]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Entreprendre Madagasikara. Ady amin’ny herisetra amin’ny endriny rehetra: antsoy ny 813!

Madagasikara. Ady amin’ny herisetra amin’ny endriny rehetra: antsoy ny 813!

Tsy fisian’ny fandeferana eo andaniny sy ankilany, tsy fanomezana fanapa-kevitra ny vehivavy amin’ny sehatra iray ny tsy fihainoana ny lahy sy vavy. Ireo dia anisany mamparefo ny Malagasy raha ny miralenta no resahina. Vokany, dia mivadika ho herisetra amin’ny lafiny maro izany eny anivon’ny fiarahamonina eny.


Ny lalàna laharana 008-2009 no natao indrindra ho fenitra iray hizorana any amin’ny fiadiana ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Tsy nijanona fotsiny ho lalàna anefa fa misy asa sy fanentanana, ary fanabeazana atao amin’izany. Manana anjara andraikitra lehibe amin’izany ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary fampivoarana ny vehivavy. Asa sahanina amin’izany, amin’ny alalan’ireo mpiandraikitra ara-tsosialy na ny « assistant social », dia ny mandray sy mihaino fitarainan’ireo izay hianjadian’ny herisetra, na lahy io na vavy. Manoro hevitra sy ny tokony atao ihany koa izy ireo, ary mandefa ireny olona tratry ny herisetra ireny any amin’ny sampandraharaha izay tokony iandraikitra izany, arakaraka ny fitrangan’ilay herisetra.

Tsara ho fantatra anefa fa tsy ny vono ihany no heverina fa herisetra, fa misy lafiny maro : ao ny herisetra ara-pivelomana na ekonomika, herisetra ara-nofo, herisetra ara-tsaina na ara-psikolojika (« violence psychologique et émotionnelle ») ary ny herisetra ara-batana izay matetika mitranga. Ity farany ity dia eo tokantrano no fitrangany matetika.


Ny fanadihadihana Fadaharan’asa MICS 2018 (« Multiple Indicator Cluster Surveys »), izay notanterahin’ny INSTAT, UNICEF, BANQUE MONDIALE sy ny USAID ny taona 2018 dia nanaporofo fa mia-mahazo vahana ity herisetra amin’ny tokantrano ity, izay ny vehivavy no tena iharany.

Araka io fanadihadihana io, fitrangana herisetra 12 volana mialoha ny fanadihadihana dia manambara fa antony maro no mahatonga ny fikorotanan’ny tokantrano iray ka miafara aminy fisarahana noho ny herisetra ataon’ny iray amin’izy roa.

· Ny herisetra vokatry ny teny tsy voahevitra dia nahatratra 34%. Nahitana tranga be indrindra amin’izany ny faritra Sofia sy Betsiboka (45 %) ary ny Faritra Analamanga (43%).

· Herisetra ara-batana : 23%. Ny Faritra Analamanga no nahitana tranga be indrindra : 39% ; Faritra Alaotra Mangoro : 34%/ ; Faritra Vakinankaratra sy Bongolava 30%

· Fanolanana : 11%. Ny Fatria nahitana tranga be indrindra : Faritra Anosy 21% ; Faritra Analamanga 18%.

Io fanadihadihana io ihany no milaza fa na dia ny laoka may ao an-trano aza dia efa hitrangana herisetra eo amin’iray amin’izy roa ; eo koa ny fivoahana an-trano ataon’i ilay vehivavy ka tsy miera amin’ny vadiny.


Noho ireo tatitra ireo dia maro ny ezaka tokony atao hisoroana ny herisetra amin’ny hendriny rehetra. Efa nisy tetik’asa izay napetraky ny eo anivon’ny Ministeran’My mponina (MPPSPF) dia ny Ivo-toerana ho fihainoanan’ireo izay tratra ny herisetra manerana ny Faritra 22 (« Centres d’écoute et de conseil juridique). Izy ireo dia natao hamahana sy hanoroan-kevitra ireo iharan’ny herisetra.

Tsy nijanona hatreo anefa fa nanomboka nisian’ny fihiboana noho ny fisian’ny COVID-19 dia maro ihany koa ny herisetra nitranga, na ara-batana io na ara-tsaina na ara-psikolojika, na ara-nofo, na ara-pivelomana, na ara ekonomika. Ho fampihenana izany dia natsangana ihany koa ny Antso manokana maimaimpoana (ligne verte 813) nanomboka niasa ny volana Aprily 2020.

Fiaraha-miasan’ny MPPSPF sy ny mpitandro filaminana, ny UNFPA ary ireo fikambanana samihafa. Io lahara-tariby 813 maimaimpoana io dia natao hiainoana ny fitarain’ireo izay tratry ny herisetra manerana ny Nosy, ka ireo mpandray ny antso no manoro hevitra sy ny tokony ataon’ilay olona tratry ny herisetra. Mandray ny fitarainana sy fampafantarana ataon’olona ihany koa ry zareo raha toa mahatsikaritra herisetra any anivon’ny fiaramonina any ilay olona.


Tsy herisetra ihany anefa fa eo koa ny toro-hevitra ara-pahasalamana, indrindra ireo tratran’ny herisetra ara-nofo sy ara-pananahana.

Andraikitra raisin’ity laharana 813 ity ihany koa ny tranga herisetra ara-batana, herisetra ara-tsaina na ara-psikolojika.

Ny tanjona dia ny hamongorona tanteraka ny herisetra mianjady amin’ny tsirairay. Noho izany : raha misy iharana herisetra dia afaka manatona ny biraom-pokontany, na zandary na polisy na ihany koa ny CEJI Trano Aro Zo. Na miantso mivantana ny 813.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Jeudi, 13 Août 2020 16:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30