]
Les quotidiens du 25 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagascar: Discours de la ministre de la population Olga Ramaroson, lors de la Journée internationale des personnes handicapées 2011, célébrée à Antsiranana

Madagascar: Discours de la ministre de la population Olga Ramaroson, lors de la Journée internationale des personnes handicapées 2011, célébrée à Antsiranana

La ministre Olga Ramaroson a pu rencontrer les champions de la 8è Coupe des Clubs Champions Handisport de l'océan Indien, en basket-ball et pétanque, qui ont bénéficié d'un séjour à Antsiranana offert par Mialy Rajoelina, Première Dame de l'Etat et Marraine du tournoi

 

 

Mesdames et Messieurs,

A l’occasion de la Célébration de la Journée Internationale des personnes en situation de handicap en ce jour de 3 décembre 2011, j’ai l’immense joie de vous saluer tous d’être présents ici à Antsiranana, pour honorer ensemble et pour le respect communs de cette Journée consacrée pour nos concitoyens handicapés . Et je tiens particulièrement à saluer ici toutes ces personnes en situation de handicap qui ont eu le courage de se montrer et vivre avec nous, dans une ambiance festive leur force et vitalité, durant les festivals et les manifestations sportives d’hier, et encore pour des manifestations artistiques et d’autres animations de ce jour.

C’est vrai, notre présence collective ici marque l’harmonie et la coexistence parfaite des groupes sociaux différents, sans aucune distinction. D’ailleurs, le thème que nous avons pris pour cette année 2011 s’intitule « COMMUNAUTE INCLUSIVE, LEVIER DE DEVELOPPEMENT ». Littéralement en Malagasy « Fiarahamonina tsy manilikillika, fanoitry ny fampandrosoana ».

En effet, les hommes sont tous faits égaux en Droit dans ce bas monde. Le Droit naturel et le Droit positif qui régissent notre mode de vie nous mettent tous sur le même piédestal en matière de droit et de jouissance de vie.  Le bon Dieu nous a façonné selon notre propre sort, bien que parfois il n’est pas toujours facile pour nous d’accepter.


Mais la pensée et la mentalité de l’homme peut changer au fil des ans, et le Monde avec ! Consciente de la dignité humaine et de l’égalité de tous en droit, l’Assemblée Générale des Nations a proclamée les Droits Universels des Personnes Handicapées, suivant la Résolution 3 447 du 9 Décembre 1975. Par la suite, elle a déclaré le 3 Décembre 1992, pour  la première fois « Journée Internationale de Personnes Handicapées », et que nous continuons de célébrer tous les ans.

Sachons que nous Malagasy, signataire de toutes les Conventions et Chartes des Nations-Unies  relatives aux Droits de l’homme,  droits de la femme, droits des enfants  et les droits des handicapés, nous sommes tous tenus de respecter et de concrétiser à la lettre les clauses et les teneurs de toutes ces Conventions, et non de les évoquer d’une manière rhétorique en pareille circonstance solennelle.

Pour le bien de tous, pour le développement social, je vous exhorte à vivre ensemble, vivre en harmonie, vivre en paix, dans l’amour, l’entraide, et la compréhension, afin que chaque homme, chaque femme, trouve son bonheur dans sa manière d’être, sans exclusion ou de haine. La solidarité nationale et internationale nous interpelle tous de vivre ensemble, et de mieux vivre, quelque soit notre milieu économique, racial, ethnique, et notre appartenance au groupe social différent.

=========================================

Kabarin-dRamatoa Ministry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy

Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana

Antsiranana 2 – 3 novambra 2011


Tompokovavy sy Tompokolahy,

Miarahaba anareo vahoakan’Antsiranana tonga marobe eto amin’ity toerana ity no voalohanteniko. Ary miarahaba manokana ny olona manana fahasembanana rehetra tratr’izao Fankalazàna ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana izao.

Toerana faharoa notsidihako hatramin’ny nandraisako ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy ny eto Antsiranana. Koa alohan’ny hanombohantsika ny resaka dia mangataka anareo amim-panetren-tena ny tenako, mba hiondrika iray minitra, ho fanomezam-boninahitra ny Reny mamintsika Nadine Ramaroson, izay maty teo ampanefana ny adidiny, ka ho tsarovantsika mandrakariva. (1mn fahanginana)…… Misaotra tompoko !

Manoloana ny fotoan-dehibe tahak’izao, dia tsy mety tokoa ny saina raha tsy hampahatsiahy ny zava-bitan’Itompokovavy Nadine RAMAROSON teto amin’ny firenena, satria ny fitiavany, ny hafanam-pony, ny heriny, ary ny fahasahiany, dia nentiny nanompoana ny vahoaka avokoa, ka tsy diso anjara tamin’izany ianareo vahoaka teto Antsiranana. Toerana nahalehibe ahy rahateo ity Antsiranana ity, ka rariny loatra raha maneho fifaliana aminareo aho, amin’izao nifidianana azy ho toerana Hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana izao.

Mitohy tsy ankijanona ny asa sosialy sahanin’ny Ministeran’ny Mponina, ka na tsy hahasolo tanteraka an’i Nadine Ramaroson aza ny tenako, dia manome toky anareo kosa fa hanohy amim-pahavitrihana ny ezaka rehetra efa natombony.

Laharam-pahamehana avokoa ny ady amin’ny fahantrana,  ny tolona ho amin’ny fanajana ny zon’olombelona rehetra, ny ady amin’ny herisetra sy ny tsy rariny isankarazany, ka ny ankizy, ny vehivavy, ny zokiolona, ny vahoaka mahantra, ny manana fahasembanana, ireo rehetra ireo no tsy maintsy tsinjovin’ny Ministeran’ny Mponina voalohany indrindra, fa ny Sosialim-bahoaka no antom-pisian’ny Ministeran’ny Mponina.

Tsipihiko manokana eto anefa, fa n’inon’inona toerana sy sokajim-piainana misy antsika, dia tsy mahazo mitanondrika isika, fa tsy maintsy mitraka mandrakariva, ka ny filamatra apetrantsika dia ny hoe « MISAINA , MIASA, ary MIHARY », fa ireo filamatra « 3 Mi » ireo no hataontsika fanoitra lehibe handresentsika ny fahantrana mihoampampana eto amin’ny firenena, izay nomena anarana hoe « 4 Mi ». Hiady mafy isika mianakavy fa tsy hanaiky ho mafy ady intsony !

Tsy azo ekena raha firenena manan-karena toa an’i Madagasikara no hahantra fadiranovana ny mponina ao aminy. Mahantra ny tantsaha malagasy, mahantra ny mpiasa, mahantra ny mpanao asa tanana, mahantra ny mpandraharaha madinika. Olom-bitsy sy ireo mpanararaotra ny fahantram-bahoaka no migoka ny mamy eo amin’ny fiarahamonina, fa ny Vahoaka 80% dia miaina amin’ny fahantrana avokoa, ka na ny fahasembanana ara-batana mahazo ny sasany aza dia lasa enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana maro.


Tsy azo tsinontsinoavina anefa ireo havantsika manana fahasembanana ireo, satria tsy izay kilema ara-batana kely mahazo azy akory no hahafoana ny Sainy mahay mandinika, fa toy antsika rehetra izy, afaka miasa, afaka miaina finaritra, afaka mihary harena, sns. Izany rahateo no ametrahantsika ny foto-kevitra hoe FIARAHAMONINA TSY MANILIKILIKA, FANOITRY NY FAMPANDROSOANA. Tsy maintsy miara-miaina amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ny olona manana fahasembanana, fa tsy azo ailikilika. Isika koa efa namoaka lalàna manaja ny Zo aman-kasin’ny olona manana fahasembanana hatramin’ny taona 1997 (Lalàna 97-044), ka tsy maintsy ampiharina izany, fa tsy hatao litania na resabe fotsiny.

Mandritra ny roa andro (omaly sy androany), dia asehontsika amim-pahamendrehana fa miray hina isika amin’ny hetsika samihafa, ka hitantsika tamin’ireny fifaninanana ara-panatanjahantena samihafa ireny fa manana ny maha izy azy ireo manana fahasembanana ara-batana.

Eto dia isaorako manokana ianareo Manam-pahefana rehetra eto an-toerana, na sivily na miaramila, nampiantrano ny lanonana ofisialy natao androany izao. Isaorako koa ianareo Mpiombon’antoka sy Mpitarika fikambanana samihafa rehetra, indrindra ny mpiara-miasa ato amin’ny Ministeran’ny Mponina, izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izao fotoan-dehibe izao.

Ny fahasembanana ara-batana no nomentsika lanja androany, fa tsy maintsy hojerentsika kosa ny « fahasembanana » ara-tsosialy sy ara-toekarena sy ara-moraly eto amin’ny firenentsika. Ny asa, ny fitiavana, ny firaisankina, ary ny fahatsaran-toetra no hoentintsika manamaivana izany fahasembanana miseho amin’ny endrika samihafa izany.

Misaotra Tompokovavy, mankasitraka  tompokolahy !

Photos : Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Dimanche, 04 Décembre 2011 18:13 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024