]
Les quotidiens du 22 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Ny Filoha Andry Rajoelina. Fepetra ilaina sy anànan’izany hoe Praiminisitra izany

Ny Filoha Andry Rajoelina. Fepetra ilaina sy anànan’izany hoe Praiminisitra izany

« Rediredy ka ilaina », hoy ny hira anankiray izay. Izay tokoa ny andraisan’ny sasany ny atao hoe Demokrasia. Dia ny fahafahana miteny na manoratra (« Liberté d’expression ») izay saim-pantatra. Saingy adinon’ireo hatrany fa izany Zo (« Droit ») izany mitaky Adidy (« Devoirs ») hatrany. Tsy misaraka toa rano sy vary ireo. Ka rehefa mihaom-pefy sy enjehin’ny Lalàna manan-kery eto amin’ny Tany sy ny Fanjakana ry zareo dia malaky miantso vonjy sy « didy jadona ».


Ny anay eto aminy Madagate (.org fa tsy.com) kosa dia mitatitra ny zava-nisy sy zava-voateny marina hatrany no asan-gazety ataonay. Izany dia ho an’ny arsivan’ny Tantaram-pirenena malagasy, efa nanomboka ny 13 Febroary 2001, 23 taona lasa. N’inona n’inona ny teknolojia misy sy hisy toa ilay IA (« Intelligence artificielle ») dia ny soratry ny zanakolombelona no loharanom-baovao voalohany. Asakasak’ireo manaiky baikon’ny masinina. Ity manaraka ity ary ny kabarin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny 12 Jolay 2024, teny amin’ny Lapam-panjaka eny Iavoloha, tamin’ny nanendreny indray an’i Andriamatoa Ntsay Christian ho Praiminisitra. Inona tokoa no antony ?

Tsy midika inona ireo loko ireo, fa fanavahana ny faritra 6 fotsiny ihany

Jeannot RAMAMBAZAFY

* * * * * * *

VIDEO ETO

" Tompokolahy sy Tompokovavy,

Andro lehibe ny andro androany, ary dingana iray ihany koa eo amin’ny fandrefetana ny mpitantàna sy ny handrafitra izay fitantanana izay, izay ho lehiben’ny gouvernemanta izay. Izay no antony mahavory antsika androany.

Araka ny efa ambetin-teniko dia manamafy ny afaingam-pandeha isika, amin’izao enim-bolana voalohany nitantanako ny firenena izao, ary raha vao vatana voafidy ny birao maharitry ny Antenimierampirenena omaly (Ttf : 11 Jolay 2024), ka mipetraka ara-dalàna ny rafitra rehetra, dia ho fanajàna ny andininy faha-54-ny Lalampanorenana, dia tonga eto ianareo mpikambana ao amin’ny Antenimiera, izay mivondrona ao amin’ny antoko maro, manana ny maro an’isa, izay natevenin’ireo Solombavambahoaka tsy miankina (PHOTO) izay nahafeno 100 isa ankehitriny, izay tonga eto daholo ianareo ireo, izay nanolotra tamiko ny anaran’izay ho atao Praiminisitra.


Tiako marihina ihany anefa, hoe ohatry ny ahoana ny olona tokony hapetra-tsika ho Praiminisitra.

Ny tokony hatao Praiminisitra dia :

OLOM-PIRENENA VONONA, VANONA ARY MANANA TRAIKEFA MIFANOJO AMIN’IZANY ANDRAIKITRA IZANY GOAVANA IZANY. Na eo amin’ny lafin’ny fahaiza-manao izany, eo amin’ny lafiny fahafantarana koa ny Firenena, manerana an’i Madagasikara, na eo ihany koa, eo amin’ny lafiny fitarihina ny rafitra mpanatanteraka na ireo minisitra izay mpikambana ao anatin’ny governemanta.

OLONA NATAO HIFANDRAY AMIN’NY TOMPONANDRAIKITRA AMBONY ETO AN-TANINDRAZANA SY ANY IVELANY NY PRAIMINISITRA. Izany no tsy maintsy ilana azy HANANA FIFEHEZANA TANTERAKA NY ARA-DIPLOMASIA IHANY KOA SY NY RAHARAHAM-PIRENENA AMIN’NY ANKAPOBENY.


Raha mametraka vina ny Filoham-pirenena, ary mitarika ny fitondram-panjakana amin’ny dingana rehetra rehetra hanatanterahana izany, dia ANJARAN’NY PRAIMINISITRA kosa NY MAMETRAKA NY PAIKADY SY NY SORO-DALANA MAZAVA AMIN’NY FANATANTERAHANA IREO FANAMBY SY NY ASA REHETRA VOAFITRY NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA (Ttf : « Politique Générale de l’Etat »).

IREO MPIARA-MIOMBON’ANTOKA AMIN’I MADAGASIKARA DIA OLONA MANANA FITOKISANA TANTERAKA AMIN’NY PRAIMINISITRA mba ho hamafisana hatrany, hanamafisana ny fiaraha-miasa matotra amin’izy ireo. Misy « négociations de très haut niveau » (Ttf : Fifandresen-dahatra avo lenta) atao amin’ny Fmi, Banque mondiale… Ny « négociations » rehetra ara-bola, ary ilaina « bagages » goavana izany fa raha vao malemy ny Praiministra dia malemy ny Firenena, dia tsy mizara asa ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena.


Tsy latsa-danja amin’izany koa anefa ny ara-ekonomika sy mikasika ny Lalàna velona eto amin’ny Tany sy ny Firenena, satria ny fanapahan-kevitra rehetra izay raisina dia tsy maintsy atao manaraka ny Lalàna sy ny fenitra rehetra. Ka noho izany dia noraisiko am-pahendrena ny anaran’izay natolotrareo Solombavambahoaka.

Ary mino aho fa OLONA AFAKA HAMETRAHANA FITOKISANA, MAHITSY ARY TSY MIVADIKA, TSY MIVADIBADIKA. Hita-tsika tsara angamba ny Tantara teto amin’ny Firenena : nisy Lehiben’Andrim-panjakana maromaro, fa vao napetraka dia fantatrareo ny tohiny, tsy tsy tohiziko…



Izay no mahazava dehibe hoe MILA OLONA TSY MIVADIBADIKA ISIKA, MAHAFEHY NY ASA ARY MANANA TRAIKEFA TAKIANA MBA HANOHIZANA HATRANY IREO DINGANA REHETRA EFA NATOMBOKA ARY TSY MAINTSY HO VITAINA ao anatin’ny zavatra izay planina, izay praograma napetra-tsika.

Koa dia raisiko ary ny fanapahan-kevitra anendry ny Lehiben’ny Governemanta, ho fanohazana izay asa izay natao, dia HO AVERIKA ARY HO TANAKO HO PRAIMINISITRA ANDRIAMATOA NTSAY CHRISTIAN.

Andriamatoa Ntsay Christian

Maro ny ezaka vita-tsika sy ny fandaharan’asa efa notanterahina izay nitondra vokatra. Na izany aza dia mahatsapa isika fa mbola maro ihany koa ny asa miandry.

Ny làlana mankany amin’ny Fampandrosoana dia mifototra amin’ny fitohizan’ny asa izay efa natombon-tsika. Koa, noho izany, dia mila isika, na ahoana na ahoana, MILA TSY MAINTSY MANATSARA SY MANAVAO FOMBA FIASA, MBA HAFAINGANINA ARAK’IZAY TOKONY HO IZY NY ASA REHETRA IZAY HATAO.

ESORINA DAHOLO IZAY SAKANA REHETRA REHETRA IZAY MISAKANA NY FAMPANDROSOANA.


Manarak’izany dia eo amin’ny firafitry ny Governemanta.

Tsy ho rotorotohina ny fametrahana ny Governemanta. Mbola misy « évalutations » (Ttf : fandrefesana ny fahaizana sy ny hai-tao) izay ho ataoko amin’ireo minisitra ireo. Mila fotoana handalinina tsara vao hiroso isika amin’izay fametrahana Governemanta vaovao izay. Fa ny Governemanta ankehitriny kosa dia hanohy ny fampandehanana ny raharan’ny Firenena.


Miaraka hihezaka isika rehetra, na ianareo ao anatin’ny Antenimierampirenena, na ny Governemanta ankehitriny sy ny hitsangana eo, ho tombontsoan’ny Firenena. Afaka manatratra tsara isika ny fanamby miaraka ary afaka atao tsara ny manangana Firenena matanjaka sy mirindra.

Madagasikara tsy maintsy mandroso,

Ho ela velona anie ny Firenen-tsika,

Samia isika rehetra ho tahian’Andriamanitra "./.

Nandika an-tsoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Jeudi, 18 Juillet 2024 08:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale

 

André (ANDY) Rasolonjatovo. Nandao antsika ny 03 Jolay 2024

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo