Lahateny nataonâny filohanâny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, ny alahady 12 febroary 2017, tao aminy Arena Ankorondrano, taminâny fankalazana ny faha-folo taonanâny antoko TGV (Tanora malaGasy vonona) sy ny fifampiarahabana tatry ny taom-baovao 2017 niarahana taminâny vondrona Mapar.
Marihiko fa itony no karazana vidéo mirakitra ny Tantaram-pirenena tsy voavidy vola. Zavatra toa itony no tsy ampy eto amin'ny firenena malagasy, satria mbola maro ireo mpanao politika tsy mba mahalala izany hoe mangaraharaha izany ka rehefa tonga eo amin'ny fitondrana dia manao jadona no fantany.
Tsy mampandroso firenena iray velively izany toe-tsaina tia kinafinafina izany. Mila mahalala ny zava-nisy ny taranaka fara aman-dimby ary tokony avy amin'ireo mpitarika politika no loharanom-baovao. Amin'izay dia ho foana ny tsao isan-karazany mampisara-bazana.
Jeannot Ramambazafy - Nandika ny feo
**************
Ampifaliana tokoa ny anamarinan-tsika ny taom-baovao androany, dia ny taona 2017. Fanamariana fotsiny ary tsara ho fantatra ihany fa ny taona 2017 ity dia manamarika ihany koa ny faha-folo taonanâny fikambanana izay lasa antokoTGV. Feno folo taona tokoa ny antoko satria taminâny taona 2007 no nananganana ny fikambanana na association TGV izay nilatsahako benâny tanĂ na teto aminâny tananĂ nâAntananarivo, ary raha fifidianana filoham-pirenena marina taminâizany dia premier tour dia vita, satria 63% ny nahalany ahy ho benâny tanĂ na teto Antananarivo.
Eto dia tiako fostiny ny manamarika, satria isika mandalina politika, dia ampitaiko anareo koa izany hoe: raha ohatra ny benâny tanĂ na, Ingahy Ravalomanana, nilatsaka taminâny taona 1999, dia lany izy tany aminâny 55% tany. Ary ny isanâny olona nifidy azy dia teo aminâny 90.000 voix teo. Raha nilatsaka indray Ramatoa vadiny taminâny 2015, kely balitika ny taux de participation, teo aminy 20-25% teo, dia 94.000 voix no azony. Ny olona nandatsa-bato ho azy izany teto Antananarivo. Dia teo aminâny 90.000 voix eo ihany izany. Ampahatsiahivin-tsika satria namanâny anniversaire ihany izany.
Fa ny taux-ko taminâny 2007 taminâizaho lany benâny tanĂ na teto aminâny tanĂ nanâAntananarivo dia 165.000 voix no nahalany aho teto. Ny tiako lazaina dia hoe: raha izany sahalanâisa izany no hataon-tsika aminâny taona 2018, dia hoy ny fitenena hoe: mazava ny karatra, Tompokolahy sy Tompokovavy.
Izaho tsy mba be resaka fa kosa tia miasa. Ianareo rehetra ireo dia solontena avy any aminâny Faritra ary isaorako anareo satria fantatro fa manana ilay fitiavana ianareo, manana ilay fahavononana ary manana ilay fahazotoana izay, hitondra ny anjara biriky eo aminâny fanarenena, fanorenana ny firenena vaovao. Raha nandeha ny fifidianana benâny tanĂ na, taminâny 2015 teo, dia isaorako ianareo satria maro ny benâny tanĂ na lany tany ambanivohitra tany. Angatahiko mba hitsangana ny solontenanâny benâny tanĂ na tonga ato androany. Ianareo izay Maires mba mitsangana daholo, tompoko.
Ireo ry zareo. Mbola maro no tsy tonga avy any ambanivohitra rehetra any. Misaotra, afaka mipetraka ianaoreo benâny tanĂ na sady misy hafatra ho ataoko anareo koa rehefa avy eo. Fa izao: noho ny fotoana izao vaofetra taminâireny fifidianana benâny tanĂ na ireny, dia nanapakâhevitra mihitsy aho fa tanĂ n-dehibe no nandalovako, nanaovako fampielezan-kevitra. Inona ny vokany, hoy aho ? Nametraka Maires Mapar isika tany Diego; niezaka nandalo tany daholo ireo lehibena antoko, mba tsy hanononako anarana satria manahirana ahy ny manonona ny anaran-dry zareo, dia nahazo olona zary raha feno ny trano, zara raha nisy tonga nitsena.
Fa ny tenako kosa, taminy tonga tany Diego, tapaka ny lalĂ na, feno ny kianja. Vokany: lany ny Maire Mapar tao Diego. Ohatrâizay koa ny tany Mahajanga. Nandalo tao ny kandida rehetra; nandalo tao ny antoko rehetra fa tsy nisy nahavory olona ohatra ny fandalovan-tsika tao, fandalovako tao, tapaka ny lalĂ na teny Amborovy mandrapahatonga tany aminâny toerana nanaovana fampielezan-kevitra. Adiny telo ny nanaovana azy, lany ny Maire-ntsika, mitsangana ianao Monsieur le Maire Mokhtar izay tonga eto ankehitriny.
Ny tany Toamasina dia niarahanareo nahalala ny zavatra nisy satria isika raha hanao fampielezan-kevitra eny amoron-dranomasina, teny aminâny «bord» hoy ny fitenenana, dia tonga ny Emmoreg. Isika nametraka ny estrade sy ny sono. Tonga ny Emmoreg hoe: ravao io fa tsy eto ianareo no manao fampielezan-kevitra.
Nifampiantso taminâny tomponandraikitra rehetra aho hoe inona no atao? Satria nogafiny isika tsy navela nanao eo aminâio toerana io. Aminâny efatra maraina, amina toerana farany izay lavitra, miala avy ao aminâny bord, inona moa ny anaranâilay toerana, Madame le DĂ©putĂ©? LycĂ©e technique? Any aminâny LycĂ©e technique any ianareo no manao raha te-hanao fampielezan-kevitra. Niantso ny ekipa aho: izao, raha izany no izy, fotoana nifanomezana taminâny vahoakanâi Toamasina io, tsy maninona fa ilazao ny olona. Manomboka aminâny enina maraina, fa nifindra ny toerana dia ho avy ny PrezidĂ Rajoelina. Inona no nitranga, hoy ianareo? Tonga aho, tapaka ny lĂ lana, feno ny kianja, tsy omby ny kianja, lany Monsieur le Maire. Io Monsieur le Maire-nâi Tamatave, ElisĂ©e Ratsiraka.
Ny teto Antananarivo moa dia fantatsika ny zavatra nitranga, tsy nanolotra kandida ny Mapar noho ny antony maro samihafa. Fa tany Fianarantsoa, nanolotra kandida isika. Ary nisy olona teo, izaho tsy dia tiako ny manonona anaranâolona, fa nisy Madama mihevitr a ny tenany fa tomponâity Madagasikara ity; mihevitra ny tenanybfa tomponâi Fianarantsoa, nanao izay nataony, nampiasa ny volany iray manontolo. Fa ny antsika kosa niorina taminâny fitiavana, nentina taminâny finoana ny zavatra rehetra. Nivaly ny fifidianana: lany i Madame Christine Razanamahasoa.
Fa nahodikodina ny vato, dia elanelam-bato vaolo, hono, ny elanelany ka tsy lany i Mme Christine Razanamahasoa. Eto ianareo vavolombelona: niteny izahay fa tsy anaiky; izahay tsy maintsy hiady. Tonga ny gendarmes nanao tenue civile, namaky ary naka ny fitaovana tao aminy Viva Fianarantsoa. Hoy ny namana: hiady ve, Monsieur le Président, sa tsy hiady, fa vonona ny vahoaka? Dia hoy aho: on veut gagner la guerre mais pas une bataille.
Ka mandefera ianao Madame, fa aleho alaina any ny Mairie fa mbola ho avy ny fotoanan-tsika handaharan-tsika sy handaminan-tsika ny tanĂ na aminâireny olana rehetra ireny. Dia nijanona taminâny fahendrena isika. Inona no tiako ho lazaina amintsika matoa milaza izany zavatra rehetra izany ny tenako. Ny tanĂ n-dehibe no mitondra ny hery politikanâny antoko politika anankiray. Nasehon-tsika fa voafehin-tsika ny tanĂ n-dehibe, ary maro ireo kandida-ntsika, be dia be hoy ny fitenenana, taminâireny communes rurales rehetra ireny, izay lany fa dia navadibadika ny vato dia natao tsy lany.
Raha niady isika taminâireny fotoana ireny, dia hoy aho hoe: namanâny atody miady aman-bato ihany, sady namanâny ho reraka ihany isika satria ny olona malemy dia mampiasa ny fahefana sy ny lalĂ na mba hafahany mitazona ny fahefana. Fa ny olona tena mafy kosa dia matoky ny fanohananâny vahoaka sy ny olona ao an-damosina. Ka izay no nahatonga ahy, taminâireny fotoana ireny, tsy namelako antsika niady. Tsy namelan-tsika handray ny vato, araka ny fitenenana teo, fa aminâny 2018 kosa, a a a. Tsy hisy anaiky eo. Efa mazava ny karatra, mba tsy hitenenako zavatra betsaka aminâanareo, fa izao: Andry Rajoelina tsy matahotra izay olona ho kandida filoham-pirenena na iza na iza, ary vonona hifanatrika aminâizay hifanatrika aminy.
Efa nolazaiko fa isika tsy mba namanâny resy fa kosa tsy maintsy mandresy. Reko ihany ny ahiahy sy tebitebinareo namana teo: dia ahoana izahay ireto, Monsieur le PrĂ©sident? Dia hoy aho hoe: misaotra anâilay olona aho satria eto amintsika dia misy ny olona mahay manasaraka fa tsy mahay mampihavana; ny olona mahay mampiady, fa ny olona tsy mahay mampifandray ny rehetra; ny olona manimba sy mandrava fa ny olona tsy mba manorina sy mpanangana. Isika dia ilay voalohany foana, mitsinjo ny fihavanana, hanorina, hanangana firenena vaovao.
Fa izao: ny zavatra ho teneniko anareo dia ity: aza manana ahiahy ianareo fa izao: isaoraka ihany ny zava-drehetra iainan-tsika izao ho raisin-tsika lesona ho anâny aoriana, satria izao: efa miavaka izao ny vary sy ny tsiparifary. Ary isika dia tsy hanaiky intsony rehefa isika izao no mbola hampidirana tsiparifary indray. Ho anareo rehetra izay tomponandraikitra, dia izao fotsiny noteneniko anareo: rehefa tonga ny fotoana alohanâny zavatra tokony ataoko ary alohanâny valim-pitia tokony hasedra ho anareo tsirairay avy, ary tsy maintsy hahazo ny andraikitra sahaza azy ny tomponandraikitra tsirairay avy, manerana ny Nosy, Tompokolahy sy Tompokovavy:
Tsy mitovy ny taminâny taona 2009 sy ny taona 2018 aminâny lafiny maro. Zavatra iray fotsiny dia ity: hatraminâny naha zaza aho dia efa fantatro fa tsy maintsy handray andraikitra eto aminâny firenena: efa fantatro izany, fa izao: rehefa tonga eo aminâny fitondrana isika, aminâny taona 2018, na tsy fantatro na alohanâizay satria ianareo efa betsaka ny dondona, dia taminâny taona 2009, rehefa tafapetraka teo aminâny fitondrana aho, dia betsaka marina ny olona tonga, dia samy be lazao, be resaka, tao mihitsy ary moa no niteny hoe: izaho PrĂ©sident iaraka aminao mandrapahafaty, na entinao any aminâny afobe aza. Hoy aho: aza miteny hoe any aminâny afobe fa izaho tsy hitondra anao any aminâny afobe. Fa ireny olona ireny indrindra no tena anisanâny tsy hita aminâizao fotoana izao.
Ka izay no isaorako anareo namana rehetra rehetra izay eo nanamafy sy hanamafy ireo rafitra rehetra rehetra any aminâny faritra rehetra rehetra any. I Andry Rajoelina taminâny 2009 tsy Andry Rajoelina aminâny taona 2018. Ny ahy dia miasa ary hasehon-tsika anâizao tontolo izao ny asa hoentin-tsika eo aminâny fitondrana ity firenena ity. Raha ny tenako manokana dia tsy ny hoe falifaly na hoe voninahitra ny te ho filoham-pirenena ny maha may ahy. Lazaiko tsiambaratelo ianareo: izaho olo-tsotra izao no miaina kokoa noho izaho filoham-panjakana, satria adidy izany filoham-panjakana izany. Ka matoa aho hiverina aminâny 2018 dia noho ny vahoaka malagasy; noho ny fahatsapako fa tia ahy ianareo; noho ny fahatsapako fa miandry ahy ny vahoaka malagasy; noho ny fahatsapako fa mila avotana ity firenena ity.
Betsaka ny asa efa nataoko ary izay no nitenenako fa, raha taminâny taona 2009, nihezaka isika ampandeha ny toe-draharaha eto aminâny firenena. Na izany aza, betsaka ny zavatra vita, maro ny mbola tsy tanteraka. Tsy nahazo fanampiana avy any ivelany isika fa vitan-tsika ny nampisondrotra ny karamanâny mpiasam-panjakana 10% isan-taona, isan-taona. Ankehitriny misy mampisondrontra ny karamanâny mpiasam-panjakana, ekena, fa 7% isan-taona, isan-taona. Misy milaza hoe: mahita famatsiam-bola, fa izao ny zavatra lazaiko anareo: raha ny tetikâasa, izay ho lazaintsika hoe conventions, omaniko ao miaraka aminâireo experts any ivelany sy eto an-toerana, fa hatrany atsimo, hatrany avaratra, manerana ny nosy, dia misy praograma hapetraka tena hampandroso anâi Madagasikara ao anatina fotoana fohy.
Mbola ho avy ny fotoana asehoako izany praograma izany. Izaho aloha izao tsy miteny fa miasa mangina. Izay ny zavatra tiako ataon-tsika: miasa mafy ary tsy afaka nanolotra izany praograma izany aho taminâny taona 2009, dia aminâny taona 2018 lazaiko anareo fa raha samy praograma ny antsika no tsara indrindra, ny antsika no hanavotra ity firenena ity, ny antsika no hanavotra anâi Madagasikara. Ny amaranako azy dia izao: aza manaiky rabirabianâolona isika, aza manaiky rebirebenâolona isika fa i Andry Rajoelina dia mijoro ary vonona miaraka aminareo hanavotra ity firenena ity.
Misaotra Tompokolahy, mankasitra Tompokovavy.
Andry Rajoelina
ARENA, 12 Febroary 2017