Izay izany fa mia-mazava ny tena toetran’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity. Tafapetraka soa aman-tsara ry zalahy ka mahazo miteny izay tiany tenenina hanadiovan-tena. Mitaratra mazava ny fomba fitantànany sy hitantànany ny firenena anefa, raha toa ka mba matsilo saina ianao sy mahataka-davitra…
Adino daholo ireo fanambarana nataon’ilay kandida faha-3 mikasika ny nahatonga azy minisitry ny vola nandritra ny dimy taona be izao: “Tsy nisy isika -ary izaho dia “mi-reconnaître”- raha tsy nisy io rangahy io (I Andry Rajoelina izay notondroiny ny sariny). Tsy nisy izaho sy ianao raha tsy nisy ny tolona izay nataon-tsika”. Mazava fa izay nahazoan’ny fon’ny mpifidy ihany no tanjony. Mino isika fa adinon’ny Me Henry Rabary-Njaka izany tenin’ingahy “expert comptable” izany, na koa modiany tsy fantatra fotsiny izao. Ka izao ny fanambarana nataon’ ity “Filoha lefitry ny Repoblika” (tsy izy irery ve no miteny sy misahana izao rehetra izao eto amin’ny tany sy fanjakana?), ny 21 Marsa 2014, tao Parisy:
Asa ianareo raha manana saka na mba nanana fotoana nijery azy rehefa hisambotra voalavo. Miainga ny tongony dia avokony ny lamosiny. Miandry. Ka rehefa mahita irika, tonga dia mitsambikiny izy ary azon’ilay remby. Dia izay izany no miandry ireo tsy mitovy hevitra amin’ity fitondrana Rajaonarimampiana ity. Tsihahy.
Tsy nety taminy ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalampanorenana. Niandry telo volana be izao izy. Ka rehefa avy namorona ny PMP sy nanova ny mpikambana ao amin’ny HCC dia nalalaka ny nisafidianany an’i Kolo Roger. Mialohan’izay anefa dia navelany nifidy ara-pomba demokratika ny birao vaovaon’ny Antenimierampirenena aloha ireo Solombavambahoala voafidy. Tampoka teo anefa, satria ny HCC moa efa azy, ny Asabotsy 03 May sy ny Alahady 04 May 2014 dia ingahy Jean Max Rakotomamonjy -izay resin’i Christine Razanamahasoa ara-dalàna- no lany filohan’io Antenimiera io, lany 100% tsy nisy mpifanandrana na iray. “Izany no taratry ny demokrasia”, hoy ny Me Henry Rabary-Njaka tamin’izay. Torak’izany koa ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra vaovao: fahavalo politika tamin’ny fifidianana daholo no “lany” tsy nisy mpifanandrana ary andro tsy fiasana. Maika be ny saka hihinana voalavo… Tantara marina voarakitra ao anaty boky daholo ireo rehetra tranga ireo. Ny olombelona mantsy mora manadino izay…
Fa ny tena dikan’io politikan-tsaka miandry voalavo io dia ity: “ Ataovy daholo izay tianareo atao; teneno daholo izay tianareo tenenina fa efa eo amin’ny fitondrana izahay, amin’ny fomba ara-dalàna, ary tsy hiala ka tandremo fotsiny sao tratranay ”. Izy ireo izany izao no “pouvoirs publics” amin’izao fotoana izao. F’angaha tsy azo kianina? Fa iza no nahateo anareo? Tsy ny vahoaka malagasy ve sa ianareo samy irery sy ny politikan’ny “faire le dos rond”? Kendri-tohana e! Tsy mahagaga raha toa ka bandy kely havana olona ambony no sahy milaza ampahibemaso, rehefa manao ny tokony tsy atao : “ Izahay izao ny autorités!”. Ary mifintsaka ny mpitandro ny filaminana tokony ampiàtra ny lalàna velona. Ka dia nisokatra ny varavarana rehetra ho an’ireo “saka” ireo, amin’ny anaranan’ny tany tan-dalàna, hono. Ary vetivety tokoa dia “niditra” ny fahaizany manao politika an! Tao ny mpanao gazety nogadraina, tao ny mpiasan’ny Jirama (ny an’ny Cimelta moa tsy sahiny nokotihina, fa mbola ho lazaiko eto ny antony) nakarina fitsarana, tao ny mpiasan’ny Air Madagascar nakarina fitsarana koa ary andro alim-be ary ireo i Jean Marc Koumba sy mpiasa efatra ao amin’ny ACM, migadra any Antsiranana efa ho iray volana, tsy voatsara, tsy afaka niaro tena. Fa ny dahalo niova fo kosa nandaniana vola amina miliara. Vao omaly ny omaly anefa nisy zandary voatifitry ny dahalo tao Ankazoabo atsimo…
Izao sarimihetsika izao no nandaniana 22 miliara ariary mahery. Mitohy ihany anefa ny asan-dahalo, toa ny delestazy
Ny ho tohiny amin’izany fanitsakitsahana ny tany tan-dalàna izany ? Diniho ilay “Haute cour de Justice” tokony apetraka ao anatin’ny 12 volana nanomboka tamin’ny andro nianianany. Ao anatin’ny Lalampanorenana izany (Andininy faha-167). Tsy misy resaka intsony fa voarebireby amina dahalo niova fo sy ny fampihavanam-pirenena izay tsy maintsy ingahy Filoha, hono, no hitarika azy. Fa atao inona fotsiny ilay « Conseil du Fampihavanana Malagasy » voalazan’ny andininy faha-168 ary? Dia miandry fa gasy ? Tampoka eo anefa -toa saka e!- tsy maintsy hitan’ingahy Jean Eric Rakotoarisoa (Filohan’ny HCC notsongaina manokana) ny irika tsy hametrahana io “Haute cour de Justice” io. Na koa hametrahana azy amin’ny am-pahany satria ny Antenimieran-doholona azy tsy mbola tafapetraka.
Loza! Jereo tsara fa tsy mila manana diplaomana "expert comptable" akory. Ny trosa tsy maintsy aloha ("Obligation de l'emprunteur") dia efa mihaotra ny vola nampindramina ("Montant décaissé")."Décaissé" midika miala avy ao amina vata. Sao hisy hanao "interprétations" toa ny andininy faha-54 eo, hoe "décaissé absolu" na "décaissé relatif". Iza no mahita? Hitombo foana aloha izany io trosa be io. Volana Aogositra 2014 teo io f'aza adino. Tsy misy manazava izany ireto saka miandry kendri-tohana ireto. Ho raharaha tokoa ny an'i Rainitsy... Sa tsy tokony ho fantatry ny vahoaka malagasy io trosa ho alohan'ny taranaka fara amandimbiny io ?
Ho avy izao ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fitsenana ny taom-baovao. Any aloha no mifantoka ny sain’ny vahoaka malagasy na manana na ory. Ho feno iray taona ny naha filoha voafidy an’i Hery Rajaonarimampianina. Ho avy ny volabe nandrandraina hatrany ny ela. Nahoana moa no tsy hisy hampindrana? Tombontsoan’ireo firenena matanjaka anie ny fahantran’ny sain'ireo mpitondra malagasy mpangata-dava e! Fa ny ao am-paosin-dry zalahy manokana, hibontsina tsy ho omby fasana… Ary ao tokoa ingahy Tsilavina Ralaindimby hanazava ny fomba hampiasana io vola io (tandremo tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy ry Tsitsi an!). Dia samy handeha samy hitady aloha, mifampitazana toa saka sy voalavo… Rehefa vita anefa ireo fety ireo, rehefa tena hiatrika indray ny andavanandro tsy misy rano, tsy misy jiro, tsy misy fandriampahalemana, dia eo isika mianakavy no ahita hoe iza marina ny saka ary iza ny voalavo. Na dia “pays du moramora” aza i Madagasikara, na dia malaza fa ela vao mahataka-javatra ny Malagasy, dia misy fetrany foana ny zava-drehetra. 2015? Ratsy ho an’iza io taona io?
Io anefa no nanaovan'ny Filoha Rajaonarimampianina resabe. Asa ? Hisy ny fahagagana ? Minoa fotsiny ihany izany
Tsiahivina eto fa ny AGOA, Tompokolahy sy Tompokovavy isany, dia amin’ny volana Septambra 2015 no tapitra. Ka iza ny orinasa ho sahy hampiasa volabe amin’io fotoana voafetra io? Ny Sinoa angamba fa tsy ny Malagasy mihitsy. Tantara hafa ny ho fidangan’ny vidim-piaina amin’io 2015 io. Ohatra iray fotsiny: hiakatra 10% (5% izy izao) ny haba fanafarana ankora toa ny lafarina, sira, siramamy… Kajy ambon'ny latabatra fotsiny ihany ny hoe "hiarovana ny orinasa malagasy". Efa misy sahady izao ny mpivaritra manao “rétention de stock”… Bonne année daholo ry “voalavo” isany e!
Jeannot Ramambazafy – 22 Novambra 2014