Hatramin’izay naha mpanao gazety aho, izany hoe efa 40 taona mahery, dia « pli vava » fotsiny ihany ilay hoe « ny ankizy ankehitriny mpanangana ny Hoavy »… Tsy hiditra amin’ny lalina amin’io fehezan-teny io aho… Fa ny zava-misy amin’izao vaninandron’ny taon-jato faha-telo arivo izao dia tena efa lasa « mpanongana ny Hoavy » sy ny hoaviny ny tanora ankehitriny amin’ity resaka zava-mahadomelina mahery vaika toa amidy sahala amin’ny anana eto amintsika. Averiko eto hatrany fa matoa tsy tratra ny tena ati-dohan’io tambazotra io dia satria tsy tadiavina. Na koa, fantatry ny mpikaroka fa mbola mahery ny herin’ny vola…
Inona moa ilay hoe « Fanabeazana » na « Education »? Miala avy amin’ny ray aman-dreny niteraka aloha izy io. Raha teny ratsy, toaka sy sigara sy rôrô ve ny tontolo iainana ary re sy hitan’ilay zaza, dia hanantena inona avy aminy ny Firenena ? Na ao an-tokan-trano izany na eo amin’ny fiarahamonina, indrindra fa eo amin’ny tontolon’ny « namama »... Manaraka izany ny foto-pinoana amina Andriamanitra tokana sy iray, ka na Jiosy, na Kristiana na Silamo. Misy koa anefa mino andriamanitra maro… Mameno ireo sehatra ireo dia ao ny Sekoly (Epp, Ceg, Lisea, Oniversite). Misy mpanabe hatrany ao amin’ireo sehatra telo ireo. Fa rehefa latsahan’ny fanahy mantsin’ny « pilitika » dia… mamaky sy mijere vaovao taloha sy ankehitriny…
Ka ny ankamaroan'ny ray aman-dreny ve no tsy mahafehy ny zanany sa ireto farany mihitsy no miseho ho zavatra ka tsy mihaino hafa tsy ny sitrapony ? Na izany na tsy izany aza, dia ny ray aman-dreny tsy maintsy mikarakara ny olom-pirenena rehetra ao anatina rafitra repoblikana dia ny Fanjakana. Fa mila mitandrina amin’ny fahazoana izany lazaiko izany. Aoka izay ny «Fanjakana miahy» na «Etat-Providence» nadika vilana ka nanimba ity Madagasikara ity. Satria niteraka vahoaka mpangataka sy mpitondra manao izay tiany ary « manome » ho an’izay midokadoka azy.
Ny fototry ny firenena lasa lavitra dia vahoaka nahazo Fanabeazana tsara fototra sy Fampiofanana mampahay sy mahalasa lavitra mifanaraka amin’ny zava-misy tsy mitsahatra miova. Ka rehefa ireo Fanabeazana sy Fampiofanana ireo no atao ankilabao dia ho lavitr’izany fandrosoana izany hatrany Ra-Malagasy.
Fa amin’izao fiantombohan’ny taona 2024 izao dia tsy nitaza-potsiny ny fitondrana Rajoelina eny an-dapa eny f’efa namolavola vina maha taka-davitra efa masaka amam-bolana, izay nipoitra tany Dubaï, tao an-kilan’ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ilay Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Governemanta (« World Governments Summit »). Resaka tafiditra amin’ny Hoavin’ny ankizy sy ny tanora malagasy tanteraka ilay izy, ary tafiditra ao amin’ny Fanabezana sy ny Fampiofanana mitsinjo ny taranaka malagasy tokoa. Nizara roa mazava lehibe ilay vin’asa mifanaraka tanteraka amin’izao andron’ny teknolojia vaovao maneran-tany izao.
Dubaï, Alarobia 13 Febroary 2024. Notontosaina io andro io, teo anilan'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Governemanta (« World Governments Summit »), ny fanaovan-tsonia mikasika ny « Digital School ». Inona marina moa izy io ?
Ny « Digital School » na Sekoly Digital (na koa Nomerika) dia iray amin'ireo hetsika maha-olombelona natsangan'ny « Mohammed Bin Rashid Al Maktoum Global Initiatives»(MBRGI), izay mikendry ny hamolavola ny Hoavin'ny fanabeazana eran-tany amin'ny alà lan'ny fampiasana teknolojia maoderina hanitarana ny fahafaham-panabeazana, amin'ny fampiasana fahalalana, andrana farany ary rafitra izay voaporofo fa mahomby amin'ny fampivelarana vina sy fomba fijery mibanjina ny zava-misy marina. Tsihavina fa Andriamatoa Mohammed Bin Rashid Al Maktoum dia « Emir » an’i Dubaï.
Ramatoa Sahondrarimalala Marie Michelle, Ramatoa Rafafaravavitafika Rasata, Andriamatoa Omar Sultan Al Olama
Io 13 Febroary 2024 io ary dia nanao sonia taratasy fifanarahana na « mémorandum d’entente » mikasika ny fiantombohan’ny praograma Sekoly Digital, Ramatoa Sahondrarimalala Marie Michelle, ministry ny Fanabeazam-pirenena, sy Andriamatoa Omar Sultan Al Olama, ministry ny Fanjakana Emirati misahana ny faharanitan-tsaina artifisialy na « Intelligence Artificielle ». Nanatrika izany lanonana izany, Ramatoa Rafafaravavitafika Rasata, Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Dubaï, Alarobia 14 Febroary 2024. Notontosaina io andro io, teo anilan'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Governemanta (« World Governments Summit »), ny fanaovan-tsonian’ny « Memorandum of Understanding » na MoU (Taratasy fifanarahana sy fifanekana) izay manamarika ny fanombohana ny : 1. Fandaharan’asa fanofanana mpitarika ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony malagasy amin’ny fampiasana solosaina, ary koa : 2. Fanombohana ny « Coders Initiative » izay fanofanana momba ny « Computer Coding » (fahaizana mikirakira ny teknika ao anaty solosaina) ho an’ny tanora malagasy miisa 1.000.000 (iray tapitrisa) rahatoa ka 100.000 isa no tamboalohany. Ireo Tetik'asa fanofanana matihanina ireo dia hiarahana amin'ny governemanta Emirati.
Ny niara-nanao sonia ity MoU ity dia ny minisitry ny Kabinetam-panjakanan'ny Emira Arabo Mitambatra, Andriamatoa Mohammad Abdullah Al Gergawi sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Rafaravavitafika Ratsara.
Ramatoa Rafaravavitafika Ratsara, Ramatoa Lalatiana Ratokondrazafy, Andriamatoa Mohammad Abdullah Al Gergawi
Izany lanonana izany dia notontosaina teo anatrehan’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana Ratokondrazafy, izay nanankinan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny iraka hifampiraharaha amin’ny Emirati sy ny fampivoarana ny MoU, miaraka amin’ny fanohanan’i Ramatoa Rafaravavitafika Ratsara, minisitry ny Raharaham-bahiny.
* * *
Dingana goavam-be izany no nataon’ny Filoha Rajoelina sy ny délégasiona notarihiny tany Dubaï mikasika io resaka tontolon’ny Nomerika io. Ary tsy hoe mbola hiandry vola avy any amin’ny mpamatsy vola toa ny nahazatra, hatramin’izay, rehefa miverina ny delegasiona mafonja (ary navoaka amin’ny gazety rehetra fa « nahomby » ny dia ) nefa ny vola tsy eo am-pelan-tà nana akory…) fa avy hatrany dia fampiarana. Aiza fotsiny, ohatra ireo hoe vola amina miliara dôlara nangatahin-dry Rajaonarimampianina sy Rivo Rakotovao tao Paris, ny 1 sy 2 Desambra 2016 ? Nisy tokoa ve dia natao inona ?
Raha nandinika lalina aho dia toa azoko an-tsaina ny tian’ny Filoha Rajoelina noresahina bebekokoa fa tsy afaka nivalampatra izy noho ny anjara fitenenana voafetra, satria maro ireo Filoham-pirenena no tonga nanatrika io Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Governemanta tao Dubaï io. Fa izao no tsapako :
Ny fandrafetana ny Governemantan’ny Hoavy dia mitaky ny fanetsiketsehana sy ny fanoloran-tenan’ny rehetra mba hisian’ny hetsika mifanaraka sy mivaingana amin’izany, mba ahazoana antoka fa ny fanapahan-kevitra noraisina amin’iny Fivoriham-be iny dia hivadika ho lasa tetik’asa mahomby sy mampiroborobo ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, dia nisy ny fanatrehan-maso ny fampiasan’ny Governemanta ny teknolojia vaovao, amin'ny ambaratongam-pitantà nana rehetra sy eo amin’ny fiainam-bahoaka. Amin'ny alà lan'ny fitantanana nomerika, ny governemanta dia manamafy ny fahombiazan'ny fanjakana sy ny fahombiazan'ny tolotra ho an'ny tombontsoam-bahoaka. Amin'ny alà lan'ny fampandehanana ny tolotra ho an'ny daholobe, ny Governemanta dia miantoka ny firongatry ny nomerika, izay hafahana manafaingana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Ny faharanitan-tsaina artifisialy (« Intelligence Artificielle » na IA) dia miha mitombo isan'andro, ary tsy mbola nisy toy izany eo amin’ny fiainan'ny zanak’olombelona. Ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina sy ny toekarena manerantany dia mahatonga azy io ho fanamby lehibe tsy maintsy atrehin'ny Governemanta rehetra. Noho izany, Ny firenena malagasy dia tsy maintsy mametraka fomba mahomby hifehezana ny fampiasana ara-etika ny faharanitan-tsaina artifisialy mba hisy fiantraikany amin'ny tombontsoan'ny rehetra, indrindra fa ny fandriampahalemana sy ny filaminana iraisam-pirenena.
Ny fampidirana ny revolisiona ara-teknolojia ao amin'ny fanavaozana ny governemanta amin'ny alà lan'ny fananganana modely ara-toekarena vaovao mifototra amin'ny nomerika, dia dingana lehibe iray hiantohana ny fametrahana fahafahana ara-toekarena sy sosialy vaovao ho an'ny fampandrosoana. Tsy hahomby io fanovana io anefa raha tsy tafiditra ao anatin'ny dingana samihafan’ny ambaratongam-piarahamonina rehetra. Ny governemanta dia tsy afaka mamolavola politika hampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny famoronana orinasa raha tsy mati-paika tanteraka, tsy manilika n’iza n’iza, maharitra, tompon'andraikitra amin'ny tontolo iainana ka ny fampiaranà ny teknolojia vaovao no fototr’ izany politika izany.
Mila manaiky ihany koa isika, fa ny fitomboana ara-toekarena sy ny teknolojia vaovao dia toa rano sy vary amin'ny politikan'ny tanà n-dehibe mampivoatra. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, hita sy tsapa fa ny fiakarana ara-demografika (fitombon’ny mponina) malaky tena malaky dia nanafaingana ny fivoaran'ny politika an-tanà n-dehibe any amin'ny firenena sasany. Misy fiantraikany eo amin'ny fanapahan-kevitry ny Governemanta hamolavola tanà na maoderina misy fotodrafitrasa mifanaraka amin'ny fivoaran'ny toe-karenany ny fipoiran'ny teknolojia vaovao. Ho an'ny fanjakana sasany, ny famolavolana tanà na maharitra, salama ary tsy manavaka no antoky ny fiaraha-monina eo amin'ny lalan'ny fitomboana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Anjaranareo rehetra, tanora ankehitriny, no mandinika amin’izay no Hoavy tianareo hiainan’ny zanakareo. Fa amiko manokana, rehefa tsy mandroso dia mihemotra. Anjaranareo tanora ankehitriny -lavitry ny politikan’ny itiavan-tena sy famenona paosy- no mandinika raha ilaina na tsia ireo fotodrafitrasa efa natomboky ny fitondrana Rajoelina. Fantaro fotsiny aloha fa io tanà nan’i Dubaï io dia efitra (« désert »), 30 taona lasa izay.
Ny antony ? Tsy omena 4X4 vaovao ny olom-boatendry na voafidy fa ny fiaran’ny olon-dimbiasiny no ampiasaina. Ny vola amina milara hividianana izany dia hafahana mampandroso faritra maro... Ary tokony fiara «Karenjy» no tokony vidina ho an’ny mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara.
Eny, na ireo Parlementera aza (Antenimieram-pirenena sy Antenimieran-doholona) tokony mividy fiara «Karenjy», aloha tsikelikely raha mety. Tsy dokam-barotra izany, Tompoko, fa mba fampisehoana ambo-pom-pirenena marina.
Jeannot RAMAMBAZAFY