]
Les quotidiens du 28 Jun 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Hery Rajaonarimampianina : Izy no tena mpitolona teo amin’ny 13 May, hono…

Hery Rajaonarimampianina : Izy no tena mpitolona teo amin’ny 13 May, hono…

Nampitandrina ny mpanao gazety izany ity fitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina, izay vao manomboka, fa ho enjehin’ny lalàna izay mpanao gazety mamoaka vaovao tsy marina sns, sns.

Efa ho 39 taona aho izao ny nanao ity asa ity, ary marina tokoa fa misy ireo namana tena mihaom-pefy tokoa. Fa ny fomba hanoratako lahatsoratra kosa, hatramin’izay dia miala avy amina zavatra tena tsy azo hivalozana satria mikaroka aho aloha. Io ilay hoe: “s’informer soi-même avant d’informer les autres”.

Fa manoloana ny fihetsika mampitolagaga asehon’ny Filoha voafidy, Hery Rajaonarimampianina, ankehitriny ary, dia io misy porofo tsy azo n’iza n’iza hivalozana, fa tena tsy mitàna ny teny nomeny sy noteneniny izy. Ka asa kosa aloha raha mba fantatr’ireo manodidina azy ny fisian’io vidéo ambany io. Ka na ireo no tena fositra tsy mahalala ny Tantaram-pirenena tokoa, ary dia manolo-bato mafana ho azy, na ny Filoha Rajaonarimampianina mihitsy no tena nanao izay fomba nahavoafidy azy ka rehefa tafita dia adinony hatramin’ireo teniny ireo.

Ka ity porofo ity, tsy vitan’ny soratra fotsiny ihany, fa dikan’ ireo teny henonareo ao anatin’io video io. Ny fanontaniana mipetraka izany dia tsotra: tena izay azohany ny fon’ny mpifidy ihany ve no nataon’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ka lasa zary tantaran’Ikotofetsy sy Imakaha ? Iza no Ikotofetsy ary iza ny Imakaha ? Izany ve no hitondrana an’ity Madagasikara ity ? Marihina fa talohan’ny propagandin’ny fiodinana voalohany no nanaovany ireo fanambarana ireo… Nataony ho toa zazakely izany ny vahoaka Malagasy nifidy azy 53% mahery ?


“ Tsy nisy isika, ary izaho dia mi”-reconnaître” an’izany, tsy nisy isika raha tsy nisy ilay rangahy io (eo izy manondro ny sarin’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina). Tsy nisy izaho sy ianao raha tsy nisy ny tolona izay nataon-tsika. Izaho tsy mba ilay olona mitsipa-doha laka-nitàna. Tsy maintsy miainga amin’izay foana isika: nisy fanovana natao tao, ary izay fanovana izay, mbola iainako izay fanovana izay.

Izaho moa misy mananiany foana rehefa miteny hoe: ianao tsy nitolona teny amin’ny 13-May. Dia hoy aho hoe: ianareo rehetra ireo tsy nisy niaina ny 13-May ohatra ahy. Satria noho ny fitiavako ny 13-May, na ny biraoko aza dia teny amin’ny 13-May mihitsy no nataoko, ny biraon’ny “cabinet”-ko (Ttf : Auditeurs & Associés CGA) . Ouahahahahaha ! Ary isan’andro isan’andro aho dia miaina ao anatin’ny 13-May”.

Traduction en français des propos d’Hery Rajaonarimampianina entendus dans la vidéo ci-dessus :

“ Nous ne serions pas, je reconnais que nous ne serions pas s’il n’y avait pas le Monsieur (il pointe du doigt le portrait official du Président de la Transition, Andry Rajoelina). Nous ne serions rien, vous et moi, s’il n’y avait pas la lutte que nous avons faite ensemble. Moi, je ne suis pas quelqu’un d’ingrat. Nous devons toujours œuvrer à partir de cette lutte : il y a eu des changements, et ces changements, je les vis encore en moi.

On plaisante souvent sur moi, en me disant : vous n’êtes jamais allé sur la Place du 13-Mai. Mais je réponds toujours : aucun de vous tous n’avez vécu le 13-Mai plus que moi. Car pour l’amour du 13-Mai, j’ai implanté mon cabinet (Ndlr : Cabinet d’expertise en comptabilité Auditeurs & Associés CGA) sur la Place du 13-Mai (Ndlr : en fait son cabinet se trouve avenue de l’indépendance, à proximité de l’actuel Hôtel de Ville reconstruit par Andry Rajoelina). Ouahahahahaha ! (Ndrl : rires gras dans la vidéo). Et tous les jours, je vis sur la place du 13-Mai ”.

En matière d’enfantillage, essayez de trouver mieux…

Jeannot Ramambazafy – 4 Marsa 2014

Mis à jour ( Mercredi, 05 Mars 2014 05:15 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...