]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Filoha Andry Rajoelina, TVM, 06.04.2020. Ny Fanambarany manontolo an-tsoratra

Filoha Andry Rajoelina, TVM, 06.04.2020. Ny Fanambarany manontolo an-tsoratra

Ry Malagasy havako,

Ry Malagasy namako,

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Manoloana ny valan'aretina coronarivus, dia miatrika ady lehibena “guerre mondiale” mihitsy izao tontolo izao. Fahavalo iray no manafika firenena maro ankehitriny; mahafaty olona maro, aman'alina maneran-tany ity covid-19 ity. Ary amin'izao ora sy fotoana hitenenako izao, dia maro ireo firenena sempotra, tsy tafavoaka fa nandringana olona maro tany amin'ny firenen'izy ireo ity aretina ity.

Tsy misy firenena, na dia iray aza, tsy voakasik'ity valan'aretina ity. Miatrika izany koa i Madagasikara ankehitriny? Tsy tafika no manafika, tsy firenena no miady fa tokana ilay fahavalo dia ity valan'aretina ity.

Fahavalo tsy hita maso, tsy heno ny fiaviany ary tsy hita ihany koa ny misy azy. Tsy mifidy taona na fiaviana na koa finoana na fironana politika ity valan'aretina ity fa dia iharany avokoa izay rehetra sendra azy.

Tsy mitsidika atao mandroso fa mby an-koditra vao mahajenjina araky ny fiteny malagasy. Na miezakamandavo anefa izy ity, dia tsy anaiky ho resiny isika fa isika kosa dia hijoro hatrany hanohy ny ezaka rehetra mba hiadivana amin'ity valan'aretina ity.

Ny tenako raha teo dia efa nilaza ombieny ombieny fa laharam-pahamehana ho ahy ny fahasalamana sy ny ain'ny vahoaka malagasy rehetra tsy vaky volo, ary ho ataoko ny ezaka rehetra rehetra hiarovana ny firenena amin'ity areti-mandringana ity.

Raha roa herinandro katroka izay dia nanambara ny fidirana ao anatin'ny vanim-potoana manokana na ny Ă©tat d'urgence sanitaire ny tenako, manoloana ny fidiran'ny valan'aretina coronavirus teto Madagasikara. Izany dia natao mba tsy ampiparitaka izany valan'aretina izany eto amin'ny firenena, indrindra fa eto amin'ny tany sy ny fanjakana.

Tamin'ny faha-roampolon'ny volana marsa 2020 teo, dia nanambara ny fametrahana ny fepetra fijanonana any an-tokantrano tsirairay avy ny tenako, mandritra ny dimy ambin'ny folo andro ka nifarana tamin'ny efatry ny volana aprily izany. Ao anatin'izay fe-potoana dimy ambin'ny folo andro izay mantsy no afahan-tsika mandrefy ny fifehezan-tsika an'ity valan'aretina coronavirus ity.

Izany dingana voalohany natrehin-tsika izany no afahan-tsika mandrefy ny hoe hatraiza ny fifehezana an'ity aretina coronavirus ity.

 

Eto izany isika dia, tamin'iny vanim-potoana voalohany iny, nifantoka kokoa tamin'ireo olona rehetra avy any ivelany tonga teto Madagasikara izay nahiana fa nitondra ny valan'aretina. Ny fepetra noraisin-tsika dia natoka-monina izy ireny ary natao fitiliana avokoa ireo olona rehetra avy any ivelany. Rehefa vita izany rehetra izany dia nizara roa toy izao ireo olona rehetra avy any ivelany :

 

* Nisy ireo izay tsy nitondra ny tsimok'aretina ka rehefa vita ny fitiliana farany izay natao dia niverina teo anivon'ny fiarahamonina izy ireny ary nody soa aman-tsara tany an-tokan-tranon'izy ireo tsirairay avy.

* Nisy kosa ireo izay nahitana ny aretina coronavirus ary efa noraisin'ny fanjakana an-tĂ nana ny fitsaboina azy ireo eny anivon'ny hopitaly.

Raha tsiahivina hoe inona avy ny dingana nataon-tsika tao anatin'izay dimy ambin'ny folo andro izay, dia afaka fintinana toy izao :

* Ny faha19-ny volana marsa lasa teo no fahatongavan'ny sidina farany avy any ivelany teto an-tanindrazana.

* Ny faha 20 marsa kosa no nanakatonana tanteraka ny fandraisana ireo sidina rehetra avy any ivelany.

* Ny faha 21-ny volana marsa no idiran'ny firenena tao anatin'ny vanim-potoana manokana ary nambara ampahibemaso ny Ă©tat d'urgence sanitaire eto amin'ny firenena.

* Ny faha 22-ny volana marsa no nametraka ny confinement partiel isika teto Antananarivo sy tany Toamasina.

Ny ampitso, izany hoe ny faha 23-ny volana marsa 2020 no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Centre de Commandement Opérationnel Covid-19 izay nafahan-tsika nifehy sy nametraka ny paik'ady rehetra mba hifehezana an'ity valan'aretina ity.

Napetraka noho izany ny Brigade Spéciale nafahan-tsika nijery ny toe-pahasalaman'ireo izay narary ary, indrindra indrindra, nanaraha-maso ihany koa ireo olona izay avy any ivelany ny hoe : nanaraka ny fepetra izay napetraka ve tamin'ilay fijanonana taminy amin'ny toerana nisy azy ireo na io hotely na teny anivon'ny tokan-tranony.

* Ny faha 24-ny volana marsa no nametraka ny lamina ara-tsosialy isika mba entina hanampiana ireo olona tena marefo sy ireo sokajin'asa izay tena nisy fiantraikany mivantana noho izay fepetra napetratsika izay.

* Ny 25-ny volana marsa kosa no nametrahana ireo fepetra ara-toekarena isan-tsokajiny sy isan-karazany tsy maintsy noraisina mba hoentina ihany koa iatrehana an'ity valan'aretina ity. Io ihany koa ny nahatongavan'ny fitaovana izay maromaro. Ny fitiliana aingana izany na ny TDR (Ttf : Test de dépistage rapide) araka ny nolazaina hoe fitiliana ao anatina fotoana fohy, ao anatin'ny dimy ambin'ny folo minitra, izay miisa roa alina (10.000). Ary tonga tamin'izany koa ireo aro-vava miisa iray hetsy (100.000) ho an'ny mpitsabo.

* Ny 31-ny volana marsa no nanatanterahana ny fitiliana faobe izay hita fa tena nahomby.

 

Raha fintinina dia amin'izao fotoana izao dia toy izao ny isan'ireo olona mitondra ny aretina coronavirus eto Madagasikara :

72 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina.

32 vehivavy, 40 lehilahy ka mitsinjara ohatran'izao izy ireo : ny 51 dia avy any ivelany izay nentin'ireo sidina farany niditra teto amin'ny firenena.

Ny 21 kosa dia ilay lazain-tsika hoe cas contacts na ny fifampikasoan'ireo olona izay nijanona teto an-tanindrazana nefa nahazo ny valan'aretina. Ka mitsinjara ohatran'izao izy ireo :

4 avy any Fianarantsoa; 2 any Lalangina; 12 eto Antananarivo ary ny 3 dia any Toamasina. Marihina anefa, ary misaotra an'Andriamanitra lehibe isika fa androany tolakandro dia ny vaovao mahavelom-bolo nolazain'ny Profesora tamiko dia misy olona roa narary no sitrana soa aman-tsara ankehitriny. Rehefa natao ary voamarika fa natao ny fitiliana farany an'izy ireo dia sitrana soa aman-tsara izany ireo olona roa ireo. Tsara ny manamarika fa ireo roa olona ireo dia pasitora mivady 50 taona sy 41 taona izy ireo, izay tonga tamin'ny sidina AF 934 tamin'ny 17 marsa 2020, izay niditra hopitaly tamin'ny 20 marsa lasa teo.

Izy ireo izany no olona sitrana voalohan'ny coronavirus eto Madagasikara. Koa miarahaba manokana an'izy ireo ny tenako satria sitrana soa aman-tsara ary tsy maty fo aman'aina. Ary mino ny tenako fa afaka andro maro maro dia mbola ho maro ireo olona izay narary voan'ny otrik'aretina fa mino sy mahatoky aho fa ho sitrana soa aman-tsara.

Hatramin'izao dia isaoran-tsika an'Andriamanitra ihany koa fa mbola tsy misy ny tranga nahafatesana olona noho ity tsimok'aretina ity eto Madagasikara, na dia efa betsaka aza ny olona maty, na amin'ireo nosy manodidina izany fa indrindra maneran-tany. Fa izao kosa. Faritra telo no tena voakasik'ity valan'aretina ity eto amintsika. Dia eto amin'ny Faritra Analamanga izany, ny Faritra Matsiatra ambony ary ny Faritra Atsinana.

Ity fahavalo ity moa dia mikendry ny handavo antsika fa tsy ho lavo isika ary tsy ho solafaka ihany koa. Izay noteneniko hoe : mila mijoro isika ary mbola mitohy ny fitsaboina ireo marary. Fa mino sy mahatoky aho fa ho maro no ho sitrana ary misaotra manokana ny ezaka ataon'ireo izay mpitsabo manerana ny Faritra izay lisy an'ity valan'aretina ity. Raha fehezina izany, dia hatreto voafehy tanteraka ny fiparitahan'ity valan'aretina ity eto amintsika.

Na dia izany aza dia mila mailo hatrany isika ary tsy afaka handriandry manana aretina indrindra noho ny fisian'ireo cas contacts. Izany no tsy maintsy handraisan-tsika fepetra aingana mba tsy hampianaka izany manerana ny nosy.

 

Ry Malagasy havako,

Vita izany ny dingana voalohany ary azo lazaina fa nahomby, hatreto, ny paik'ady napetra-ntsika mba hifehezana an'ity valan'aretina ity. Fa indrindra indrindra azo tsapain-tĂ nana ary nahazoan-tsika fankatoavana avy any amin'ny OMS izany ezaka nataon-tsika izany.

Ny mampiavaka antsika dia satria isika nandray ny fanapahan-kevitra hanao ny fitiliana avy hatrany ireo olona izay noeritreretin-tsika rehetra fa mampiahihahy na mety hitondra soritr'aretina. Izay no nampiavaka antsika teto Madagasikara.

Ny tany amin'ny firenena lehibe rehetra mantsy dia niandry ny fisehon'ny soritr'aretina izy ireo vao nanao ny fitiliana. Ary izay no nampianaka aingana be ilay tsimok'aretina ary niteraka fahafatesana olona maro izany any amin'ireny firenen-dehibe ireny.

 

Ry vahoaka malagasy,

Efa mahita tara-pahazavana isika ankehitriny, amin'ny dingana voalohany izay nataon-tsika. Tsy maintsy mandray fepetra sy fanapahan-kevitra anefa isika ankehitriny mba afahan-tsika miditra amin'ny dingana manaraka na ny dingana faharoa.

Ny zavatra mety hitranga sy ny fanapahan-kevitra dia anankiroa izany : na isika manohy ny ezaka efa vita izay nahitana fahombiazana; na isika milaza hoe efa vita izay ka dia tsy manohy intsony izay ezaka efa natao izay nahitana vokatra izay efa napetran-tsika teto amin'ny firenena. Ny dikan'izany dia toa izao : na isika izany manapa-kevitra ny hoe fiverenana amin'ny fiainana andavanandro, izany anefa dia mety hampianaka ny valan'aretina izay lety hitarika fahafatesan'olona maro toy ny miseho any ivelany ireny. Ho sarotra tanteraka ny fifehezana azy rehefa tonga izay fotoana izay sy ny fitsaboina ireo olona izay mety hitondra an'ilay tsimok'aretina, raha izay ny fanapahan-kevitra ho raisin-tsika no sady hianaka manerana ny nosy ihany koa ny valan'aretina coronavirus ary dia ho very anjavony ny ezaka rehetra vitantsika hatreto.

Ny faharoa dia manapa-kevitra isika ny hoe ny fanohizana ny confinement na ny hoe fijanonana any an-trano. Tsapako anefa fa mety misy fiantraikany amin'ny fahasahiranana isaky ny tokan-trano, indrindra fa ny eo amin'ny ara-pivelomana ny tsairay izany fanapahan-kevitra izany. Ny fahohizana izany anefa dia antoka iray tsy hitaran'izao valan'aretina ary hafahan-tsika mifehy azy ihany koa. Ny fiatrehana ny ady rehetra, toa ny ady rehetra, dia mila faharetana. Ary tsy maintsy misy fiantraikany izany amin'ny fiainana isan-tokan-trano, kanefa tsy maintsy misafidy isika ary tsy maintsy manapa-kevitra ny lĂ lana ho aleha ihany koa.

 

Ry vahoaka malagasy,

Tsapaka ny fahasahiranana iainan'ny isa-tokan-trano ankehitriny, indrindra manoloanan'ny ity valan'aretina ity. Kanefa, ny fitondram-panjakana dia hanao ny ezaka rehetra anamaivanana ny isan-tokan-trano mba hafahana miatrika an'izany valan'aretina izany. Tsy mora ny fanapahan-kevitra ho raisin-tsika, kanefa adidiko ny miaro ny ain'ny vahoaka malagasy manontolo. Izany hoe : mibanjina ny ampitso isika miaraka, ary tsy mikely soroka ny tenako ao anatin'izany zavatra rehetra rehetra izany.

Noho izany rehetra izany, rehefa nifandinika tamin'ireo lehiben'ny Andrim-panjakana, ireo Filohan'ny fiangonana ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny tenako, anisan'izany ireo Profesora, ireo Dokotera, dia ny fahendrena tsara indrindra, fa indrindra ny fanapahan-kevitra tsara indrindra, dia ny fanohizana ny ezaka efa natomboka.

Izany hoe : ho tohizana mandritra ny 15 andro ny vanim-potoana natokana ara-pahasalamana na ny Etat d'urgence sanitaire. Misy karazany roa ny fepetra entina manatanteraka izany mba hifehezana ny valan'aretina, ka toa izao izy ireo. Ho an'i Madagasikara iray manontolo, ny fepetra ankapobeny miatrĂ  manerana ny nosy dia toa izao :

Mbola mikatona ireo toeram-pianarana sy anjerimanontolo hatramin'ny faha-19-ny volana aprily hoavy izao;

Mikatona ireo toeram-pivavahana isan-tsokajiny;

Mikatona ihany koa ireo toerana famoriam-bahoaka. Izany hoe : ireo toeram-pandihizana; ireo toeram-pihirana na karaoke; ireo toerana fanaovana lanonana sy fampisehoana maro isan-karazany;

RarĂ na ny famoriam-bahoaka na famoriana olona mihoatra ny 50. Izany hoe : ireo fivoriam-pianakaviana izany; ireo fifaninanana ara-panatanjahantena maro isan-karazany.

RarĂ na ihany koa ny fifamezivezenan'ny olona sy ny fiara manomboka amin'ny 8 ora hariva ka hatramin'ny 5 ora maraina. Ny dikan'izany dia mbola mitohy ny couvre-feu.

Mila manaja hatrany ny fanarahana antsakany sy andavany ireo fihetsika fiarovana amin'ny tsimok'aretina isika mianakavy.

Ho an'ny olona rehetra tavela eto an-drenivohitra kosa na ireo olona any amin'ny faritra ka maniry ny hamonjy ny toeram-ponenany kosa, dia afaka mody izy ireo. Ka ny zavatra ho apetraka sy ho atao izany, dia afaka mamonjy ny toeram-piantsonana na ny gare routière izay afaka mandray ny zotra nasionalin'ny taxi-brousse izy ireo, fa misy fepetra maro ho apetraka amin'izany.

Ka noho izany dia manomboka amin'ny Talata 7 aprily ka hatramin'ny Alakamisy 9 aprily ho avy izao, dia manomboka amin'ny 5 ora maraina ka hatramin'ny 11 ora atoandro, dia afaka mamonjy ireo stationnements na toeram-piantsonana izy ireo dia afaka mamonjy ny toeram-podiany na ny toeram-ponenany misy ireo olona tsirairay avy ireo.

Na izany aza dia misy ny fandaminana ara-pahasalamana tsy maintsy apetraka amin'izany. An'isany izany, ohatra, ny tsy maintsy anaovana aro-vava na ny cache-bouche; ny fametrahana toerana fanasana tànana eny anivon'ireny toeram-piantsonana tsirairay avy ireny; tsy maintsy atao désinfection tanteraka ny fiara sy ny tobim-piantsonana rehetra.

Zavatra ankoatra izay dia ny fametrahany ny gel hydro-alcoolique ao anatin'ireny fiaram-pitanterana izay hampizotra hitondra ireo olona mankany amin'ny faritra sy manketo an-drenivohitra ao anatin'izay fotoana voafetra izay.

Ny zotram-piaramanidina ihany koa hisy ao anatin'ny fotoana voafetra. Ny Talata 7 aprily ka hatramin'ny Alakamisy 9 aprily ho avy izao, izay mampitohy an'Antananarivo sy ireo faritra mbola tsy hahitana ny cas contacts.

Izany hoe mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga; mampitohy an'Antananarivo sy Toliara; mampitohy an'Antananarivo sy Taolagnaro, Nosy-Be, Morondava ary ny any Antsiranana.

Tsy maintsy atao fitiliana na test rapide avokoa ireo mpandeha rehetra mandray an'izany zotra izany.

Amin'ny faritra rehetra dia tsy misy fepetra tokony ampiarina mihoatra ireo izay voalaza ireo. Ankoatra ireto Faritra telo ireto : Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa izay hahitana olona miahotra ny dimy mitondra ny aretina coronavirus ary, indrindra indrindra, ahita ireo cas contacts. Izao ny fepetra miatrĂ  :

 

Mombany fitaterana : mbola tsy miasa ny taxi-brousse ankoatra ireo fepetra efa nolazaiko teo aloha; ireo mpitatitra entana sy vokatra ihany no afaka mifamezivezy amin'ireo faritra ireo; raràna ihany koa ny fivezivezen'ny taxis; raràna fivezivezen'ny fitateram-bahoaka na taxi-be izany; apetraka ny barrières sanitaires mivoaka sy miditra amin'ireo faritra telo ireo; mijanona ao an-trano avokoa ny rehetra afa-tsy ireo tsy maintsy mivoaka noho ny antony tsy azo ialàna. Ireo fepetra efa noraisina teo aloha dia mbola mitoetra sy mitohy avokoa.

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny paik'ady vaovao ho apetra-tsika mba afahana mifehy tanteraka ity valan'aretina ity amin'ireo faritra telo ireo, izany hoe : ny eto Analamanga, ny any Atsinanana ary ny any Matsiatra Ambony, dia izao manaraka izao :

Hanakaiky ny vahoaka kokoa ny paik'adyafahan-tsika misoroka izany. Ny antony dia izao : efa misy ireo cas contacts na fifampikasoana na ny olona tsy nivoaka teto amin'ny firenena kanefa tratra ny valan'aretina.

 

Momba ny fepetra ara-pahasalamana izany, dia izao no ataon-tsika :

Tsy maintsy ary mitondra aro vava na cache-bouche daholo ny rehetra rehefa mivoaka ny trano, na any am-piasana io na eny an-dalambe izany.

Entanina ireo manana soritr'aretina rehetra anatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana mba afahantsika mahafantatra raha mitondra na tsia ny tsimok'aretina izy ireo. Ary indrindra indrindra mba hafahan'ireo mpitsabo mandray ny fepetra mifanaraka avy hatrany amin'izany toe-draharaha izany.

Ampitomboina ireo toerana fanasana tĂ nana. Ireo voamieram-pahasalamana dia hiasa ary hanampy amin'ny fitiliana isam-baravarana ireo olona mety hitondra ny tsimok'aretina mba afahan-tsika mitsabo sy mandray an-tĂ nana avy hatrany mialoha an'izy ireo.

 

Momba ny rafim-pitantĂ nana ifotony.

Apetraka eo anivon'ny isam-pokontany ny rafim-piarahamonina vaovao mitondra ny anarana hoe LOHARANO.

Loharano dia entina miady amin'ny coronavirus. Ity Komity Loharano ity dia natokana hitantana, handrindra sy hanara-maso ireo asa fizarana ny vatsy sy ireo fitaovana atolotry ny Fanjakana eny anivon'ny mpiara-monina sy eny anivon'ny fokontany isan-tokony ireny.

Fa indrindra, raha misy ny olana ara-pahasalamana; raha misy ny olana ara-asa, dia miainga eny anivon'ny Komity ihany koa izany. Noho izany, manomboka izao dia miainga eny ifotony ny lamina rehetra hoentina miady amin'ny aretina sy mba hafahan-tsika ihany koa mametraka ny rindra lamim-piarahamonina vaovao.

Ity Komity Loaharano ity dia apetra-tsika isam-pokontany. Izany hoe, ao anaty fokontany anankiray dia ahitana olona anankihenina isaky ny secteurs. Izany hoe, ahitana ny Sefo Fokontany, ny Chef Secteur ary hiantsoana ireo tsara sitrapo rehetra eo anivon'ny fiarahamonina ka mba hitadiavan-tsika, ary anaovako antso avo, ireo olona mahitsy, marina, manana fitiavan-tanindrazana, manana finiavana sy manana fandavan-tena ary indrindra indrindra miady amin'ny kolikoly.

Izany dia tokony mpisehatra eo anivon'ny fahasalamana, eo anivon'ny fampianarana, eo anivon'ny fiangonana ary, mety hahitana ihany koa, mpitandro filaminana... Tsy ilaozan'izay olona marina, olona mahitsy eny anivon'ny fokontany isika rehetra rehetra, mba hafahana miaraka mifanome tĂ nana hiady amin'ity valan'aretina ity.

Ny fametrahana izany Komity Loharano izany dia iarahana mametraka miaraka amin'ny Ben'ny TanĂ na, ny Lehiben'ny Distrikta ary ny Sefo Fokontany. Ity rafitra Loharano ity izany no paik'ady vaovao hoentin-tsika miatrika sy hamongorana ity valan'aretina ity.

Efa nolazaiko ombieny ombieny fa mila ny fandraisana andraikitry ny tsirairay avy izany. Ary miantso ireo rehetra handray anjara sy hiraka hientana ao anatin'izany ny tenako. Tadidio fa ity aretina ity dia loza lavitra noho ny loza voajanahary. Nefa izao : rehefa tonga ny loza voajanahary na ny cyclone dia matetika mandritra ny herinandro na mihoatra aza, dia mijanona ao an-tokan-trano ny rehetra, tsy misy miasa, tsy misy mianatra ary tsy misy mivoaka ny trano.

Rehefa cyclone dia hita ny orana fa tonga, hita ny rahona fa mandrakotra ny lanitra ary tazana ny tafio-drivotra sy ny rivotra mifofofofo. Fa ity toe-javatra ankehitriny ity kosa, dia loza avo folo heny, eny avo zato heny mihitsy aza noho ny cyclone satria areti-mandringana, tsy hita maso, tsy tazana. Aretina mety eo anivon'ny fiarahamonina misy anao, mety eo anivon'ny namanao, mety efa ao anivon'ny fianakavianao. Izany hoe aretina mety efa eo akaikinao.

Tsarovy hatrany ny Malagasy namako, fa fahavalo tsy hita maso, tsy re, tsy azo tsapain-tĂ nana ity iadin-tsika ity. Nefa aretina mahafaty, efa nandringana olona maromaro manerana izao tontolo izao.

 

Ry Malagasy namana,

Sarobidy amiko loatra ny ainao; sarobidy amiko loatra ny ain'ny zanan-tsika ary amin'izao vanim-potoana sarotra atrehin'ny firenena maneran-tany izao ary indrindra indrindra manerana izao tontolo izao, ary atrehin'ny firenen-tsika ihany koa, dia mijoro sy miasa ho anao ny rafim-pitondrana rehetra eo anivon'ny sehatry ny Fahasalamana; eo anivon'ny sehatry ny Mpitandro ny filaminana sy ny governemanta iray manontolo; ireo tsara sitrapo rehetra sy ireo maro tsy voatanisa ihany koa.

Tsy mandry andro tsy mandry alina iarovana anao izahay. Ary mbola averiko eto ihany fa tsy irery ianao ry Malagasy; tsy kamboty ihany koa fa miahy anao izahay. Mbola tsy afaka misioka anefa isika satria mbola tsy tafavoaka ny ala. Mbola tena ao anatin'ny ady tanteraka isika ankehitriny. Tsy mbola afaka ny hiambo hoe nandresy satria mbola maro ny fianakaviana izay mila tsaboina sy ho tsaboin-tsika ihany koa.

Fa tsy hihemotra isika fa hijoro hatrany ary ho resin-tsika izany aretina mandringana izany. Hoezahin-tsika arak'izay azo atao ny tsy isian'ny aina afoy ao anatin'izao valan'aretina izao. Ny zava-dehibe tokony ho atao dia ny Firaisankina, ny Firasam-po, ny Firaisan-tsaina hafahantsika -ary indrindra ny Fiaraha-mientana-, mba hafahantsika miatrika ity valan'aretina ankehitriny ity.

Koa izao no afatra omeko anao : tsy maintsy miatrika izao fisedrana izao isika. Noho izany, ny fifehezan-tena sy ny fahaizan-tsika manaraka ny fitsipika rehetra ary indrindra indrindra ny fitandremana ny anio mba itsinjovana ny ampitso no afahan-tsika mandresy izany valan'aretina izany.

Ny faniriana dia aorian'ity ady ity, dia ho vahoaka matotra ary ho vahoaka modely ny vahoaka malagasy. Vahoaka matanja-tsaina ary tsy ho voazarazara ary vonona ny hiroso amin'ny Fampandrosoana izay imatimatesan-tsika ho an'ny firenena.

Matoky ny fahendren'ny Malagasy ny tenako hitandrina toa ny anakandriamaso ny fahasalaman-tsika mianakavy, ary indrindra indrindra hitsinjo ny fiarahamonina malagasy isika tsirairay avy.

Aleo isika miafy kely ao anatin'ny fotoana voafetra mba ho velona sy salama maharitra ao anatin'ity tany nomen-Janahary antsika ity.

Apetra-tsika eo am-pelan-tĂ nanan'Andriamanitra ny zava-drehetra.

Masina ny Tanindrazana,

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

 

Andry Rajoelina,

Filoham-pirenena malagasy

Ambohitsorohitra, Alahady 5 Aprily 2020

 

Nandika an-tsoratra avy amin'ny alĂ lan'ny RNM :

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Lundi, 13 Avril 2020 19:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024