Antananarivo, 26 Septambra 2014. Vitsy sisa angamba no tsy mahalala an'i Guy Rivo Randrianarisoa izay azo lazaina fa tana-kavanan'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fa solombavambahoaka voafidy eto Antananarivo ihany koa izy. Ny mikasika ny fiverenan'ity farany sy ny fomba fitantanan'ny Filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina no resadresany ao amin'io vidéo ambony io. Io ambany io ny fitànana an-tsoratra izay voalazan’i Guy Rivo ao.
“Tany Afrika atsimo aho. Fa ny tena nihaonako taminy dia nantsoiny aho hiaraka aminy (Ttf: Marc Ravalomanana) hanatrika ny fivoriana niaraka tamin’ireo solontena avy ao amin’ny Sadc. Tsy minisitra akory fa solontena nalefan’ny Sadc izany. Efa taty Madagasikara ireo olona ireo, herinandrao teo alohan’izay fihaonana izay, nihaona tamin’ny Filoha Ratsiraka, nihaona tamin’ny Filoha Zafy, nihaona tamin’ny Filoha ankehitriny in-droa mihitsy, raha ny tatitra natao taminay, nihaona tamin’ny Ffkm, nihaona tamin’ny ffm.
Ny resaka napetrany taminay fotsiny dia resaka fampodiana ny Filoha Ravalomanana: inona ny hevitry ny Filoha; inona no tokony atao,dia inona ny soso-kevitra atao, dia mitohy izany ry zareo manao izay dinika izay. Ny Filoha Ravalomanana niteny hoe: izaho vonona izao raha tianareo, alaiko ny raopilanina, tonga dia mandeha isika, fa efa misy raopilanina vonona hodiana n’aiza n’aiza ny lalàna-tsika aleha, hoy izy.
Izay izany ilay zavatra, izay ny momban’ny fodiana. Resaka momban’ny fodiany fotsiny no nalehako tany Afrika atsimo tamin’io fivoriana io. Dia nihaona tamina olona maro maro moa izahay izany taorinan’izay. Izay ny fodian’ny Filoha. Ny resaka nataonao hoe: ny minisitry ny “Justice” nanao “petit déjeuner de presse”, dia nilaza fa ny Filoha Ravalomanana no olàna. Tsy aiko na ny Filoha Ravalomanana no olàna. Tamin’Andriamatoa Rajoelina teo amin’ny fitondrana dia izy no olàna; izao Hery Rajaonarimampianina no eo amin’ny fitondrana dia izy no olàna. N’iza n’iza hiakatra eo amin’ny fitondrana izany dia olàna foana izany Andriamatoa Ravalomanana.
Amiko, tsotra fotsiny: ny tena olàna amin-dry zareo izany dia ny fatahorana an’Andriamatoa Ravalomanana. Nilaza izy mantsy fa tsy azo antoka. Izay no maha olàna azy. Dia ataoko mavaza be eto ny resaka. Moa ve, izy niteny io, tsy namitaka ny olona nanohana azy voalohany tamin’ny fifidianana? Aiza no nanaovany an’Andriamatoa Rajoelina amin’izao isika miteny izao? Ka politika eto no atao. Netinety taminy ny nanao an’izay dia nataony, fa ny vahoaka ihany no afaka mitsara.
Ny vahoaka no afaka mitsara an’Andriamatoa Rajoelina raha nilatsaka izy; ny vahoaka no nitsara an’Andriamatoa Ravalomanana. Fa izy olom-boatendry izy, tsy afaka miteny an’izany izy (Ttf: ny minisitry ny Fitsarana Noëline Ramanantenasoa).
Resaka politika dia resaka teknika no resahiko.
Amin’ny resaka politika dia misy roa. Ny voalohany dia tsy hitan’ny mpamatsy vola marina hoe aiza marina ny làlana alehan’ny olona amin’izao fotoana izao. Tsy manana ny maha izy azy izy (Ttf: Hery Rajaonarimampianina io na dia tsy nitonona io anarana io mihitsy i Guy Rivo). Miala tsiny aho fa tsy amin’ny maha olombelona azy fa aminy maha antoko politika azy, tsy misy, tsy mahazaka. Nariany ny niaraka taminy. Ny olona nanampy azy tsy hajainy. Tsy hitan’ny olona izany hoe: afaka hanaja ny teniny ve ity olona ity sa tsy afaka hanaja ny teniny raha homena vola be? Vola no resaka eo. Izay ny voalohany.
Amin’ny resaka politika faharoa, dia tsotra fotsiny koa: ilay fomba fiasany sy ilay fanaovany politika mihitsy no tsy takatry ny mpamatsy vola. Amin-dry zareo manodidina dia ohatra ny tsy mpanao politika nefa tsy mpanao teknika koa. Raha niara-niasa tamin’ny Filoha (Ttf: Ravalomanana) izahay dia efa-bolana dia nivoaka ny vola tadidinareo tsara. Satria tonga dia olona tena teknisiana afaka manao izany “programme national de développement” izany no teo. Afaka niteny izany, nahafantatra ny fiainan’ny vahoaka: ity, ity, ity, afaka nivarotra izany tany amin’ny Filoha Ravalomanana hoe: amidido any amin’ny mpamatsy vola izay.
Misy làlana be dia be izany no tokony atao. Tsy vita izay làlana izay. Izay zavatra roa izay no tsy mahapetraka ilay fahatokisana, tsy mahapetraka mihitsy ilay fifampitokisana eo amin’ny mpamatsy vola sy isika Malagasy. Tsy ataoko hoe mpitondra fa isika Malagasy. Satria fantatry ny mpamatsy vola ny olana misy eo amin’ny vahoaka malagasy fa tsy voazavan’ny mpitondra-tsika amin’ny mpamatsy vola hoe: izao ny fomba hanaovako azy, mba hialana amin’io olana io”.
Nandray an-tsoratra: Jeannot Ramambazafy
Sary: Harilala Randrianarison