamatoa Beriziky ? Hoy ny mpanara-dianâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina : âtsy mila olona tao anatinâny tetezamita isikaâ. âRedoublement zĂ©roâ. Fa amin-tsika miteny izao : âredoublement 100%â. âAu lieu de redoublement zĂ©ro, redoublement 100%â.
Tsy nisy nihetsikan nanomboka taminâAndriamatoa Beriziky, fa dia izao : eto indray daholo aloha e ! Ny CT sy ny CST niala,, ny Filoha Andry Rajoelina niala fa isika mianakavy miara-misaika, miaraka homana. Izay ilay nolazaina hoe âredoublement zĂ©roâ. Raha ohatra ka marina ny fanazavanâandriamatoa Eric Rakotoarisoa, raha marina ny fanazavanâAndriamatoa HonorĂ© Rakotomanana, ka maninona no tsy nambara ny anarananâny Praiminisitra izay tianâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina ho tendrena? Dia aminâizay misy sary afaka aloha. Fa manahirana ho anâizao tontolo izao, manahirana ny ethika politika. Manaiky isika rehetra fa tsy voatery misy daty, ary tsy misy daty koa moa ao anatinâny Lalampanorenana io; mikasika ny Praiministra. Fa ny ethika politika milaza foane hoe: lany PresidĂ ianao dia manendry Praiminisitra ianao. Izany dia tokony ho eo aminy efatra andro eo raha any ivelany, satria ry zareo efa afaka mikabary politika sy manao adilahy politika. Aty Afrika dia eo aminy 15 andro eo, 10 andro. Fa isika Malagasy moa dia fantatra ihany fa Ra-mora lava io dia : tsy maninona re fa andao ataon-tsika iray volana. Izany hoe omaly dia efa tokony voatendry ilay Praiminisitra. Tsy maninona raha hanaraka ny teninâny manampahaizana rehetra. Ny sasany moa, rehefa mitsiditsika televiziona sy radio, milaza abobo samihafa dia lasa mitodika any aminâny HCC indray satria araka ny nolazaina teo moa dia misy âcapable de dire 2+2=5â. Dia miandry anâAndriamatoa HonorĂ© Rakotomanana indray isika aminâizao fotoana izao. Afaka herinandro dia tsy maintsy haheno isika fa hoe: Andriamatoa HonorĂ© Rakotomanana dia mpanolotsaina manokana ny Filohanâny repoblika mikasika ny âinterprĂ©tationsâ afa afa mikasika ny Lalampanorenena.
Ny zavatra tiana ho resahina dia ilay heverina fa fandraisanâAndriamatoa Andry Rajoelina aminy tandrony ilay omby, ka nampisehoany aminâizay fa: tsia ny fihetsika rehetra natao omaly dia tsy mahatsara ny endrikâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina. âAveu dâĂ©checâ aminâny tsy fanatsangĂ nana ny Praiminisitra. Na ianao any aminy Praiminisitra avy any aminâny MAPAR, satria hoy ianao hoe: manaraka ny Lalampanorenena. Dia araho ny Lalampanorenena hatraminâny farany ! Tendreo izay olona notendrenâny MAPAR. Dia ârĂ©voquĂ©-oâ afaka telo volana rehefa hitanao fa manao âfaute graveâ. Na ianao tsy manaraka Lalampanorenenana satria efa misy manampahaizana miahotra noho ny nivoaka tany Harvard tany, ny mpiara-miasa aminao dia tendreo izay tianao tendrena na i Jules Etienne na i Beriziky izay nilaza fa andeha hampianatra any aminy Oniversite fa tsy miraharaha izany seza izany ; na izay olo-kafa tianao tendrena satria efa izay no nambaranâireo manampahaizana ireo. Fa ny fandraisana indray anâio governemanta efa noeritreretina fa anao ny âaffaires courantesâ io, dia tsy manatsara anao. Tsy misy olona afaka miteny hoe tsy azao atao io ; tsy misy olona miteny hoe tsy azo atao izany fa manaratsy tarehy. Ka izahay Malagasy, izahay vahoaka malagasy, raha ohatra kosa fa ny endrikâi Hery Rajaonarimampianina -âcommunicationâ no resahina aminâizany- dia ho ratsy lava isanâandro isanâandro izao, dia tsy ho ekenâny vahoaka malagasy izany. Satria ny Filohanâny Repoblika malagasy dia Andriamatoa Rajaonarimampianina. Tsy misy olona roa eto PrezidĂ nâny Repoblika fa iray ihany.
Izany no nahatonga ny filazana teto hoe: tsy voatery manao âdĂ©monstrationâ Andriamatoa Rajaonarimampianina hoe: izaho ny PrezidĂ ! Fa ny problema dia : ahoana ny fihezahanâireo manodidina azy ireo, fa tsy ho isanâandro lava izao dia manaratsy anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina ny filazana fotsiny indraim-bava manao hoe: andeha isika hampiatra ny lalĂ na mikasika ny mpanao gazety -(Ttf: jereo ery aminy farany ambany) ! Sarotra ny manenjika mpanao gazety. Ny mpanao gazety enjehina dia ny mpanao gazety manao hoe: andao isika hanamboatra baomba. Fa raha ohatra ka miteny hoe: tsy mahay Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia âopinionâ izany. Tsy misy azo henjehina aminâizany. Raha miteny hoe: tsy mahavita azy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, mbola âopinionâ izany ary tafiditra ao aminâny âlibertĂ© dâexpressionâ. Afaka miteny izany ny olonan rehetra eto Madagasikara, na mpamboly na inona. Afaka miteny ihany koa hoe: mahay Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, na miteny hoe: tsy mahay Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Mba fanta-tsika ve ny zavatra nolazainâny Tv Plus mikasika anâAndriamatoa Andry Rajoelina nandritra ny naha Filohanâny Tetezamita azy? Mba azon-tsika nosaintsainana ny zavatra nambaranâi Ramatoa Onitiana Realy, tao aminy Tv Plus, mikasika anâAndriamatoa Andry Rajoelina? Fa izao: na ianao demokraty na ianao tsy demokraty. Tadidin-tsika, tapa-bolana lasa izay: nilaza ny mpanao gazety rehetra tany Etazonia fa I Obama dia sipanâI BeyoncĂ©. Fa nisy mpanao gazety notoriana vet any Etazonia na iray ? Rehefa nilaza ny mpanao gazety iray tany Frantsa hoe : i François Hollande anie manenjika sipa, mandeha amina skotera, manao kaska, ao aminâity trano ity ilay sipa no mipetraka. Fa nitory ve Andriamatoa François Hollande? Tsy nitory izy. Fanta-tsika tsara fa rehefa misy âmanifestationsâ any Andafy, misy mitoraka voatabia ry François Hollande, ry Sarkozy. Misy mitoraka lafarina. Tadidin-tsika tsara taminâny andronâi Sarkozy: nisy olona nanompa I Sarkozy. Ary nanompa koa i Sarkozy : âcasse-toi pauvre con!â, hoy izy taminâilay nanompa azy. Fa tsy nisy nâinona nâinona. Na ianao demokraty, na ianao tsy demokraty.
Ny manaratsy indrindra ny mpitondra anankiray na governemanta iray na ârĂ©gimeâ iray dia ny fihetsiny manoloana ny mpanao gazety. Satria, aminâny Tandrefana, aminâny âlibertĂ© dâexpressionâ, aminâny fahafahana voalazanâny Lalampanorenena ny tsy maintsy hanomezana vaovao ny vahoaka, aminâny fahafahana miteny, aminâny fanomezana hevitra, dia arovanâizao Tontolo izao izany. Ka sarotra ny ilaza hoe: manomboka eto dia tsy mahazo mikitikitika anâAndriamatoa Rajaonarimampianina; manomboka eto dia âvie privĂ©eâ-nay izany; manomboka eto dia mikomy izany; manomboka eto dia mitady hanongam-panjakana izany. Ho sarotra ho anâny fanjakana ny raharaha raha mihetsika izy.
Nanaratsy ny endrika nitondranâny Filoha Andry Rajoelina ny filazana fa hoe: tsy misy âlibertĂ© dâexpressionâ, na dia efa nolazaina fa ny nitory anâi Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy dia tsy resaka fanjakana mihitsy fa resaka olona âprivĂ©â taminâny fotoanâandrony. Fa izay natao rehetra mikasika anâi Andry Rajoelina sy Ramatoa Rajoelina, izay nataonâi Ramatoa Onitiana Realy, dia tsy nitory Andriamatoa Andry Rajoelina, na ia indray mandeha aza! Fa dia izao: henona fotsiny, marary ny sainao fa ianao te-hiteny hoe demokraty aho, ka na dia natao izay ny fomba sy teny rehetra nampaharary anâAndriamatoa Andry Rajoelina dia izao: rehefa demokraty ianao dia mahataty e! Rehefa mitondra firenena ianao dia mahatanty e! Rehefa PrezidĂ nâny Repoblika ianao dia mahataty e! Rehefa Praiminisitra ianao dia mahataty e! Rehefa minisitra ianao dia mahataty e! Rehefa âhomme publicâ ianao dia mahataty e ! Obama, hoy ny olona, dia sipanâi BeyoncĂ©. Fa nanao inona izy ? Ka ny filazana izay namporisika anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina nanao IST ho anâAndriamatoa Mamy Ravatomanga; izay namporisika anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina ilaza hoe: fahaizo izay âjournalistesâ miana-kendry; izay mpanolo-tsaina namporisika anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina tsy hiraharaha ny âConstitutionâ satria izao sy izao ka tohizo io âgovernement de transitionâ tokony tsy hanao afa-tsy âaffaires courantesâ io; izay nampiseho sy mieritreritra fa ; avoay ao anaty gazety fa ao ambadikâi Hery Rajaonarimampianina ny tafika (Ttf: Midi Madagasikara no nanao io taminâny pejy voalohany); izany âcommunicationâ rehetra izany dia tsy manatsara endrika anâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina izany.
Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia tokony hiseho aminâny vahoaka Malagasy, tsy mila âdĂ©montrĂ©â-na fa izao: izy ny PrezidĂ nâny Repoblika; izy ny âChef suprĂȘme des ArmĂ©esâ. Faharoa: manaraka ny Lalampanorenana izy. Tsy liana anâi Rakoto, tsy liana anâi Rabe izany fanarahana ny Lalampanorenana izany. Izay vaosoratra ao anaty Lalampanorenana dia arahina. Ny vahoaka dia vavolombelona: hiara-hiasa aminy ve ny Praiminisitra sa tsy hiarah-hiasa aminy? Fa manjary âfuite en avantâ ny fihetsikâAndriamatoa Hery Rajaonarimampianina raha mitohy izao zavatra rehetra alehan-tsika izao. Ary izany âfuite en avantâ dia tahaka izao: asa isika, mahita âfilmâ indraindray, ireto misy olona roa mpifankatia amoron-dĂ lana. Dia sendra miady, mifanozongozon-doha, dia voadonanâny tamboho ilay lohanâilay tovovavy dia maty. Tsy hitanâilay tovolahy izay atao, indrindra indrindra rehefa hibata ilay razana atao ao anaty aotomobilina. Nisy nandalo tampoka dia nahita, dia nanatona. Fa izao: mba hiarovana ilay heloka voalohany dia tsy maintsy novonoiny indray ilay olona faharoa iny. Ilay mpitaingina bisikileta nahita azy namono ilay tovovavy. Dia vonoina ihany koa. Raha faty tsy nahy anankiray izany dia lasa faty anankiroa. Dia nobatainy ao anaty aotomobilina ireo faty anankiroa. Rehefa nandevina ireo eny an-tampokavoana indray izy dia hitanâilay mpiandry omby indray: fa inona ity ataonâilay rangahy ity? Dia tsy maintsy novonoina indray ilay mpiandry omby satria nahita ilay zavatra.
Izany hoe raha zavatra tsy nahy ny nahafaty ilay sipany dia nanjary faty anankitelo no hita âet ainsi de suiteâ⊠Lasa âfuite en avantâ. Satria ianao tsy nanaiky anâity, dia hamorona anâity; satria mbola tsy metimety aminao ity dia hamoromporona anâity; satria mbola tsy mety aminao ity zavatra noforomporonina ity dia tsy maintsy hanao anâity ianao. âEn fin de compteâ izany, ny PrezidĂ n-tsika io, ny fanjakan-tsika io dia manao âfuite en avantâ satria rehefa tsy nanaraka hatrany am-boalohany ny zavatra tokony narahina ianao fa mamorona âartificesâ, dia tsy maintsy hamorona âartificesâ foana ianao. Ka rahoviana ny farany hamoronanao âartificesâ ka hahatonga âstabilitĂ©â ary hahatsara endrika anao ? (...).
Pierre Houlder sy Maurice Tsiavonana
Fandaharana âAoka Hazava !â, Viva Tv, 28 Febroary 2014
Nandika an-tsoratra
Jeannot Ramambazafy
*************