Alain Ramaroson, oncle de l'inoubliable -sinon irremplaçable- Nadine Ramaroson, Président-fondateur du parti Masters
Pas de commentaires à faire mais faites-vous traduire les parties en malgache car il n'y a rien à interpréter.
« Araka ny nolazainao izay, nifanerasera mihitsy amin’ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy aho. Raha ny fahasahiranana aterak’izao fitondrana vaovao izao, dia tena efa mahazaka namiraka. Izany hoe : tsy hitako mihitsy ilay fianianà na teo Mahamasina. Ary izay no tena olana. Be loatra ny nambara, fa tsy nisy natao. Izay anie no nijoroako e ! Izaho tonga dia nijoro hoe: izaho hanohitra io fitondrana io. Vao nanomboka mihitsy io dia efa hitako hoe tsy avoa raha ity. Ary raha hitako ny fandehany amin’izo fotoana izao, dia zava-doza. Marihiko amin’izao tsara (Ttf: fetra ao aminy Viva io resahiny io) fa ny zavatra nitranga omaly tany Morondava dia faotana mahafatin’ny fitondrana tanteraka. Satria maninona? Omaly, Aza adino, 10 Desambra, fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombelona. Nefa ianao namono olona, tamin’ny alalà lan’ny mpitandro filaminana, noho ny fitakian’ny olona ny zony. Izany hoe: tokony misy fanameloana tanteraka avy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena eto Madagasikara. Tokony hisy fanamelohana tanteraka mihitsy izany eto, mivoaka. Aiza ny masoivoho vahiny amin’izao mandokan-doka ny fitondrana amin’izao fotoana izao? Satria izaho kosa tsy hamela an’io fa manao antso avo mihitsy aho amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary ataoko amin’ny teny frantsay ho reny satria misy mpandika ireo : »
« Je demande aux pays qui croient encore en la liberté et aux droits de l’homme, de condamner la répression à Morondava vis-à -vis des employés de la Sucoma, le jour du 10 décembre, Journée internationale pour les Droits de l’Homme. Il y a eu des morts et des blessés. C’est très grave et je demande une condamnation ferme des Etats-Unis et des Nations Unies ».
« Izay no tena anona satria tsy mety e ! Tsy azo atao ary ity hitohizako azy: izao an, ilay tenin’ny Praiministra momban’ny dahalo niova fo dia fanompana ny Malagasy tanteraka. Efa ataonao mivoaka amin’ny televizionam-pirenena mianjakanjaka, mitsinjatsinjaka, mifalifaly. Miaraka amin’ny mpangalatra? Inona ny ohatra omenao amin’izany? Mankaiza daholo -daholo daholo hoy aho- ireo olona rava fanà nana, niaran’ny erisetra, fanolà nana ? Ireo vadina zandary maty, izay amin’izao fotoana izao tsy manà na iankinana intsony f’efa maty ny vadiny? Ireo no tokony nampian’ny fitondrana. Ireo olona rehetra ireo, fa tsy any amin’ny olona namono olona nomenao hasina ».
« Vao farany teo anie, afaka telo andro izay, nanati-bary tany ry zareo, ho an’ny dahalo niova fo! Raha dahalo marina ireo, tena faotana mahafaty ny ataonao amin’ny firenena r’ingahy Praiministra. Raha ny fitantanà na momban’ny pesta dia hoy izy: io vita ho azy. An an an! Ahoana moa no ho vita ho azy. Ny fatin’olombelona tsy vita ho azy izany, ary tena fanaovana tsinontsinona ny ain’olombelona no nataon’ny Praiministra amin’izao fotoana izao. Ka izaho izany tena mitaky androany, araraotiko amin’ity fankalazana ny Repoblika faha-4 ity, ny fialà nan’ny Praiministra tsy misy atak’andro miaraka amin’ny governemanta iray manontolo! Satria efa tsy mahavita ny adidiny izy. Raha mbola misalasala, dia miteny aho fa hiakatra ambonimbony ity resaka ity. Satria efa manitsaka soatoavina malagasy no ataon’ny Praiministra mitantana ity firenena ity. Izay no tiako ambara mazava mihitsy satria izao : »
« Nanorenana ny Repoblika faha-4 anie tsy moramora e. Mampahatsiaro mihitsy ianao fa izahay anie nitarika e ! Nanomboka tamin’ny tolona 1991 dia nitarika foana aho teto. Fa tsy tiako kosa fa miverin-dalà na tanteraka izao. Satria ny zavatra notakiana tamin’ny 1991, takiana amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Ahoana, Tompoko, izany miverin-dalà na tanteraka izany? Nefa isika andro firy izao, taon-jato faha-telo ! Ka izay no mahatonga anay miteny mihitsy hoe: tsy mahazo mandefitra intsony ny Malagasy f’efa tena sahirana. Lazaiko anao izao fa misy vaovao omeko anareo: any Brickaville, vaky ny safira tany; efa fantatro ny fandehan-javatra satria nandefa olona tany aho. Androany maraina, niantso ny olona hoe: tsy mahazo idirana fa zaza vao no ampiasaina ao. Iza no mampiasa zaza vao, tsy fanjakana no mahazo mampiasa izany? Aiza ny toeran’ny Srilankais? Manodidina ao daholo. Ny dikany izany mivoaka ilay vato fa ho an’ny vahiny ».
« Mbola mitohy izany ilay afindrafindrao tanteraka ary tena vao mainka mahamenatra ny misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ka raha tsy miverina ny fandrianam-pirenenan’i Madagasikara, dia tsy hisy hanaiky izany intsony. Izaho miala tsiny fa tsy hanaiky intsony amin’ny mpiray tanindrazako ho sahirana tahaka izao. Ka dia izay no iantsoko an’ny rehetra rehetra hoe: an an an, misy fotoana kosa itenenana; misy fotoanany ifampitsiahivana fa misy kosa fotoanany ijoroana. Ary rehefa tonga kosa ny fotoana ijoroana, dia tsy maintsy mijoro satria ho an’ny Malagasy io fa tsy ho an’ny Lafrantsa, na ho an’ny Comores na ho an’iza fa ho an’I Madagasikara. Ka izay ny antso avo ataoko amin’ity fankalazana ity repoblika faha-4 ity: Malagasy ! Tena diso fanantenana ianao, nifidy ianao -izaho aloha soa ihany fa tsy nifidy- dia miteny aho izao: raha te-hahita isika ny vady aman-janan-tsika, taranan-tsika kosa mba ho soa, aleho tena miteny amin’izay hoe: ampy izay. Fa raha vao isika no tsy miteny hoe ampy izay, isika no tamingana eto ary ho lasan’nu vahiny ny tanindrazan-tsika ».
« Efa nanambana aho ny minisitry ny Ati-tany fa raha mbola manaonao, manasisisika iny fampizarana an’Antananarivo iny, ho tongavako mihitsy eny amin’ny Antenimierampirenena, fa izaho tsy hanaiky an’io satria resaka politika amban’ny foitra no lalaovina amin’izao fotoana izao fa tsy resaka inona akory. Ka miala tsiny kosa fa raha Karana no ho tompon’Antananarivo, tsy hisy anaiky an’izany, Tompoko! Ary raha Karana na vahiny no ho tompon’i Madagasikara, hatramin’ny Sinoa, tsy hisy anaiky an’izany koa. Ka mitsangana ry Malagasy ! Mijoro ry Malagasy ! Tsy ankihemotra io satria ho an’ny tombontsoan’ny taranan-tsika! ».
Nandray ny feo sy namadika azy ho soratra : Jeannot Ramambazafy
Ito ambony io kosa dia ampamoaka goavana tao amin’ny Radio Free FM 104.2, tamin’ny 16 Desambra 2014. Lava be ka manahirana ny namadika azy ho soratra.
Â