]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara Asan-gazety: F’inona ity nataon’i Onitiana Realy e ?

Madagasikara Asan-gazety: F’inona ity nataon’i Onitiana Realy e ?

Radio Free FM 104.2, 13 Aogositra 2014. Henohy tsara io vidéo ambony io. Efa ela no nahafantarana an’i Onitiana Realy amin’ny fomba ratsiny manapaka ny resak’ireo olona asainy. Izany hoe mpanao gazety tsy mahalala fomba nefa mba nanaraka fampianarana tao amin’ilay CEDS tarihin’i Solofo Rasoarahona ihany. Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia tena zava-doza ny nataony, satria dia namboariny an-kitsy rano fotsiny izao ny fanambarana nataon’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina, momba ilay lalàna fikasana hizarazana ny Tanànan’Antananarivo. Ary dia ilay resaka amboariny io no navoakan'ny filazam-baovao ao aminy Tv Plus ny alin'ny 12 Aogositra 2014.

Io ny tao amin'ny JT Tv Plus, omaly 13 Aogositra 2014. Mazava be ilay soratra : MANAIKY NY MAPAR izay nampisahotaka ny ankamaroan'ny vahoaka eto Antananarivo

Taitra daholo ny rehetra ary voatery nanamarina ny tena zavatra nolazainy Andriamatoa Naivo Raholdina, satria efa nisy namoaka mihitsy fa hoe “mpamadika” ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina. Izay ve ny tarigetran’i Onitiana Realy? Satria kay moa, araka ny filazan'ilay mpanao gazety (Zo Rabarijaona no anarany) nandray ny fanambarana dia "namboarin'i" Onitiana Realy ilay izy. Nanaovany “montage audio” dia niova tanteraka ilay tian’ingahy Raholdina nolazaina amin’ny vahoaka. Loza anie izany e ! Ka raha mitoetra ny soratra, ny feo kosa mijanona mandrakizay ho an’ny Tribonalin’ny Tantara izay hitsara tsy hitongilana mihitsy !

Ao amin'io vidéo ambony io ny fanambarana namboarin'i Onitiana Realy ka lasa nivoana tokoa ny tian'ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina ambara amin'ny vahoaka eto Antananarivo

Sefo tokoa i Onitiana Realy satria TALEN'NY FAMOAHANA araka ny hita-tsika io ambony io. "Intouchable" ve ny dikan'izany r'ingahy Nicolas Rabemananjara ?

Fa dia sanatria koa ve dia i Zo no ho voaraoka fa tsy Onitiana no ho voasazin’ny Filoha-Tale Jeneralin’ny Tv Plus, Nicolas Rabemananjara, satria “Sefo” (Talen’ny famohanana na “directeur de publication”) i Onitiana ? Ary izy no tomponandraikitra voalohany amin’izany famoahana vaovao nodisoany izy samy irery izany, mazava ho azy. Tsy rarina raha voadaka i Zo an ! Ny eto Madagasikara mantsy, hatreto, dia ny kely foana no voasazy, n'aiza n'aiza sehatra fiasana... Ary tsy mahazo rariny tokoa anie e ! Ny olana koa dia ity: mba matihanina amin’ity asa fanaovan-gazety ity ihany i Onitiana ka maninona no dia mamono ny hasin’ny mpanao gazety malagasy iray manontolo ? Sa izany no atao hoe: “liberté de déformer l’information” (izay tsy misy n’aiza n’aiza eran-tany aloha)? Satria tsy hoe vaovao tsy marina no navoakany tao aminy Tv Plus ("diffusion de fausses informations") fa vaovao marina fanahiniana nodisoana. Tombontsoa ho an’iza anefa izany ? Tsy ho an’ny vahoaka maro an’isa velively aloha e ! Tsy vao izao i Onitiana Realy no nanao io. Asa raha tadidinareo ilay resaka “Tetezana mihitatra” nandehanany nitety an’i Lafrantsa mihitsy. Dia aiza ny tohiny ary inona no vokany? Azy ny azy ny mikasika an’iny fanodikodiana saim-bahoaka iny.

Tena ao amin'ny Tvm no mety amin'ity Onitiana Realy ity. Sa tsy izany va ?

Tsy fotoany ve, ramatoa kely, ny miova asa ka tena manao mpanao politika matihanina fa tsy ampiady olona lava izao ? Satria rehefa ny mpanao gazety no tsy manana “crédibilité” intsony dia tsy mpanao gazety intsony no fiantsoana azy fa mpampiady olona. Na dia miaiky ary ianao, efa nataonao ilay fomba ratsy fa tsy hoe raraka an-tany. Tsy resaka alako bika tsy tiako tarehy ny ahy, fa rehefa mba 30 taona nanaovana ity asa masina ity aho dia mihaotra ny fahazendanana no ao an-dohako, nahafantatra sy naheno izany fomba mamoa fady izany, atao amban’ny elatry ny fanaovan-gazety. Tsy isan’ny hiaro anao mihitsy aho fa aza fady indrindra ! Ary mino aho fa tsy izany no nianaranao tao amin’ny CEDS fa resaka diplomasia no ao ary tsy "manipulation de la masse" velively. Ary ho loza ho an’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara raha avela amin’izao io raharaha io, satria tsy izany mihitsy no atao hoe fahefana faha-4 (“4è pouvoir”). Mampiana-dratsy ireo tanora vao misantatra ity asa ity izany fomba ratsy izany, ramatoakely. Adinonao angaha ny hoe : "Les faits sont sacrés, les commentaires libres" ? Ny anao dia ny "faits" mihitsy no "transformés", "corrompus", "manipulés"... ho an'ny sokajin'olona izay fantatry ny be sy ny maro loatra. Ary maninona moa ianao raha tsy tonga dia mifindra ao aminy Tvm sy Rnm mihitsy e ?

Jeannot Ramambazafy - 13 aogositra 2014

DIA TADIDIO IHANY KOA NY NATAON'I ONITIANA REALY MIKASIKA NY MAPAR SY JAONA ELITE

TSINDRIO ETO

Mis à jour ( Jeudi, 14 Août 2014 10:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...